Ny tokony ho fitondran-tegnan’ny mpino
3
Ampahatsiahivo ny ôlona mbô hagneky sy hankatò tsara ny mpitondra sy ny manam-pahefana, ho vonona ho amin’ny asa tsara dahôlo, 2 tsy hagnasaha ôlona, ho tia fihavanana, handefitra sy ho tsara fagnahy amin’ny ôlona dahôlo.
3 Fa atsika koa talôha dia mbô adala, tsy nagneky, voafitaka, voagejan’ny filàna sy ny fahafinaretana isan-karazany ary nanjakan’ny lolompo sy ny fialonana, sady halan’ôlona no mifankahala. 4 Fa rehefa niboagna ny fahatsoran’Andriamagnitra Mpamonjy antsika sy ny fitiavany ny ôlona, 5 dia novonjeny atsika, tsy tamin’ny fahamarinan’ny asa nataontsika avy izany fa vokatry ny famindrampony. Nodioviny atsika tamin’ny fahaterahana indraika sy ny fagnavaozan’ny Fagnahy Masina 6 izay natosagny tamintsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Mpamonjy antsika. 7 Nohamarininy tamin’ny fahasoavany atsika mbô handraisantsika ny fiaignana mandrakizay izay antegnaintsika.
8 Azo atokisana izany tarea izany. Ary dia tiako ny agnantitranteranao an’izany raha dahôlo izany mbô hilofo hagnano asa tsara ho amin’izay mino an’Andriamagnitra. Tsara sady mahasoa ny ôlona izany raha dahôlo izany. 9 Fa ialao lavitra ny adihevitra tsisy dikany, ny tetiarana, ny fifamaliana ary ny adihevitra mikasika ny lalàna; tsy mahasoa sady tsisy varany avy izany. 10 Ialao ny ôlona mampisara-bazagna rehefa avy nagnarina indraika na indroay, 11 hainao mbôka fa ny ôlona ohatra an’izany dia efa nivily tamin’ny lalana marina ka manota sady magnamelotegna.
Hafatra farany sy fagnanaovam-beloma
12 Rehefa magnasa an’i Artema na i Tikiko ho atỳ aminao izaho, dia ataovy izay hahatongavanao malady aigny Nikopolia fa manam-pikasana hanapitra ny ririnina aigny izaho. 13 Ampio araka izay azonao atao i Zena mpahay lalàna sy i Apolosy mbô hanagnany izay raha ilainy amin’ny dianjareo. 14 Ireo namantsika ireo dia tsy maintsy mianatra ny magnano asa tsara mbô hahafahany magname izay tegna mila fanampiana, mbôry izay hisy vokatra tsara ny fiaignanjareo.
15 Veloma izany ianao hozy ny ôlona dahôlo atỳ aminahy. Veloma aigny amin’ny ôlona dahôlo tia antsika amin’ny finoana.
Enga anie ho aminareo dahôlo ny fahasoavana.