Filemona
Fiarahabana an’i Filemona
1
Izaho Paoly, gadra ny amin’i Kristy Jesoa sy Timoty zandribeko no mamangy an’i Filemona ilay tegna tianay sy mpiara-miasa aminay.2 Mamangy koa an’i Apia anabavinay izin’ny Arkipo, miaramila namanay, ary ny fiangonana akao an-dragnonao.
3 Enga anie mba ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamagnitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tômpo.
4 Rehefa mivavaka ‘zaho ka mahatsiaro anao dia misaotra an’Andriamagnitra fôgna 5 satria regniko ny finoanao an’i Jesoa Tômpo sy ny fitiavanao ny ôlona masina dahôlo. 6 Mivavaka ‘zaho mbô hanjary asa ny firaisantsika noho ny finoana ka hahaizantsika ny raha tsara dahôlo anagnantsika satria akao amin’i Kristy ny fiaignantsika. 7 Tegna faly izaho sady mahery amin’ny fitiavanao fa efa nampaherezinao ny fon’ny ôlona masina.
Fifonana ho an’i Onesimosy
8 Na dia afaka aza ‘zaho akao amin’i Kristy hiteny aminao izay tokony ataonao, 9 dia miangavy aminao amin’ny fitiavana izaho Paoly, izay efa antitra sady gadra ny amin’i Jesoa Kristy koa amizao. 10 Iainy, miangavy aminao ‘zaho ny amin’i Onesimosy zanako, naterako takato amin’ny figadrako: 11 tsy nahasoa anao izy talôha, fa amizao mahasoa antsikan-drôy.
12 Nampodeko aigny aminao aigny indray izy, ilay zanako. 13 Saiky notanako taty aminahy fôgna izy handimby anao hagnampy anahy aketo amin’ny figadrako ny amin’ny Tarea Maharavo. 14 Fa tsy hagnano na ino na ino ‘zaho raha tsy fantatro malôhany ny hevitrao mba tsy fôrsena ny soa ataonao fa sitra-po. 15 Izany angamba no nialany malaky takaigny aminao mba hanagnanao ananjy foagnany, 16 anefany tsy ho ohatran’ny andevo intsony, fa nandombolombo noho ny andevo, dia zandry tiana, indrindraka fa ho anahy, mintsaka fa ho anao, na amin’ny nofo na amin’ny Tômpo.
17 Raha lazainao fa namanao ‘zaho, dia ataovy ohatra anahy koa i Onesimosy. 18 Nefany raha nagnano raha tsy manjary izy, na nagnano trosa taminao dia alay fa hefaiko. 19 Izaho Paoly mihitsy no manoratra fa hefaiko izany. Ny trosako taminao aza mbôla tsy notakiako satria anao mihitsy ilay trosa. 20 Iainy raolona, enga anie mbô ekenao ny raha karahiko noho ny amin’ny Tômpo; ampaherezo ny foko akao amin’i Kristy. 21 Manoratra aminao izaho satria matoky izaho fa hagneky anao; ary haiko fa hagnano mandombolombo an’izay taraviko ary anao.
22 Ary izao koa: mbô hikarakarao tragno ‘zaho hitobiako, fa magnantegna izaho fa ho aigny aminareo indray akatokato noho ny vavaka ataonareo.
Fagnanaovam-beloma
23 Mampamangy anao i Epafra, gadra namako akao amin’i Jesoa Kristy. 24 Mampamangy anao koa i Marka izin’ny Aristarko mbaraky Demasy ary i Lioka, mpiara-miasa aminahy.
25 Enga anie ho amin’ny fagnahinareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tômpo.