Hebreo
Fampidirana
1
Talôha taigny, tsy indraika tsy indroay ary tamin’ny fomba isan-karazagny, Andriamagnitra no nampiteny ny mpagnazary tamin’ny razantsika. 2 Amin’izao andro farany izao indray, dia amin’ny alalan’ny Zanagny no nitaravany tamintsika. Io Zanagny io no voatendriny ho Mpandova ny raha dahôlo; avy aminanjy no nahariany izao tontolo izao.
3 Taratry ny voninahiny koa io Zanagny io;
Andriamagnitra Rainy napetraka Izy
sady mitana ny raha dahôlo amin’ny teniny manan-kasina.
Rehefa avy nagnadio ny ôlona ho afaka amin’ny fahotana Izy
dia niantotra ankavagnan’ny Geda aigny amin’ny farany agnambo.
4 Nanjary farany ambony mandombolombo ny anjely Izy,
satria ambony mandombolombo ny nihinjareo ny agnarana namen’Andriamagnitra Ananjy.
Geda mandombolombo ireo anjely ny Zanaka
5 Tsy ary nisy anjely nitaravan’Andriamagnitra hoe:
“Zanako Ianao;
ary miantena nigniany ity dia Izaho no niteraka Anao” (Sal 2.7).
Sady koa:
“Ho Dadainy Izaho,
ary Izy ho Zanako” (2 Sam 7.14).
6 Izao koa ny raha notaravin’Andriamagnitra tamin’Izy nagniraka ny Zanagny hankatỳ ambonin’ny tany:
“Tsy maintsy miondrika am-pagnajana agnatrehan’Andriamagnitra akeo ny anjely dahôlo” (Sal 97.7).
7 Izao koa no raha notaraviny mikasika ny anjeliny:
“Ampiasainy sahala amin’ny rivotra ny anjeliny,
ary sahala amin’ny lelanafo ny gaognany” (Sal 104.4).
8 Dia izao indray ny raha notaraviny mikasika ny Zanaka:
“Ô Andriamagnitra! Maharitra mandrakizay ny sezafiandriananao;
Ny fahamarinana no anjera ndesinao manjaka,
9 Tianao ny fahamarinana ary halanao ny tsy fanjariana;
Izany no nahatonga an’Andriamagnitra, dia ilay Andriamagnitrao, nagnosotra menaky ny fifaliana ny lôhanao mandombolombo ny an’ny namanao” (Sal 45.6-7).
10 Ary hozy koa:
“Ô Tômpo! Taigny am-piandohana taigny no nametrahanao ny fototry ny tany
ary namboarin’ny tagnanao ny lagnitra.
11 Ianao akeo foagna fa ho levona ireo raha dahôlo ireo
ary ho môhaka ôhatra ny akanjo.
12 Alambanao ôhatry ny paridesy
ary hosoloinao ôhatry ny akanjo izy.
Kanefa tsy miova Ianao
ary tsy hisy farany ny andro iaignanao” (Sal 102.25-27).
13 Tsy ary nisy anjely notaravin’Andriamagnitra hoe:
“Miantora ankavagnako aketo
mandra-pagnanaovako ny fahavalonao
ho fametrahanao tongotra” (Sal 110.1).
14 Fagnahy manompo asain’Andriamagnitra hagnampy ireo ôlona handova ny famonjena ny anjely dahôlo.