2
Araka izany dia tsy maintsy alaina onogna tsara ny raha efa regnintsika mbô tsy hiviliantsika amin’ny lalana tsy tokony hombana. 2 Izao mbôka, raha ôhatra ka marina izay raha nampitaravina ny anjely ary samby nahazo ny sahaza ananjy dahôlo ireo izay tsy nagnaraka sy tsy nankatôritra ny raha notaravina, 3 dia tsy afaka hilefa atsika raha ôhatra ka tsy ahoantsika io famonjena matomboka be io. Ny Tômpo no voalôhany nampitaravin’Andriamagnitra an’izany famonjena izany ary tafarany dia izay naharegny an’izany no nagnamafy an’izany tamintsika. 4 Ary Andriamagnitra koa dia nagnamafy an’izany raha notaravinjareo izany tamin’ny alalan’ny famantarana, ny raha mahagaga, ny asa matomboka be isan-karazagny ary ny fagnamezana avy amin’ny Fagnahy Masina izay norasarasainy araka ny sitrapony.
5 Tsy anjely no notendren’Andriamagnitra hitondra amin’ny fiaignana ho avy izay taravinay. 6 Misy magnamafy an’izany akao amin’ny Soratra Masina:
“Ino ma ny ôlona no mbô tsarovanao?
Ary ino ma ny zanak’ôlombelona no isahiragnanao?
7 Tsy ela no nagnanaovanao Ananjy ambany raha mitaha amin’ny anjely;
nosatrohanao laza sy voninahitra Izy;
[sady nampanjakainao amin’ny asan’ny tagnanao.]
8 Nataonao ambanin’ny fahefany ny raha dahôlo” (Sal 8. 4-6).
Tsisy raha tsy nampagneken’Andriamagnitra Ananjy kanefa amin’izao atsika dia mbôla tsy mahita hoe magnaiky Ananjy ny raha dahôlo. 9 Nefa Jesoa no hitantsika. Tsy ela no nagnanaovanao Ananjy ambany raha mitaha amin’ny anjely. Nosatrohanao voninahitra sy laza Izy ary niaritra fahafatesana mbô hamonjy ny ôlona dahôlo noho ny fahasoavan’Andriamagnitra.
10 Andriamagnitra mbôka no nahary ny raha dahôlo, ary ho Ananjy ihany no nahariany an’izany. Nisafidy ny hitondra zanaka maro ho an’ny voninahiny Izy ary nanondrotra an’i Jesoa ho farany tsara amin’ny alalan’ny fijaliana satria Jesoa no Tômpon’ny famonjena. 11 Iraika foagna no niandôhanjareo indroay, na izay magnamasina na ireo izay hamasinina; izany no tsy nahamegnatra Ananjy hagnantso anjareo hoe rahalahy, 12 satria hozy:
“Hiteny ny Agnaranao amin’ny rahalahiko Izaho;
ary hidera Anao amin’ny fiangonana” (Sal 22. 22).
13 Sady koa:
“Raha ôhatra anahy dia apetrako Aminanjy ny fitokisako.”
Dia hozy koa:
“Ireto Izaho sy ireo zaza namen’Andriamagnitra Anahy” (Isa 8. 17-18).
14 Araka izany satria nofo aman-dra ny zaza, dia nagnaiky hanjary nofo aman-drà koa Izy, mbô haripany amin’ny fahafatesany ilay mitana ny herin’ny fahafatesana, dia ny Devoly izany. 15 Nagnaiky an’izany koa Izy mbô hagnavotany ny ôlona dahôlo nandany ny fiaignany tamin’ny fagnandevozan’ny tahotra ny fahafatesana. 16 Azo antoka fa tsy anjely no avotany fa ny taranak’i Abrahama. 17 Izany no antony tokony hitovizany tsisy valaka amin’ny rahalahiny, mbô hanjary Mpisorognabe mamindra fo sy azo atokisana amin’ny asan’Andriamagnitra Izy, ary mbô hagnavotra ny ôlona noho ny helogny. 18 Mahavotra izay ôlona tsapaina fagnahy Izy satria notsapaina fagnahy koa tamin’ny fijaliana nahazo ananjy.