Jesoa sy i Mosesy
3
Araka izany, raôlona, masina ianareo, nantsovin’Andriamagnitra hanagna anjara amin’ny fiaignana aigny an-dagnitra, ka diniho Jesoa, Ilay Apostoly sady Mpisorognabe izay ekentsika. 2 Azon’Ilay nagniraka Ananjy antoka Izy, sahala amin’i Mosesy izay azo antoka tamin’ny raha dahôlo tan-dragnon’Andriamagnitra takao. 3 Fanaoka an’i Jesoa ny hamem-boninahitra mandombolombo an’i Mosesy satria ny mpagnamboatra tragno dia be voninahitra raha ampitahaina amin’ny tragno namboariny. 4 Marina fa ny tragno dahôlo dia nisy nagnamboatra; fa ny nagnamboatra ny raha dahôlo dia Andriamagnitra. 5 Mosesy dia azo antoka tamin’ny raha dahôlo tan-dragnon’Andriamagnitra takao amin’ny maha gaogna ananjy, mbô hanjary vavolombelona hitarea ny raha mbôla hotaravin’Andriamagnitra izy. 6 Fa Kristy dia mitondra ny tragnony amin’ny maha Zanaka Ananjy. Ary atsika izany tragnony izany raha ôhatra ka tanantsika mafy [hatramin’ny farany] ny fahatokisana sy ny fagnantegnana izay isekosekoantsika.
Fampitandremana tsy hivadika
7 Noho izany, araka izay notaravin’ny Fagnahy Masina hoe:
“Ñiany, raha ôhatra ka regninareo ny feony,
8 dia aza magnano mafy lôha
sahala ny tamin’ny fotoana nampasosy anareo,
tamin’ny andron’ny fitsapam-pagnahy taigny ankodahoda,
9 izay nitsapan’ny razagnareo fagnahy Anahy mbô hahitanjareo izay ho ataoko,
na dia efa nahita Anahy niasa nandritra ny efapolo taona aza zareo.
10 Izany no nampadendena Anahy tamin’ireo ôlona ireo,
ka nitaravako hoe: Miovaova hevitra foagna ireo ôlona ireo
ka tsy azonjareo onogna ny làlako.
11 Izany no nahatonga Anahy nifanta hoe:
Tsy hiditra amin’ny fialan-dreraka namboariko mihitsy zareo” (Sal 95. 7-11).
12 Mitandrema ianareo raôlona, sao dia hisy aminareo hanjary ratsy lôha, tsy hino, ka hiala amin’Andriamagnitra velona. 13 Fa mahaiza mifandrisika isanandro, raha mbôla misy koa ny “nigniany”, mbô tsy hisy aminareo hihamafy lôha takatry ny fitaky ny fahotana. 14 Tsy managna anjara miaraka amin’i Kristy atsika raha tsy manohy mitana mafy hatramin’ny farany ny fahatokisana voalôhany. 15 Araka ny voasoratra hoe:
“Ñiany, raha ôhatra ka regninareo ny feony,
dia aza mafy lôha sahala ny tamin’ny fotoana nampasosy anareo” (Sal 95. 7-8).
16 Iza tamin’ny naharegny ma no sosy tamin’Andriamagnitra? Tsy ireo ôlona dahôlo nindesin’i Mosesy niala avy taigny Ejipta ma? 17 Ary iza ma no nampasosy Ananjy nandritra ny efapolo taona? Tsy izay ôlona nanota ma, ka niampatrampatra taigny ankodahoda ny fatiny? 18 Iza ma no nifantany fa tsy hiditra amin’ny fialan-dreraka namboariny? Tsy izay tsy nagnaiky foagnany ma? 19 Dia hitantsika fa tsy nanjary niditra zareo ireo takatry ny tsy finoanjareo.