4
Noho izany satria mbôla akeo ny fampagnantegnana fa hiditra aigny amin’ny fialan-dreraka namboariny atsika, dia tokony hitandrina atsika sao hisy tsy hahatakatra an’izany. 2 Efa nitoriana ny tarea maharavo ôhatra an’ireo ôlona taigny ankodahoda koa atsika; tsy nahasoa anjareo anefa ny teny regninjareo satria tsy ninoanjareo. 3 Fa atsika izay mino kosa no miditra amin’izany fialan-dreraka izany; izao mbôka no notaraviny:“Izany no nahatonga Anahy nifanta hoe:
Tsy hiditra amin’ny fialan-dreraka namboariko mihitsy zareo” (Sal 95. 11),
na dia efa vita hatramin’ny nahariana izao tontolo izao aza ny asany. 4 Fa izao no voasoratra mikasika ny andro fahafito: “Nijanona tamin’ny raha dahôlo nataony Andriamagnitra tamin’ny andro fahafito” (Gen 2. 3). 5 Dia hozy koa: “Tsy hiditra amin’ny fialan-dreraka namboariko mihitsy zareo” (Sal 95. 11). 6 Ireo ôlona izay nitoriana ny Tarea Maharavo tamin’ny voalôhany dia tsy tafiditra satria tsy nankatôritra. Na izany aza, mbôla afaka hiditra ihany ny sanagny. 7 Izany no nahatonga an’Andriamagnitra mametra andro iraika indray izay antsovina hoe “nigniany”. Tatỳ afara dia niresaka betsaka mikasika an’io andro io Izy, tamin’ny alalan’i Davida:
“Ñiany, raha ôhatra ka regninareo ny feony,
dia aza magnano mafy lôha” (Sal 95. 7-8).
8 Raha ôhatra ka mbô nindesin’i Josoa taigny amin’ny fialan-dreraka mbôka ny ôlona dia tsy hitarea ilay andro iraika hafa koa Andriamagnitra tafaran’izay. 9 Araka izany, mbôla misy Sabata fialan-dreraka izany ho an’ny ôlon’Andriamagnitra. 10 Fa izay niditra tamin’ny fialan-dreraka namboariny, dia nijanona tamin’ny asanjareo koa sahala amin’Andriamagnitra izay nijanona tamin’ny asany.
11 Araka izany, tokony harisika atsika hiditra amin’izany fialan-dreraka izany mbô tsy hisy ho lavo ka tsy hankatôritra sahala amin’ny razantsika. 12 Sady velona no mandaitra ny Tenin’Andriamagnitra. Marangitra mandombolombo sabatra lelany roay Izy, miditra laligna agnatin’ny aigna sy ny fagnahy ary ny vanin-taolagna sy ny tsoka, ary mitsara ny faniriana sy eritreritry ny ôlona. 13 Tsisy raha tsy hitan’Andriamagnitra; mazava amasony ary fantatr’Ilay agnanaovantsika tatitra dahôlo ny raha dahôlo.
Kristy, Mpisorognabe mitondra ny fijaliantsika
14 Araka izany, tokony tanantsika mafy ny finoana izay nekentsika satria atsika managna Mpisorognabe farany manan-kasina izay lasa aigny an-dagnitra dia Jesoa, Ilay Zanak’Andriamagnitra. 15 Fa atsika mbôka magnana Mpisorognabe mahay miara-mizaka amintsika ny fahalementsika; tsy nanota Izy na dia notsapaina fagnahy tamin’ny raha dahôlo ôhatra atsika koa aza. 16 Andao atsika hagnatogna amin’ny fahasahiana ny seza fiandrianan’ny fahasoavana mbôry izay atsika hahazo famindrampo sy hahita fahasoavana amin’ny fotoana ilàntsika fagnavotana.