Jakoba
Fiarahabana
1
Izaho Jakoba, gaognan’Andriamagnitra sy Jesoa Kristy Tômpo, no manoratra an’ity taratasy ity.Mamangy anareo foko roambin’ny folo aigny am-pielezana izaho.
Fitsapana, fahatozoana, fahamatorana
2 Ô raôlona, ataovy raha tegna mampafaly ny karazagna fitsapana fanojo anareo, 3 fantatrareo mbôka fa mampatonga anareo hahatôzo ny fitsapana ny finoanareo. 4 Izao mbôkany, ny fitozoana dia tokony hahavitana asa hatramin’ny farany mbôry izay ianareo ho matotra sy tsy manjary kianina ary tsisy raha mahaory.
Mivavaka mbô hahay hagnavaka ny raha manjary sy ny raha tsy manjary
5 Raha misy aminareo tsy mahay magnavaka ny raha manjary sy ny raha tsy manjary dia tokony hangataka amin’Andriamagnitra izy fa hameny ananjy izany; malalatagnana amin’ny ôlona dahôlo mbôka Izy sady tsy mbô mandatsalatsa. 6 Kanefa indray, mila mangataka an’izany amin’ny finoana izy fa tsy hisalasala; ny ôlona misalasala mbôka dia sahala amin’ny onjan-dranomasina ataon’ny rivotra misafôntagna ka atsipitsipiny aigny. 7 Aza magnantegna hahazo raha avy amin’ny Tômpo edy ny ôlona ôhatra an’izany, 8 satria miroaroa saigna ary tsy mahatombon-tsiraka amin’ny raha dahôlo ataony.
Ny misy atao sy ny sahirankirana
9 Tokony hampisekoseko ny kristiana sahirankirana ny fagnamezan’Andriamagnitra hasina ananjy; 10 ary tokony hampisekoseko ny misy atao koa ny fampidinan’Andriamagnitra ananjy satria tsy hateza sahala amin’ny voninkazo mbôka izy. 11 Rehefa mipoaka ny masoandro ary midanika ny andro dia malazo ny voninkazo ary mihintsagna ny felany ka hanjavogna ny hatsarany. Mitovy amin’izany koa ny ho fanjavognan’ny misy atao amin’ny raha ataony dahôlo.
Ny fitsapampagnahy
12 Sambatra ny ôlona mahadigny fitsapampagnahy, fa rehefa nahadigny izy, dia handray ny satroboninahitraa ny fiaignana izay nampagnantegnain’ny Tômpo hamena an’izay tia Ananjy.
13 Raha fanojo fitsapampagnahy ny ôlona iraika, dia tsy tokony hitarea hoe: “Andriamagnitra no mitsapa fagnahy anahy,” satria sady tsy azon’ny ratsy tsapaina fagnahy Andriamagnitra no tsy mitsapa fagnahy ôlona. 14 Samby azon’ny fitsapampagnahy ny ôlona rehefa voatarika sy voafandriky ny filàny. 15 Rehefa miforona ny filàna dia miteraka fahotana, ary rehefa tanteraka ny fahotana dia miteraka fahafatesana.
16 Ô ry havako tiako! Aza magneky fitapitahina ianareo 17 satria avy aigny an-dagnitra, avy amin’Andriamagnitra, Ilay Rain’ny fahazavana, ny karazagna fagnamezantsoa sy ny karazagna fagnamezana tsisy kianina. Tsisy fiovaovana mbôka amin’Andriamagnitra sady tsy ngoningonin-draha hivadika Izy. 18 Nateragny tamin’ny sitrapony atsika, tamin’ny teniny izay fahamarinana, mbôry izay atsika no ho voalôhany amin’ny raha dahôlo noforogniny.
Tsy ampy ny mitaino
19 Ô ry havako tiako! Fantaro izao: Ny ôlona dahôlo dia tokony halady hitaino fa tsy ho maikamaika hitarea ary tsy ho mora sosy. 20 Ny fahasosena mbôka tsy hahavitana izay marina amason’Andriamagnitra. 21 Araka izany, ialao aigny ny karazagna fahalotoana sy ny tsy fanjariana dila hoaka ary raiso amin’ny fahatsorana ny teny nambolen’Andriamagnitra tagnatinareo; izany teny izany mbôka dia mahavoavonjy ny fagnahinareo.
22 Araho ny tenin’Andriamagnitra regninareo fa aza tainoana foagna mbôry izay ianareo tsy hamita-tegna. 23 Ny ôlona mpitaino kanefa tsy magnaraka ny teny mbôka dia sahala amin’ny ôlona mijery fitaratra ka mahita ny tegna tarehiny; 24 mahita ny vatantegnany amin’ny fitaratra izy dia lasana ka tonga dia tsy azony onogna ny tarehiny. 25 Fa ho sambatra amin’izay raha ataony ny ôlona mandinika ny lalàna tsisy kianina, izay lalàna magname fahafahana, ka mahatôzo amin’izany raha tsy mpitaino magnadino fa magnaraka an’izany amin’ny raha ataony.
26 Raha misy mihevi-tegna ho mpivavaka kanefa tsy mahafehy vava dia mamita-tegna izy ary tsisy varany avy ny maha mpivavaka ananjy. 27 Izao ny fivavahana madio sady tsisy tasy amason’Andriamagnitra Ray: Magnahoa ny kamboty sy ny mpitondrategna amin’ny fijaliana mahazo anjareo ary miaro tegna mbô tsy ho voatasitasin’ny rahan’izao tontolo izao.