Tsy manjary ny mijery tavan’ôlona
2
Ô raôlona! Tsy tokony hijery tavan’ôlona ianareo satria tsy mifandraika amin’ny finoanareo an’i Jesoa Kristy Tômpontsika be voninahitra izany. 2 Ôhatra izao: Misy ôlona mamonjy ny fivorianareo, magnano peratra volamena izy sady misarogna akanjo tsara be, dia avy avy aigny koa ny ôlona mahantra, magnano voritrakanjo. 3 Managna hegnamaso an’ilay misarogna akanjo tsara ianareo ka mitarea aminanjy hoe: “Mandrosoa ianareo raôlona ambony agnindrana arỳ.” Avy indray ianareo amin’ilay mahantra: “Akeo ianao mitsangana,” na hoe: “An-tongotro akeo ianao mifositra.” 4 Raha izany no izy, tsy efa mijery tavan’ôlona ma ianareo amin’izany? Tsy efa mitsara amin’ny haratsian-dôha koa?5 Ô ry havako tiako! Tainoa ma! Efa nofidin’Andriamagnitra ny mahantra amin’izao tontolo izao mbô hanjary mpanankarena amin’ny finoana sady ho mpandova ny fanjakana nampagnantegnainy an’izay tia Ananjy. 6 Kanefa ianareo indray magnafokafoka ny ôlona mahantra. Fantatrareo tsara anefa fa ny mpanankarena no mampidi-pahorena sady mitory anareo aigny amin’ny tiribonaly. 7 Dia mbôla zareo koa no manivativa ny agnarana tsara namen’Andriamagnitra anareo.
8 Kanefa tsara ny ataonareo raha ôhatra ka magnaraka ny lalànan’ny fanjakan’Andriamagnitra ianareo, araka ny voasoratra hoe: “Tiavo ny namanao, sahala amin’ny itiavanao ny aignanao” (Lev 19. 18). 9 Fa raha mijery tavan’ôlona kosa ianareo dia manota ka melohin’ny lalàna ho mpanota. 10 Na iza na iza mbôka mitandrina ny lalàna dahôlo kanefa diso amin’ny lalàna iraika, dia meloka amin’izy dahôlo. 11 Fa Ilay nitarea hoe: “Aza magnano halangana” no mbôla nitarea koa: “Aza mamono ôlona” (Eks 20. 13, 14). Raha ôhatra ka tsy magnano halangana ianao kanefa mamono ôlona, dia efa mpandika lalàna ianao izay.
12 Mitarava sy miasà ianareo sahala amin’ny ôlona mbôla hotsarain’ny lalàna magname fahafahana. 13 Tsisy indrafo mbôka ny fitsarana an’izay tsy mamindra fo; tsy matahotra fitsarana kosa indray izay mamindra fo.
Tsisy varany ny finoana tsy arahina asa
14 Ô raôlona! Misy varany ino ma ny ôlona mitarea fa manam-pinoana kanefa tsy hita amin’ny raha ataony avy? Hahavonjy ananjy ma ny finoana? 15 Ôhatra izao: Misy kristiana sady tsy managna akanjo no tsy manan-kohanina isan’andro, 16 dia mitarea an’izao aminjareo ny sanagny aminareo: “Soàva tsarà! Misarògna akanjo mafana! Mihinàna ahanina!” Kanefa tsy hamenareo anjareo avy ny raha ilainy, ino ma varan’izany? 17 Mitovy amin’izany koa ny finoana, maty izy raha tsy arahana asa.
18 Mety hisy ôlona hitarea hoe: Misy ôlona managna finoana ary misy managna asa. Dia izao no hotaraviko: Ampisehovy aminahy tsy amin’ny asa edy ny finoanao fa izaho indray hampiseho aminao ny finoako amin’ny asako. 19 Mino ianao fa iraika Andriamagnitra. Tsara izany! Na dia ny devoly aza mbô mino an’izany dia mangôrohôro.
20 Ôlona sagnagna! Tsy fantatrao ma fa tsisy varany ny finoana tsy arahana asa? 21 Tsy tamin’ny asa ma no nagnamarinana an’i Abrahama razantsika tamin’izy nanolotra an’i Isaka zanagny atao sorogna tambonin’ny alitara? 22 Hitanao amin’izany fa narahana asa ny finoany ary nampisehoviny tamin’ny asany izany. 23 Araka izany dia tanteraka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “Nino an’Andriamagnitra i Abrahama, dia noraisina ho fahamarinany izany” (Gen 15. 6), ary nantsovina hoe: “Naman’Andriamagnitra” izy (Isa 41. 8). 24 Dia hitanareo amin’izany fa hamarinina amin’ny asa ny ôlona fa tsy amin’ny finoana foagnany.
25 Ôhatra an’izany koa Rahaba makorelina. Nohamarinina tamin’ny raha nataony izy tamin’izy nampandroso an-dragno an’ireo iraka sy nampilefa anjareo tamin’ny làlana hafa.
26 Maty mbôka ny vatantegna raha tsisy aigna; sahala amin’izany koa, maty ny finoana raha tsisy asa.