Ny lela
3
Ô raôlona! Tsy tokony ho betsaka aminareo no hagniry ho lasa mpampianatra. Fantatrareo fa lombolombon’ny fitsarana ny ôlon-kafa ny fitsarana anay mpampianatra. 2 Samby magnano fahadisoana ny ôlona. Raha misy ôlona tsy ary nagnano fahadisoana amin’ny raha taraviny, dia izy no ôlona tsisy kianina ka mahafehy ny vatantegnany iray manontolo. 3 Rehefa asiantsika lamboridy amin’ny vavana soavaly mbô hagnarahany antsika dia afaka mibaiko ny vatagny iray manontolo koa atsika.
4 Alao onogna koa ny sambo. Na dia gedabe aza izy ary atosiky ny rivotra misafôntagna dia afaka avily ho aigny amin’izay tian’ny mpitondra itondrasana ananjy amin’ny alalan’ny familizana kely.
5 Sahala amin’izany koa ny lela. Taova kitika izy kanefa miendaenda be. Afo kely foagna dia efa mahavita mampirehitra ala amina tanety iraika. 6 Afo koa ny lela; tsy fanjariana zavon-tany izy. Raha amin’ny taova amin’ny vatantsika iray manontolo, dia izy no mandoto ka mandoro ny fiaignantsika iray manontolo amin’ny afo avy aigny amin’ny afobe. 7 Voafolak’ôlombelona na ny bibidia, na ny vorogna, na ny biby mandady sy mikisaka na ny biby agnaty ranomasina. Voafolak’ôlombelona tokoatrany iregny; 8 kanefa tsisy ôlombelona mahafolaka ny lela. Raha tsy manjary tsy hay folahina izy sady feno poizina mahafaty. 9 Izy no isaorantsika ny Tômpo Dadaintsika, mbôla izy koa no agnozognantsika ny ôlona izay nohariana hitovy endrika amin’Andriamagnitra.
10 Vava iraika ihany no ivoahan’ny fisaorana sy ny fagnozognana. Ô raôlona! Angaha izany manjary? 11 Tsisy vavarano sady mamoaka rano mamy no mamoaka rano mangidy izany. 12 Ô raôlona! Tsisy aviavy mamoa voan’ôliva ary tsisy voaloboka mamoa voan’aviavy. Sahala amin’izany koa, ny vavarano masina tsy hamoaka rano mamy mihitsy.
Ny fahendrena avy agnambo sy ny fahendrena avy ambonin’ny tany
13 Ny ôlona hendry sady maragnitra dia mampiseho ny asany amin’ny fahaiza-miaigna sy ny fahatsorana ary ny fahendrena. 14 Raha be fialognana sy tia magnenjika ny hafa ianareo dia tsy tokony hiendaenda na handainga hanohitra ny fahamarinana. 15 Fahendrena tsy avy agnambo izany, fa avy ambonin’ny tany ihany; fahendrena araka ny nofo, araka ny demonia. 16 Ny ôlona be fialognana sy tia magnenjika ny hafa mbôka dia anjakan’ny fikorontagnana sy ny karazagna tsy fanjariana dahôlo. 17 Ny fahendrena avy agnambo dia madio malôha, avy akeo tia fihavanana, mandefitra, mora alamina, be famindrampo sy magnano asa soa, tsy mijery tavan’ôlona ary tsy mihatsaravelatsihy.
18 Amin’ny fihavanana no amafazan’izay mikaraka fihavanana ny vokatry ny fahamarinana.