Misy ôlona miroaroa saigna
4
Hotaraviko aminareo fa avy amin’ny fagnirian-dratsy izay miady agnatinareo akao no mampatonga ny ady sy ny fifamaliana aminareo. 2 Magniry raha ianareo kanefa tsy mahazo; mamono ôlona sy mialogna ianareo kanefa tsy mahazo ihany dia miady sy mifamaly. Tsy mahazo izay raha tianareo ianareo satria tsy mangataka. 3 Tsy mahazo ianareo rehefa mangataka satria tsy mahay mangataka; ny raha tianareo mbôka dia ny handany izay azonareo amin’ny filàndratsinareo. 4 Ôlona mpagnitsakitsaka! Tsy fantatrareo ma fa mirafy amin’Andriamagnitra izay naman’izao tontolo izao? Araka izany, izay te ho naman’izao tontolo izao dia mirafy amin’Andriamagnitra. 5 Aza mieritreritra fa tsisy varany ny nagnambaran’ny Soratra Masina hoe: “Andriamagnitra dia saro-piaro amin’ny Fagnahy napetragny agnatintsika.” 6 Kanefa geda lavitra ny fahasoavana ameny antsika. Izao mbôka no voasoratra:
“Andriamagnitra dia manohitra ny mpiavognavogna,
ary tsotra amin’izay magnetry tegna” (Oha 3. 34).
7 Araka izany, ekeso Andriamagnitra; tohero ny devoly dia hilefa anareo izy. 8 Magnatògna an’Andriamagnitra dia hagnatogna anareo izy. Sasao ny tagnanareo ry mpanota, ary diovy ny fonareo ry mpiroaroa saigna. 9 Malahelòva, misaonà ary mitomagneza migololoka! Tokony hanjary ranomaso ny fihomehezanareo ary hanjary alahelo ny hafalianareo. 10 Magnetre tegna agnatrehan’ny Tômpo ianareo dia hasandragny.
Mbô iza ma ianao no mitsara ny namanao?
11 Aza mifagnaratsy raôlona! Izay magnaratsy na mitsara ny kristiana ôhatra ananjy dia magnaratsy sy mitsara ny lalàna. Raha mitsara ny lalàna mbôka ianao dia tsy mpagnaraka ny lalàna fa mpitsara ananjy. 12 Iraika ihany na ny Mpagname lalàna na ny Mpitsara, Izy Ilay mahavonjy sy mahavery. Mbô iza ma izany ianao no mitsara ny namanao?
Ny ôlona miendaenda amin’ny fahasahisahiany
13 Ianareo izay mitarea hoe: Hankaigny an-draha izahay nigniany na amaraigna ary hipetraka akaigny mandritra ny herintaona, dia hagnano vadi-barotra ka hahazo tombony. 14 Angaha fantatrareo avy ma ny raha hahazo anareo amaraigna? Ino ma ny aignanareo? Zavogna mbôka ianareo, hita vetivetika, avy akeo dia miravagna. 15 Fa izao no tokony taravinareo: Raha sitrapon’ny Tômpo dia mbôla ho velona aigna izahay ka hagnano an’izao sy izao. 16 Izao mbôkany, miendaenda ianareo satria mahasahisahy. Ratsy dahôlo rehefa fiendaendana ôhatra an’izany.
17 Araka izany, izay mahafantatra magnano raha tsara kanefa tsy magnano an’izany dia manota.