Anatra ho an’ny misy atao
5
Ô ianareo misy atao ireo! Mitomagneza migololoka ianareo amin’ny fahoriana hahazo anareo. 2 Tsisy azo raisina intsony ny harenanareo ary lanin’ny koroka homan-damba. 3 Harafesina ny volamena sy ny volafotsinareo; io harafesina io no hiampanga anareo, sahala amin’ny afo handevona ny nofonareo izy. Namory harena amin’ny andro farany ianareo. 4 Jerevo fa tsy nefainareo araka ny tokony ho izy ny karaman’ny mpandidy vary tamin’ny taninareo, dia velon-taraigna zareo ary tonga am-pototsofign’Andriamagnitra, Tômpon’ny raha dahôlo, ny fitaraignanjareo. 5 Tegna niaigna sy nagnaram-po tamin’ny fahafinaretana ianareo tatỳ ambonin’ny tany. Nafahinareo sahala amin’ny biby hovonoina ny aignanareo. 6 Nagnameloka sy namono ny ôlona marina ianareo na dia tsy nanohitra anareo aza izy.
Mahavità mandigny fa akaiky ny Tômpo
7 Araka izany raôlona, mahavità mandigny mandrapahatongavan’ny Tômpo. Alao ognona ny mpiasa tany: mandigny ny vokatra tsara hiakatra amin’ny taniny izy ka mahadigny ny hiavian’ny oram-pahavaratra sy ny erikerika mahamena varya. 8 Mahavità mandigny koa ianareo; tozôa foagna fa efa akaiky ny fahatongavan’ny Tômpo. 9 Aza mifampigonongonona ianareo raôlona, mbôry izay ianareo tsy voaheloka. Io fa efa am-baravaragna ny Mpitsara. 10 Ô raôlona! Ataovy fitaratra amin’ny fahazakana fijalena sy amin’ny fitozoana ny mpagnazary izay nitarea tamin’ny agnaran’ny Tômpo. 11 Taravintsika fa sambatra anie ny ôlona mahazaka fijalena e! Efa regninareo ny fahazakan’i Joba fijalena ary fantatrareo ny raha nataon’ny Tômpo taminanjy tamin’ny farany. Tsotra sady mamindra fo mbôka ny Tômpo.
Rehefa izay dia izay
12 Mialôha ny raha dahôlo raôlona, aza mifanta na amin’ny lagnitra na amin’ny tany na amin’ny raha hafa; fa rehefa Eny no taravinareo dia Eny, ary rehefa Ahaa dia Ahaa, mbôry izay ianareo tsy voatsara.
Mahery sy mandaitra ny vavaka ataon’ny ôlo-marina
13 Raha misy mijaly aminareo akeo, tokony hivavaka izy. Raha misy faly, tokony hiantsa fiderana izy. 14 Raha misy tsy salama, tokony hagnantso ny lôhôlon’ny fiangonana izy mbô hivavaka ho ananjy sady hagnosotra diloilo amin’ny lôhany amin’ny agnaran’ny Tômpo. 15 Ny vavaka atao amin’ny finoana mbôka no hagnavotra an’ilay tsy salama; ny Tômpo no hagnasitragna ananjy. Ary raha nanota izy dia havela ny helogny. 16 Araka izany, mifamosà heloka ianareo ary mifampivavaha mbôry izay ianareo ho sitragna.
Ny vavaka ataon’ny ôlo-marina dia mahery sady mandaitra. 17 Elia dia ôlona sahala amintsika. Nahatôzo nivavaka izy mbô tsy hagnorana ny andro dia tsy nilatsaka ny orana nandritra ny telo taona sy tapagny. 18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka orana ny lagnitra ka nahavokatra ny tany.
Izay mamerin-dôha ny ôlona mibirioka
19 Ô raôlona! Raha miala amin’ny fahamarinana ny iraika aminareo ka misy ôlona mamerin-dôha ananjy 20 dia tokony ho fantany fa izay mamerin-dôha ny mpanota hiala amin’ny lalana mibirioka dia hamonjy fagnahy tsy ho foaty sady hanakotra fahotana betsaka be.