1 Petera
Fiarahabana
1
Izaho Petera, Apostolin’i Jesoa Kristy no manoratra ity taratasy ity ho anareo miparitaka aigny Ponto, Galatia, Kapadokia, Azia sy Bitinia. 2 Nofidin’Andriamagnitra Ray mialoha ianareo ary nohamasinin’ny Fagnahy mbô hankatoavanareo an’i Jesoa Kristy sy hagnadiovana anareo amin’ny rany.Enga anie hitombo aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana.
Ny famonjena, fototry ny fanantenana sy ny firavoravoana
3 Isaorana Andriamagnitra, Rain’i Jesoa Kristy Tômpontsika. Nateragny indraika atsika araka ny hagedan’ny famindrampony mbô hanagnantsika fagnantegnana velona noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty, 4 mbô ho an’ny lova tsy mety maratra, tsisy loto, tsy mety levona, voakajy aigny an-dagnitra ho anareo. 5 Ny hasin’Andriamagnitra no miaro anareo amin’ny alalan’ny finoana, ho an’ny famonjena efa vognona haboagna amin’ny farandro.
6 Izany no iravoravoanareo raha ôhatra ka tsy maintsy hampiaretina raha mampangotsok’aty vetiketika amin’ny fitsapan-toetra isankarazany aza ianareo ankahitrio, 7 mbô hanjary antom-piderana sy voninahitra ary fankalazana amin’ny andro hiboagnan’i Kristy ny finoanareo voatsapa, izay lombolombon’ny volamena mbôla haratra na dia efa nandalo afo aza.
8 Tianareo Izy na dia tsy ary hitanareo aza. Inoanareo Izy na dia tsy ary hitanareo aza ka mitarika hafaliambe feno voninahitra aminareo. 9 Raisinareo amin’izany ny famonjena ny fagnahy, izay anton’ny finoanareo.
Ireo mpagnazary sy ny famonjena
10 Namotopototra izany famonjena izany ny mpagnazary, dia ireo nagnazary ny fahasoavana ho anareo. 11 Tegna nofotoranjareo ny mikasika ny andro sy ny raha hitranga voatondron’ny Fagnahin’i Kristy. Tagnatinjareo takao io Fagnahy io izay nitarea mialôha ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra afaran’izany.
12 Ary nampahafantarina ny mpagnazary fa tsy ho anjareo ny hafatra fa ho anareo. Ankahitrio indray dia ny mpitory ny Tarea Maharavo no milaza aminareo izany hafatra izany tamin’ny Fagnahy Masina izay avy aigny an-dagnitra. Na dia ny anjely koa aza te hahafantatra izany raha izany.
Ny fiaignana sy ny fitomboan’ny zanak’Andriamagnitra
13 Araka izany, atanjaho ny saignanareo ka mahaiza mifehy tegna ary mitamà ny fahasoavana izay hamena anareo amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy. 14 Aza mitondra tegna araka ny filanareo talôha tamin’ny tsy fahafantaranareo. 15 Fa mitondrà tegna sahala amin’ny zanaka hendry, mifagnaraka amin’ny fahamasinan’ilay nagnantso anareo. Tokony mbô ho masina koa ianareo amin’ny fitondrantegnanareo dahôlo 16 satria voasoratra hoe: “Tokony ho masina ianareo satria Masina Izaho” (Lev 11. 44).
17 Ary raha Ilay tsy magnavakavaka fa mitsara ny tsiraikaraika amin’ny asany no antsovinareo hoe Ray, dia mitondrà tegna tsara amin’ny fahatahorana mandritry ny andro maha vahiny anareo atỳ ambonin’ny tany.
18 Fantatrareo fa tsy tamin’ny raha mety maratra sahala amin’ny volafotsy na volamena no nagnavotana anareo
tamin’ny fomba fiaignana tsy manjary izay nolovainareo tamin’ny razagnareo,
19 fa tamin’ny ra sarobidin’i Kristy, izay ôhatra ny ran’ny zanak’ondry tsisy kilema sy tsisy pentina.
20 Talôhan’ny namoronana izao tontolo izao dia efa fantatra i Kristy,
fa noho ny aminareo dia naboagna Izy amin’izao andro farany izao.
21 Tamin’ny alalany no ninoanareo an’Andriamagnitra,
Ilay nanangana Ananjy tamin’ny maty ka nagname voninahitra Ananjy,
mbô hifotoran’ny finoanareo sy ny fagnantegnanareo amin’Andriamagnitra.
22 Satria efa nodiovinareo tamin’ny fagnarahana ny fahamarinana ho amin’ny fitiavana ny rahalahy amin’ny fo madio ny fagnahinareo, dia mifankatiava. 23 Efa nateraka indraika ianareo, tsy tamin’ny ambeoka mety lo, fa tamin’ny tsy mety lo, dia ny tenin’Andriamagnitra izay velona sady maharitra.
24 Sahala amin’ny ahitra ny ôlona dahôlo,
ary sahala amin’ny felany ny voninahiny.
Malazo ny ahitra ka mihintsagna ny felany;
25 fa ny tenin’ny Tômpo no maharitra mandrakizay (Isa 40. 6-8).
Tarea Maharavo izay notoriana taminareo izany teny izany.