2 Petera
Fiarahabana
1
Izaho Simona Petera, Apostoly sady gaognan’i Jesoa Kristy, no mamangy an’ireo ôlona nahazo finoana sarobidy sahala amin’ny nihinay, amin’ny fahamarinan’i Jesoa Kristy, Andriamagnitra sy Mpamonjy antsika: 2 Enga anie hampitomboina aminareo akao ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahafantarana an’Andriamagnitra sy Jesoa Tômpontsika.Mazotoa hampifototra ny fagnantsovana anareo
3 Efa namen’ny herin’Andriamagnitra ho antsika ny raha dahôlo ilaina hanagnantsika fiaignana mifagnaraka amin’izay tian’Andriamagnitra, amin’ny fahafantarana Ilay nagnantso antsika tamin’ny voninahiny sy ny fahatsarany. 4 Avy amin’izany no nagnamezana antsika ireo fampagnantegnana matomboka sady sarobidy, mbôry izay ianareo hanagna anjara amin’ny fomban’Andriamagnitra sady hilefa ny faharatsiana akeo amin’izao tontolo izao avy amin’ny filan-dratsy.
5 Dikan’izany, dia mikezaha mafy ianareo ka tovogno fahatanjahan-tsaigna ny finoanareo, ampeo fahaizana ny fahatanjahan-tsaignanareo, 6 araho fifehezan-tegna ny fahaizanareo, asevo faharetana ny fifehezan-tegnanareo, ampiaraho amin’ny fiaignana mifagnaraka amin’izay tian’Andriamagnitra ny faharetanareo, 7 ampeo fitiavana ny rahalahy ny fiaignana mifagnaraka amin’izay tian’Andriamagnitra ary tovogno fitiavana ny ôlona dahôlo ny fitiavanareo ny rahalahy akao amin’ny Tômpo. 8 Raha anagnanareo izany raha dahôlo izany, sady anagnanareo betsaka, dia tsy havelan’izany hipetra-poagna na tsy hamoa amin’ny fahafantarana an’i Jesoa Kristy Tômpontsika avy ianareo. 9 Fa izay tsy managna an’izany raha dahôlo izany dia mitovy amin’ny ôlona jamba: tsy mahatazan-davitra sady tsy mahatadidy fa izy anie ka efa nodiovina tamin’ny fahotany talôha. 10 Ka amin’izany raôlona, fangôho mafy ny fagnantsovana sy ny fifidianana anareo. Fa raha magnano an’izany raha dahôlo izany ianareo dia tsy ho lavo mihitsy 11 ary hovohana midagnadagna ho anareo ny Fanjakana mandrakizay izay an’i Jesoa Kristy, Tômpo sy Mpamonjy antsika.
12 Izany no antony hampahatsiahivako anareo foagnany an’izany raha dahôlo izany, na dia efa hainareo aza izany ary na dia efa tsy azo ahifika amin’ny fahamarinana izay anagnanareo aza ianareo. 13 Raha mbôla aketo amin’ity fiaignanaa mandalo ity izaho dia ataoko fa manjary ny hanaitairako anareo amin’ny fampahatsiahivana an’izany, 14 satria haiko fa ho tampoka ny hangalana anahy amin’ity fiaignana ity, araka ilay notenenin’i Jesoa Kristy Tômpontsika taminahy. 15 Ary ataoko izay vitako mbô hisy hahatsiarovanareo foagna an’izany raha dahôlo izany, rehefa maty izaho.
Efa hitanay maso ny fiandrianany
16 Tsy tamin’ny tantara valamaty miharo hafetsifetsena no nampahafantaranay anareo ny fahatongavan’i Jesoa Kristy Tômpontsika tamin’ny hasiny dahôlo, fa efa hitanay maso ny fiandrianany. 17 Namen’Andriamagnitra Ray laza sy voninahitra Izy, rehefa tonga Taminanjy tamim-boninahitra faratampony ny feo nagnano hoe: Ity no Zanako malalako, Izy no sitrako. 18 Regninay io feo avy taigny an-dagnitra io tamin’izahay niaraka Taminanjy taigny an-tampon-tanety masina. 19 Ary managna ny tenin’ny mpagnazary tsara fototra tokoatrany atsika, ka mbô tandremonareo tsara sahala amin’ny jiro mitaratra amin’ny toerana maizigna, mandrapahakiaka ny andro sy mandra-piboagnan’ny kintana fitarikandro agnatin’ny fonareo. 20 Alôhan’ny raha dahôlo, fantaro fa tsisy ôlona mahavita mamoaka ny hevitry ny azary amin’ny Soratra Masina amin’ny fahaizany irerika, 21 tsisy azary avy tamin’ny sitrapon’ny ôlona mbôka fa ny Fagnahy Masina no nitarika ny ôlona hikoragna ny raha avy tamin’Andriamagnitra.