Ireo mpagnely fampianarana sandoka
2
Talôha, tamin’ny vahoakan’Israely, dia nisy mpagnazary sandoka. Dia ôhatra izany koa, hisy mpampianatra sandoka ho tonga aminareo ka hampiditra an-tsokosoko ny fampianaran-diso izay mahavery sady misarika ôlona handà ny Tômpo izay nagnavotra ananjy. Hitarika fahaverezana tampoka ho anjareo izany raha dahôlo izany. 2 Betsaka ny ôlona hagnaraka anjareo hiliba. Takatry ny filibana dia hafokainjareo ny lalan’ny fahamarinana. 3 Langolangoinjareo amin’ny tantara valamaty ianareo noho ny fitiavanjareo vola. Efa vognona letry ny ela ny fagnamelohana anjareo ireo, ary ho avy tsy ho ela aminjareo ny faharavana.
4 Tsy napetrak’Andriamagnitra amin’izao fa noroasiny taigny amin’ny afobe ny anjely nanota ka notadeny tamin’ny maizigna handigny fitsarana. 5 Tsy narovan’Andriamagnitra tamin’ny safodrano izao tontolo izao talôha satria feno ôlona tsy nanjary fa Noa izay mpitory ny fahamarinana kosa, no navotany niaraka taminjareo fito mianaka. 6 Nomelohin’Andriamagnitra ny tanànan’ny Sodoma sy Gomora ka noravany tamin’ny afo. Nataony izany mbô hahaizan’ny ôlona tsy manjary ny raha ho avy aminjareo. 7 Kanefa navotan’Andriamagnitra kosa Lota, izay lehilahy marina satria nalahelo mafy izy nahita ny tsy fanjariana nataon’ireo ôlona ireo. 8 Nampalahelo mafy an’izany lehilahy marina izany isan’andro isan’andro zareo iray tanàna taminanjy, tamin’ny fahitany sy ny faharegnesany ny fandikan-dalàna nataon’ireo ôlona ireo. 9 Izany no mampiseho fa hain’ny Tômpo ny magnavotra ny ôlona tsy mivadika Aminanjy amin’ny fitsapana izay mety mahazo anjareo. Hainy koa ny mamangoka ny ôlona tsy manjary mbô hofaizina amin’ny andro fitsarana, 10 indrindraka fa ny mpiliba izay tsy magnahoa ny fahefan’ny Tômpo.
Ireo mpampianatra sandoka ireo dia mahasahisahy, be dohika ary tsy matahotra magnivaiva ny managna voninahitra. 11 Na dia ny anjely izay ikoizana amin’ny tanjaka sy ny hasina aza dia tsy nagnaratsy mbô hagnamelohana anjareo magnoloana ny Tômpo.
12 Fa ireo mpampianatra ireo dia ôhatry ny biby tsisy saigna izay natao hofandrihana sy hovonoina; magnasaha raha tsy hainy zareo; ho foatifoaty foagna sahala amin’ny biby zareo. 13 Hanody anjareo ny ratsy nataonjareo. Miliba atoandrolahin-jagnahary no mahafinaritra anjareo. Maramara saigna zareo ireo ary azoazony ny mamitaka anareo rehefa miara-miramarama ianareo. 14 Malanga sady tsy disaka manota ny masonjareo; langolangoinjareo ny ôlona tsy mifikitra tsara; tia vola be ireo ôlona ireo; ôlom-boaozogna zareo.
15 Efa niala ny lala-mahitsy zareo ka nivily nagnaraka ny lalan’i Balama, zanak’i Beora, izay mankafy ny karama azo avy amin’ny tsy fankatoavana. 16 Kanefa voaanatra tamin’ny fahadisoany izy: Ny ampondra moagna no niteny ôhatry ny ôlona ka nanakana ny hadalan’ilay mpagnazary.
17 Izy ireo dia sahala amin’ny lôharano ritra, rôndro atosiky ny rivotra ary efa mandigny ananjy ny haizin-kitroka. 18 Magnindrahindra raha tsisy dikany zareo ka ny ôlona vao avy niala ny lalan-diso no taominjareo hagnaraka ny filan’ny nofo sy ny filibana. 19 Mampagnantegna fahafahana zareo kanefa ny aignany aza andevozin’ny fahafinaretana manimba; izay mandresy ny ôlona no magnandevo anjareo. 20 Fa raha misy efa tafala tamin’ny fahalotoan’izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an’i Jesoa Kristy Tômpo sy Mpamonjy, nefa voasarik’izany indray ka resy, dia hanjary ratsy mandombolombo ny talôha izy. 21 Tsy alay avy ary zareo tsy nahay ny lalan’ny fahamarinana toy izay hibirioka hiala amin’ny didy masina namena ananjy. 22 Mahavoa ananjy ny fahamarinan’ny ôhabôlagna hoe: “Ny amboa no miverigna amin’ny raha naloany” (Oha 26. 11), ary “ny kisoavavy avy nampandroana no miverigna mihosim-potaka.”