Ny andron’ny Tômpo
3
Ô raôlona, ity no taratasy faharoa soratako ho anareo. Nataoko hanaitairana ny saignanareo sy hampahatsiahivana anareo ireo taratasy roa ireo 2 mbôry izay tadidinareo ny raha efa notaravin’ny mpagnazary masina sy ny didin’ny Tômpo sady Mpamonjy izay nampitain’ny Apostoly nirahina ho aminareo.3 Tsara ho hainareo voalôhany indrindra malôhany fa amin’ny andro farany dia ho avy ny mpagneso, izay ôlona mpiliba. Hagneso anareo zareo 4 ka hagnano hoe: Jesoa ma tsy efa nampagnantegna anareo fa ho avy? Aiza indray akeo? Efa lasan-ko razagna foagna ireo niandohanay kanefa mbôla tsisy raha niova letry nahatany ny tany.
5 Kinianjareo tsy tadidiana fa letry ny ela Andriamagnitra no nahary ny lagnitra sy ny tany. Tamin’ny teniny no nanavahan’Andriamagnitra ny tany tamin’ny rano ary nampivondrognany ananjy tampovoan’ny rano. 6 Safodrano koa no nandravana izao tontolo izao talôha. 7 Fangohan’io Teny io izao lagnitra sy tany ankahitrio izao mbô ho amin’ny afo amin’ny andro fitsarana sy fandripahana ny ratsy fagnahy.
8 Nefa raôlona, tadidionareo ity raha iraika ity: ny indray andro amin’ny Tômpo dia sahala amin’ny arivo taona, ary ny arivo taona dia sahala amin’ny indray andro. 9 Ny Tômpo dia tsy tara, ôhatra ny fiheveran’ny sanagny ananjy, amin’ny fagnatanterahana ny fampagnantegnana nataony. Fa mandigny anareo izy satria tsy tiany raha hisy ôlona ho very na dia iraika aza. Ny tiany dia mbô hibebaka dahôlo ny ôlona.
10 Fa ho avy sahala amin’ny mpangalatra ny andron’ny Tômpo. Ary amin’izany andro izany, ny lagnitra dia hirifatra, ho potiky ny afo ny raha aigny amin’ny lagnitra ary ho ripaka dahôlo ny tany sy ny raha vitany.
11 Raha ôhatra ma izany ka ho levona ny raha dahôlo dia fiaignana masina sy toe-pagnahy mifagnaraka amin’Andriamagnitra manakôry izany no tokony hanagnanareo? 12 Izany no andignesanareo sy agnanaovanareo izay hampalady ny andron’Andriamagnitra. Amin’izany andro izany, ho potiky ny afo ny lagnitra ary hiempo sy ho may ny raha dahôlo. 13 Nefa araka ny fampagnantegnany dia magnantegna lagnitra vaovao sy tany vaovao hanjakan’ny fahamarinana atsika.
Ny fahatsoran’ny Tômpo no famonjena anareo
14 Araka izany raôlona satria mandigny an’izany raha dahôlo izany ianareo, dia kajio tsara ny fihavanana mbô hadio sy tsy hagnan-tsigny magnoloana an’Andriamagnitra ianareo. 15 Ekeo ho famonjena ny fahatsoran’ny Tômpontsika, sahala ny voasoratr’i Paoly rahalahy malalantsika taminareo koa, izay mifagnaraka amin’ny fahendrena namena ananjy. 16 Sahala amin’izany koa ny nosoratany tagnatin’ny taratasiny dahôlo, izay nitaravany an’izany raha dahôlo izany. Misy raha saro-takarina agnatin’iregny izay avilin’ôlona tsy ampy fahaizana sy tsy mifikitra tsara, sahala ny agnanaovanjareo ny teny sanagny amin’ny Soratra Masina koa, ka miteraka fahaverezana ho an’ny aignany.
17 Satria efa hainareo lasiteo izany raha izany, raôlona, dia tandremo fa sao dia voasariky ny fahadisoan’ny ratsy fagnahy ianareo ka ho lavo hiala amin’izay nifikiranareo. 18 Mitomboa raôlona amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Jesoa Kristy, Tômpo sy Mpamonjy antsika. Enga anie ho Ananjy ny voninahitra amin’izao sy mandrakizay! Amena.