1 Jaona
Ny Tarean’ny Fiaignana
1
Magnambara aminareo mikasika ny Tarean’ny Fiaignana izay efa nisy letry tam-boalôhany izahay, izay efa regninay, efa hitan’ny masonay, efa nodinihinay sady efa notsapain’ny tagnanay. 2 Niboagna ny fiaignana sady efa hitanay. Manjary vavolombelon’izany izahay ary mitarea aminareo ny fiaignana mandrakizay, izay tamin’ny Ray sady efa naboagna taminay. 3 Izay efa hitanay sy regninay no taravinay aminareo koa, mbô hanagnanareo fifandraisana aminay; ary ny fifandraisanay dia miaraka amin’ny Ray sy amin’i Jesoa Kristy Zanagny. 4 Nosoratanay izao raha izao mbô ho feno ny fifaliantsika.
Mandeha amin’ny mazava
5 Izao no raha regninay tamin’i Jesoa Kristy ka taravinay aminareo: Mazava Andriamagnitra, ary tsisy maizigna Aminanjy akao.
6 Raha hozy atsika: Managna fifandraisana Aminanjy atsika, kanefa mandeha amin’ny maizigna, dia mandainga izany atsika ka tsy magnano ny marina. 7 Fa raha mandeha amin’ny mazava atsika, sahala Aminanjy akeo amin’ny mazava, dia managna fifandraisana atsika samby atsika, ary ny ràn’i Jesoa Zanagny no magnadio atsika ho afaka amin’ny fahotana dahôlo.
8 Raha hozy atsika: Tsy magnana fahotana atsika, dia mamita-tegna, ary tsy akao agnatintsika ny marina. 9 Raha mamôsa ny fahotantsika atsika, atokisana sy marina Andriamagnitra ka hamela ny fahotantsika sy magnadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana dahôlo. 10 Raha hozy atsika: Tsy nanagna fahotana atsika, dia mampandainga an’Andriamagnitra sady tsy agnatintsika ny Tareany.