2 Jaona
Fiarahabana sy firarian-tsoa
1
Izaho lohôlona dia mamangy an’ilay Ramatoa voafidin’Andriamagnitra sy ny zanagny, izay tegna tiako. Tsy izaho irerika foagna no tia anareo fa izay ôlona dahôlo mahafantatra ny marina koa. 2 Mipetraka agnatintsika mbôka ny fahamarinana sady miaraka amintsika mandrakizay. 3 Enga anie ho amintsika ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana, avy amin’Andriamagnitra Ray sy Jesoa Kristy Zanaky ny Ray, mbô hiaignantsika amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana!Ny didy avy amin’ny Ray
4 Faly be izaho nahita ny zanao sanagny miaigna amin’ny fahamarinana araka ny didy noraisintsika tamin’ny Ray. 5 Ary ankahitrio, ramatoa, izao no raha angatahiko aminao, tsy hoe didy vaovao no soratako aminao fa ilay didy noraisintsika letry tam-boalôhany: Mifankatiava atsika. 6 Ny fitiavana dia ny miaigna ny didin’Andriamagnitra. Efa regninareo letry tam-boalôhany mbôka fa ny didiny dia ny hiaignanareo ny fitiavana.
Ny fampianaran’i Kristy
7 Betsaka ny mpamitaka izay miparitaka erak’izao tontolo izao. Zareo iregny mbôka dia tsy magneky fa nanjary ôlombelona tokoatra Jesoa Kristy. Iregny no mpamitaka sy antikristy. 8 Tandremo mbô tsy ho very ny raha namonoanay tegna fa tokony handraisanareo valisoa feno.
9 Ny ôlona tsy magnaraka ny fampianaran’i Kristy fa mihoa-pefy dia tsy managna an’Andriamagnitra. Izay magnaraka an’izany fampianarana izany no managna ny Ray sy ny Zanaka. 10 Raha misy ôlona tonga aminareo, ka tsy mitondra an’izany fampianarana izany, dia aza mampandroso an-dragno na miarahaba ananjy avy. 11 Izay miarahaba ananjy mbôka dia miray tsikombakomba amin’ny raha ratsy ataony.
Mirasa volagna
12 Betsaka ny raha tiako taravina, kanefa tsy tiako soratana amin’ny taratasy sy ranomainty izany. Magnantegna mbôka izaho fa ho avy aigny aminareo aigny ka hiresaka mivantagna aminareo mbôry izay ho ampoka ny hafaliana atsika.
13 Mampamangy hozy ny zana-drahavavinao, izay voafidin’Andriamagnitra.