3 Jaona
Fiarahabana
1
Izaho lohôlona no manoratra ho an’i Gaio, ilay namako be, izay tegna tiako.
2 Ô ry namako tiako, ny raha angatahiko amin’Andriamagnitra dia mbô hambinina amin’ny raha dahôlo sy ho salama tsara ianao, sahala amin’ny nagnambinana ny fagnahinao.
Gaio sy ireo misionera mpitety tany
3 Hafaliana ma ny anahy rehefa nisy rahalahy tonga nijoro vavolombelona fa niaigna sy nifikitra tamin’ny fahamarinana ianao. 4 Ny raha tegna mahafaly anahy dia ny maharegny fa miaigna ny fahamarinana ny zanako.
5 Ô ry namako tiako, azo antoka ianao amin’ny raha dahôlo ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza zareo. 6 Nijoroanjareo vavolombelona tagnatrehan’ny fiangonana ny fitiavanao. Manjary raha mamatsy anjareo ianao amin’ny dia ombanjareo, araka izay mety hatao amin’Andriamagnitra. 7 Fa avy amin’ny Agnaran’i Kristy mbôka no nandehananjareo, ka tsy nandray na ino na ino tamin’ny Jentilisa zareo. 8 Araka izany dia adidintsika ny manohagna ny ôlona sahala amin’izany mbô hahatonga antsika ho mpiara-miasa aminjareo amin’ny fahamarinana.
I Diotrefa sy i Demetrio
9 Nanoratra tamin’ny fiangonana izaho, nefa izahay dia tsy nahoan’i Diotrefa, izay te ho lôhany amin’ny ôlona dahôlo. 10 Araka izany, rehefa tonga izaho, dia habaribaribariko ny tsy fanjariana nataony amin’izy miteniteny foagna magnaratsy anay. Tsy vitan’izany avy: Tsy mampandroso an-dragno ireo mpino izy, ary izay te hampandroso an’ireo indray dia sakanany sy roasiny hiala amin’ny fiangonana.
11 Ô ry namako tiako, aza mangala tahaka ny ratsy fa ny tsara. Izay magnano ny tsara no avy amin’Andriamagnitra; fa izay magnano ny ratsy indray tsy mbô nahita an’Andriamagnitra.
12 Tsara laza amin’ny ôlona dahôlo i Demetrio ary mijoro vavolombelona amin’izany koa ny fahamarinana. Izahay koa dia mijoro vavolombelona ny amin’izany, ary fantatrao fa marina ny raha taravinay.
Andro iraika koa miharo
13 Betsaka ny raha tiako ho taravina aminao, kanefa tsy tiako ho soratana amin’ny penina sy ny ranomainty izany. 14 Fa magnantegna hahita anao malaky izaho, dia hiresaka mivantagna atsika.
15 Enga anie ho aminao ny fiadanana! Mampamangy hozy ny namana atỳ. Mampamangy aigny amin’ny namantsika aigny, aminjareo tsiraikaraika avy.