Joda
Fiarahabana
1
Izaho Joda, gaognan’i Jesoa Kristy sy rahalahin’i Jakoba no manoratra an’ity taratasy ity. Ho an’ny ôlona voaantson’Andriamagnitra Ray sady tiany ary voaaro ho an’i Jesoa Kristy. 2 Enga anie hampitomboina aminareo ny famindrampo sy ny fiadanana ary ny fitiavana.Ireo magnaparitaka ny fampianaran-diso
3 Ô ry havako tiako! Te hanoratra mafy ho anareo momba ny famonjena itambarantsika izaho. Kanefa voatery handefa an’ity taratasy ity ho anareo izaho mbô ho famporisihina anareo hiady mafy hiaro ny finoana, izay efa natolotra indray mandeha monja ho an’ny ôlona masina. 4 Misy ôlona mbôka tafiditra an-tsokosoko aminareo akao. Ireo ôlona tsy manjary ireo dia mamadika ny fahasoavan’Andriamagnitsika mbô hahafahany magnano tsy fanjariana ary zareo ireo koa dia mandà an’i Jesoa Kristy, izay Tômpo sy Mpanjaka tokana. Efa voasoratra letry ny ela ny fagnamelohana anjareo ireo.
5 Tiako ny mampatsiahy anareo an’ireto raha ireto na dia efa fantatrareo aza: Na dia efa navotan’ny Tômpoa ho afaka taigny Ejipta aza ny vahoakany kanefa dia mbôla naripagny ihany tafaran’igny izay ôlona tsy nino Ananjy. 6 Tadidio fa ny anjely izay tsy nitàna ny fahefana namena ananjy fa niala tamin’ny fonenany dia nogadrain’Andriamagnitra mandrakizay tagnaty haizin-kitroka mandra-piavian’ilay andro matomboka fitsarana. 7 Sahala amin’izany koa ny tantaran’i Sodoma sy Gomora ary ny tanàna magnodidina ananjy: Ny ôlona takao dia nalanga ary nagnano firaisana mifanohitra amin’ny natiora. Afo maharitra mandrakizay mbôka no sazy mandigny anjareo ireo ka ataovy anatra ho anareo.
8 Kanefa sahala amin’izany koa ny ataon’ireo ôlona tsy manjary akeo aminareo ireo: Ny nofinofiny no mitarika ananjy hametaveta ny vatantegnany sy handà ny fahefan’ny Tômpo ary hanivativa ny manam-boninahitry ny lagnitra. 9 Kanefa rehefa niady nifamaly ny fatin’i Mosesy ny devoly sy ny arikanjely Mikaela dia tsy nahasaky nitsara sy nanivativa an’ny devoly izy, fa hozy foagnany: Avilay ny Tômpo no hagnafay anao.
10 Ireo ôlona ireo kosa indray dia nanivativa ny raha tsy hainy ary ny raha kely fantany ho azy, sahala amin’ny fahalalana anagnan’ny biby tsisy saigna, no amotehany ny tegnany. 11 Ho azon-draha ireo ôlona ireo! Ny lalana nandehanan’i Kaina no narahinjareo, ny lalan-dison’i Balama no naharoboka anjareo mbô hahazoany tombony, ny fikomiana sahala amin’ny nataon’i Kora no nataonjareo ka naharipaka anjareo.
12 Iregny ôlona iregny no magnakorontagna ny ramaramanareo, sady tsy mahalala megnatra fa misesika foagna ary tsy mahafantatra afa-tsy ny kibony. Sahala amin’ny rôndro tsy mahalatsaka orana ka indesin’ny rivotra zareo ireo. Sahala amin’ny kakazo tsy mamoa koa zareo ireo na dia amin’ny fotoana fahavokarany aza ka sady indroay maty no voaongotra mbam-pakany. 13 Sahala amin’ny onjan-dranomasina misafôntagna zareo mamoaka ny raha mahamegnatra ataonjareo ary sahala amin’ny kintana tsy mahatombin-tsiraka ka mandigny anjareo ny haizin-kitroka mandrakizay.
14 Enoka, taranaka fahafito nagnaraka an’i Adama, dia efa naminagny mikasika an’ireo ôlona ireo ka hozy: Zahavo! Avy miaraka amin’ny anjeliny masina tsy tambo isaina ny Tômpo 15 mbô hitsara ny ôlona dahôlo. Izy no hagnameloka ny ôlona ratsy fiaignana noho ny haratsiam-piaignany sy ny tsy fanjariana nataony sy noho ny taim-bava nataony mbô hanoherana Ananjy.
16 Ireo ôlona ireo dia tsy mety faly sady mimenomenona tsisy fiafarany ary magnaraka ny filàn-dratsinjareo; miendaenda firesaka zareo ary mandokadoka ôlona mbô hahazoanjareo raha.
Hafatrafatra ho an’ny mpino
17 Fa ianareo indray ry havako tiako, mbô tsarôvy ny raha efa notaravin’i Apostolin’i Jesoa Kristy Tômpontsika taminareo. 18 Izao mbôka ny raha notaraviny taminareo: Amin’ny andro farany dia hisy mpagnafokafoka izay magnaraka ny filàn-dratsiny. 19 Ireo ôlona ireo no ampisaratsaraka anareo, izany hoe ôlona mandeha araka ny nofo foagnany fa tsy araka ny Fagnahin’Andriamagnitra.
20 Fa ianareo indray ry havako tiako, tohizo ny fagnanaovanareo ny finoana masina be ho fototry ny fiaignanareo ary mivavaha miaraka amin’ny fagnampian’ny Fagnahy Masina. 21 Am-pandignesana ny famindrampon’i Jesoa Kristy Tômpontsika izay hagname fiaignana mandrakizay dia tano ny fitiavan’Andriamagnitra anareo.
22 Amindrao fob izay misalasala; 23 ny hafa indray, ho famonjena ananjy dia sintono hiala agnaty afo; amindrao fo koa ny sisa ambiny kanefa mitandrema: Ataovo mamparikoriko anareo na dia ny akanjo voaloton’ny filàn’ny nofo aza.
Fiderana farany
24 Enga anie ho an’Ilay mahay miaro anareo mbô tsy ho lavo, sy mahay manangana anareo mbô ho tsisy kianina sady ho ampoky ny hafaliana magnoloagna ny voninahiny, 25 dia ho an’Andriamagnitra tokana, Mpamonjy antsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tômpontsika ny voninahitra sy ny fiandrianana, ny fanjakana sy ny fahefana letry talôha sy ankahitrio ary mandrakizay! Amena.