Apokalipsy
Fampidirana
1
Izao ny fagnambarana nataon’i Jesoa Kristy mikasika ny raha tsy maintsy ho avy tsy ho ela; namen’Andriamagnitra Ananjy izany mbô hazava amin’ny gaognany. Nasain’i Jesoa Kristy hilaza an’izany amin’i Jaona gaognany ny anjeliny. 2 Ary i Jaona indray nilaza an’izay raha dahôlo hitany, dia ny tenin’Andriamagnitra sy ny fagnambaran’i Jesoa Kristy.3 Sambatra ny ôlona mamaky sy mitaino ny tenin’ity faminaniana ity, ka mankatô an’izay raha voasoratra agnatiny satria efa ampotomoty ny fotoana hahatongavan’izany raha izany.
Fiarahabana ny Fiangonana fito
4 Izaho, Jaona, dia mamangy ny Fiangonana fito aigny Azia: Enga anie ho aminareo ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay talôha sy ankahitrio ary ho avy; sy avy amin’ny Fagnahy fito izay akeo agnoloanan’ny seza fiandrianany; 5 ary avy amin’i Jesoa Kristy, Ilay Vavolombelona azo atokisana sy Lahimatoa amin’izay mitsangana amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka ambonin’ny tany.
Tia antsika Izy, nagnala antsika mbô ho afaka tamin’ny fahotantsika tamin’ny rany, 6 nagnano antsika mbô hanjary fanjakana dia mpisorogna ho an’Andriamagnitra Rainy; enga anie ho Ananjy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amena!
7 Zahavo! Avy amin’ny rôndro Izy.
Hahita Ananjy ny ôlona dahôlo,
na dia ilay nanomboka sabô Ananjy aza;
ary Izy no antony hitomagnian’ny firenena dahôlo ambonin’ny tany.
Ieny, Amena!
8 Hozy ny Tômpo Andriamagnitra: Izaho no Alfa sy Omega, Ilay ankahitrio sy talôha ary ho avy, dia Ilay mahefa ny raha dahôlo.
Ny raha hitan’i Jaona
9 Takao amin’ny nosy Patmo avy amin’ny tenin’Andriamagnitra sy ny fagnambarana mikasika an’i Jesoa, izaho Jaona, ilay mpino namanareo, izay mifampizara aminareo ny fijaliana, ny fanjakana ary ny fiaretana amin’ny fiarahana amin’i Jesoa. 10 Tamin’ny andron’ny Tômpo, niasa taminahy ny Fagnahy Masina ka naharegny feo mafy be sahala amin’ny feona trompetra tan-dakamboko izaho 11 nagnano hoe: Sorato agnaty horognana boky izay raha hitanao ka ampairo ho aigny amin’ny Fiangonana fito, dia Efesosy, Smirna, Pergamosy, Tiatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia.
12 Dia niherika izaho mbô hizaha ilay nitarea taminahy ka nahita fitoeranjiro volamena fito. 13 Takeo agnivon’ny fitoeranjiro dia nisy raha iraika sahala amin’ny ôlona, misarogna akanjo lava hatrakaigny amin’ny tongony ary nagnano samboady volamena tamin’ny tratrany. 14 Fotsy sahala amin’ny volona ondry fotsy, sahala amin’ny fanala, ny lôhany sy ny volony; sahala amin’ny lelan’afo ny masony; 15 sahala amin’ny varahigna mangarangarana avy nodiovina tamina lafaoro ny tongony, ary sahala amin’ny rano riagna migorodagna ny feony. 16 Nisy kintana fito tan-tagnany ankavagnana; nisy sabatra maragnitra misy lelany roay nivoaka avy tam-bavany, ary sahala amin’ny masoandro midaraka be ny tarehiny.
17 Raha vao nahita Ananjy izaho, tonga dia lavo niankohotra sahala amin’ny maty, takeo amin’ny tongony. Kanefa napetragny taminahy ny tagnany ankavagnana, dia hozy:
Aza matahotra avy! Izaho ny Voalôhany sy Farany, 18 dia Ilay velona. Efa maty Izaho, kanefa amin’izao, velona mandrakizay tsisy laloaniny. Izaho no mitàna ny lakilen’ny fahafatesana sy ny toerana misy ny maty. 19 Araka izany dia sorato izay raha hitanao, na izay amin’izao na izay mbôla ho avy afaran’izao. 20 Izao ny raha misitrika mikasika ny kintana fito hitanao tan-tagnako ankavagnana sy ny fitoeranjiro volamena fito: Ny kintana fito dia ny anjelin’ny Fiangonana fito, ary ny fitoeranjiro fito dia ny Fiangonana fito.