Taratasy ho an’ny Fiangonana aigny Efesosy
2
Izao ny raha sorato ho an’ny anjelin’ny Fiangonana aigny Efesosy:
Izao no lazain’Ilay mitàna ny kintana fito tan-tagnany ankavagnana sady mandeha agnivon’ny fitoeranjiro volamena fito: 2 Haiko ny asanao sy ny fikelezanao aigna ary ny faharetanao. Haiko fa tsy zakanao ny ôlona mpagnano ratsy. Notsapainao fagnahy izay ôlona milaza ny tegnany ho Apostoly kanefa tsy izy avy; ary hitanao fa mpandainga zareo. 3 Mahadigny raha ianao ka niari-draha avy tamin’ny Agnarako sady tsy disaka. 4 Kanefa misy raha taraviko aminao satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalôhany ianao. 5 Araka izany, tadidio ny toerana nisy anao tamin’ny ianao mbôla tsy lavo, dia mibebaha ka magnanaova ny asa voalôhany nataonao; raha tsy izany dia ho hitanao tsara Izaho ary halàko amin’ny toerany ny fitoeranjironao raha tsy mibebaka ianao. 6 Kanefa izao ny raha tsara nataonao: Halanao ny raha ataon’i Nikolaita, ary halako koa.
7 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izay raha taravin’ny Fagnahy amin’ny Fiangonana dahôlo!
Izay mandresy dia avelako hihinana ny voany avy amin’ny kakazon’aigna izay akeo amin’ny Paradisan’Andriamagnitra.
Taratasy ho an’ny Fiangonana aigny Smirna
8 Izao ny raha sorato ho an’ny anjelin’ny Fiangonana aigny Smirna: Izao no lazain’ny Voalôhany sy ny Farany, izay efa maty ka velona indray. 9 Haiko ny fijalianao sy ny fahantranao kanefa ianao manankarena. Haiko koa ny fitaravana raha tsy manjary ataon’ôlona izay milaza ny tegnany ho Jiosy kanefa tsy izy avy fa sinagogan’i Satana. 10 Aza matahotra amin’izay raha hiaretanao. Tandremo! Hampidirin’ny devoly aigny am-pigadrana ny sanagny aminareo mbô hotsapaina fagnahy, ka hijaly mandritry ny folo andro. Mila mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao dia hameko anao ny satroboninahitra ny fiaignana.
11 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izay raha taravin’ny Fagnahy amin’ny Fiangonana dahôlo!
Izay mandresy dia tsy ho azon’ny fahafatesana faharoa.
Taratasin’ny Fiangonana aigny Pergamosy
12 Izao ny raha sorato ho an’ny anjelin’ny Fiangonana aigny Pergamosy:
Izao no raha taravin’Ilay managna ny sabatra maragnitra misy lelany roay: 13 Haiko ny tany misy anao; haiko fa akao no misy ny seza fiandrianan’i Satana. Mifikitra amin’ny Agnarako ianao ka tsy nialanao ny finoana Anahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy vavolombeloko avy aza. Lehilahy azoko nitokisana izy, novonoina tagnivonareo, tamin’ny tany nisy an’i Satana. 14 Kanefa misy raha taraviko aminao: Aminao akao, misy mifikitra amin’ny fampianaran’i Balama, izay nagname lôha an’i Balaka hagnano raha hamandrihana ny Zanak’Israely, mbô hihinan-kena avy naterina tamin’ny sampy sy mbô hilangalanga. 15 Dia sahala amin’izany koa, misy aminao akao mifikitra amin’ny fampianaran’ny Nikolaita. 16 Mibebaha! Fa raha tsy izany dia ho avy malady aminao aigny Izaho, hanomboka anjareo amin’ny sabatra mivoaka amin’ny vavako.
17 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izay raha taravin’ny Fagnahy amin’ny Fiangonana dahôlo!
Izay mandresy dia hameko mana misitrika sady hameko vato fotsy. Amin’izany vato izany dia misy agnarana vaovao voasoratra izay tsisy ôlona mahay afa tsy izay mandramby ananjy foagnany.
Taratasy ho an’ny Fiangonana aigny Tiatira
18 Izao ny raha sorato ho an’ny anjelin’ny Fiangonana aigny Tiatira:
Izao no raha taravin’ny Zanak’Andriamagnitra, Ilay managna maso sahala amin’ny lelan’afo sy tongotra sahala amin’ny varahigna mangarangarana: 19 Haiko ny asanao, ny fitiavanao, ny finoanao, ny asa fanompoana ataonao, ary ny faharetanao. Haiko koa fa ny asanao tamin’ny farany dia betsaka raha mitaha amin’ny tamin’ny voalôhany. 20 Kanefa misy raha taraviko aminao: Ianao karaha mandefitra amin’ilay vehivavy Jezebela, ilay milaza ny tegnany ho mpagnazarivavy ka mitaoma ny gaognako hilangalanga sy hihinan-kena avy naterina tamin’ny sampy. 21 Nameko fotoana hibebahana izy kanefa tsy nety mibebaka amin’ny filangalangany. 22 Araka izany dia ataoko mandamaka am-pandriana izy, ary izay ôlona milangalanga aminanjy dia hampijaliako mafy raha tsy mibebaka amin’ny asan’ilay vehivavy. 23 Hovonoiko ny zanagny; ary ho hain’ny Fiangonana dahôlo fa Izaho no mahay ny raha agnatin’ny voa sy ny fon’ny ôlona. Ary samby hovaliako araka izay asa ataony avy ianareo dahôlo. 24 Fa ianareo izay tavela akao amin’ny Fiangonana aigny Tiatira, izay tsy nifikitra tamin’izany fampianarana izany, sady tsy tia hahafantatra ilay raha antsovinjareo hoe: Hevidalign’i Satana, dia izao ny raha taraviko aminareo: Tsy hampitondrako entana mavesatra ianareo. 25 Kanefa tano mafy izay anagnanareo mandra-piveregnako.
26-27 Izay mandresy ka magnano ny asako hatramin’ny farany, araka ny fampianarako, dia hameko fahefana amin’ny firenena dahôlo, araka ilay fahefana azoko tamin’i Dadaiko. Hiambina anjareo amin’ny anjera vy izy ary ho potipotehiny sahala amin’ny mamotika vilagny tany zareo. 28 Ary ameko ananjy ny kintana fitarikandro.
29 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izay raha taravin’ny Fagnahy amin’ny Fiangonana dahôlo!