Taratasy ho an’ny Fiangonana aigny Sardisy
3
Izao ny raha sorato ho an’ny anjelin’ny Fiangonana aigny Sardisy:Izao no lazain’Ilay managna ny Fagnahy fiton’Andriamagnitra sy ny kintana fito: Haiko ny asanao. Haiko koa fa malaza hoe velona ianao, kanefa maty. 2 Mifohaza! Hamafiso tsara ny raha sisa tavela sy mitady ho foaty satria hitako fa tsy vita araka ny tokony ho izy ny asanao takeo agnatrehan’Andriamagnitro. 3 Dia tadidio ny raha regninao sy noraisinao; mifikira amin’izany ka mibebaha. Raha tsy miambina mbôka ianao dia ho avy tampoka aminao sahala amin’ny mpangalatra Izaho ary tsy ho fantatrao avy izay lera hiaviako. 4 Kanefa misy ôlona vitsivitsy atỳ aminao atỳ Sardisy izay tsy mbô nandoto ny akanjony. Hiaraka Aminahy zareo ireo ary hagnano akanjo fotsy satria mendrika anjareo izany.
5 Izay mandresy dia hagnano akanjo fotsy sahala aminjareo koa. Tsy hofafako agnatin’ny bokin’ny fiaignana izany mihitsy ny agnarany, fa ho ekeko akeo agnatrehan’i Dadaiko sy agnatrehan’ny anjeliny.
6 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izay raha taravin’ny Fagnahy amin’ny Fiangonana dahôlo!
Taratasy ho an’ny Fiangonana aigny Filadelfia
7 Izao ny raha sorato ho an’ny anjelin’ny Fiangonana aigny Filadelfia:
Izao no lazain’Ilay Masina, Ilay marina, Ilay mitàna ny lakilen’i Davida, Ilay manokatra ka tsisy mahavoahidy, Ilay magnidy ka tsisy mahavoasokatra: 8 Haiko ny asanao. Haiko koa fa kely ny herinao kanefa nankatoavinao ny teniko ary tsy nolavinao ny Agnarako. Zahavo fa nasiako varavaragna misokatra magnolôana anao ary tsisy ôlona mahavoahidy. 9 Zahavo fa ataoko miankohotra amin’ny tongotrao ireo ôlona avy amin’ny sinagogan’i Satana. Milaza ny tegnany ho Jiosy zareo kanefa tsy izy fa laingany avy izany. Ary hataoko fantanjareo fa efa tiako ianao. 10 Efa nifikitra tamin’ny teniko tamin’ny faharetana ianao, dia Izaho indray no hiaro anao ho voavonjy amin’ny andron’ny fakam-pagnahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao mbô ho fitsapam-pagnahy ny ôlona dahôlo. 11 Ho avy tsy ho ela Izaho. Tano mafy izay anagnanao mbô tsisy hialaka ny satroboninahitrao.
12 Izay mandresy dia hataoko andriambo amin’ny Tempolin’Andriamagnitro ary tsy hiala akao intsony izy. Hosoratako amin’io andriambo io ny agnaran’Andriamagnitro sy ny agnaran’ny tanànan’Andriamagnitro. Io tanàna io ilay Jerosalema vaovao izay midigna avy aigny an-dagnitra, avy aigny amin’Andriamagnitro. Hosoratako amin’io andriambo io koa ilay agnarako vaovao.
13 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izay raha taravin’ny Fagnahy amin’ny Fiangonana dahôlo!
Taratasy ho an’ny Fiangonana aigny Laodikia
14 Izao ny raha sorato ho an’ny anjelin’ny Fiangonana aigny Laodikia:
Izao no lazain’Ilay antsovina hoe: Amena, Ilay Vavolombelona azo atokisana sy marina, Ilay niandohan’izao raha dahôlo noforonin’Andriamagnitra izao. 15 Haiko ny asanao. Haiko koa fa sady tsy lagnin’ny mangatsiaka ianao no tsy lagnin’ny mafana. Ny manjary aminao dia na ianao mangatsiaka na ianao mafana! 16 Kanefa ianao matimaty, sady tsy lagnin’ny mangatsiaka ianao no tsy lagnin’ny mafana; araka izany dia haloan’ny vavako ianao. 17 Hozy ianao: Manankarena izaho, nihary fanagnana betsaka, tsisy raha mampahory anahy, kanefa tsy fantatrao fa ianao ilay maforaigna, sahirana, mahantra, jamba ary miboridagna. 18 Araka izany, izao no torohevitra ameko anao: Mividiana volamena voadio tamin’ny afo atỳ Aminahy mbôry izay hanankarena ianao; mividiana akanjo fotsy atỳ Aminahy koa hagnanaovanao mbôry izay ianao tsy megnatra satria miboridagna; ary mividiana fagnafody maso atỳ Aminahy hataonao amin’ny masonao mbôry izay ianao hahita. 19 Izay ôlona dahôlo tiako no anariko sy faiziko; araka izany, mazotoa ianao ary mibebaha. 20 Efa am-baravaragna aketo Izaho izao, mandondòna. Raha misy ôlona maharegny ny feoko ka mamoha ny varavaragna, dia hiditra an-dragnony akao Izaho ka hiaraka hihinana aminanjy ary izy koa hiaraka hihinana Aminahy.
21 Izay mandresy dia havelako hiaraka hiantohotra Aminahy akeo amin’ny seza fiandrianako, sahala amin’ny nandreseko sy niarahako niantohotra amin’i Dadaiko akeo amin’ny seza fiandrianany.
22 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izay raha taravin’ny Fagnahy amin’ny Fiangonana dahôlo!