Ny seza fiandrianan’Andriamagnitra sy ny fanompoam-pivavahana aigny an-dagnitra
4
Tafaran’izany, dia nahita varavaragna nisokatra taigny an-dagnitra izaho; ary ilay feo regniko tamin’ny voalôhany, ilay sahala amin’ny feona trompetra igny, dia nitarea taminahy hoe: Miakara atỳ, dia haboagnako aminao izay raha dahôlo tsy maintsy ho avy magnaraka akeo.
2 Niaraka tamin’izay, tonga dia niasa taminahy ny Fagnahy Masina. Dia hitako fa nisy seza fiandrianana iraika taigny an-dagnitra; ary nisy Iraika niantohotra tambonin’ilay seza fiandrianana. 3 Ary ny tarehin’Ilay niantohotra takeo dia sahala amin’ny vato jaspy sy karneola iregny, ary nisy fangalabaràgna sahala amin’ny emeraoda iregny nagnodidigna ny seza fiandrianana.
4 Nagnodidigna an’ilay seza fiandrianana iraika dia nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo. Ary tambonin’ireo seza fiandrianana ireo dia nisy lohôlona efatra amby roapolo niantohotra, samby nagnano akanjo fotsy sy satroboninahitra volamena.
5 Nisy tselaka sy kotroka ary feon-draha nivoaka avy tamin’ilay seza fiandrianana. Ary nisy jiro fito nirehitra tagnoloanany; ireo jiro ireo no Fagnahy fiton’Andriamagnitra. 6 Nisy raha sahala amin’ny ranomasina fitaratra, sahala amin’ny vato kristaly iregny tagnoloanan’ilay seza fiandrianana.
Tamin’ilay seza fiandrianana sy magnodidigna ananjy dia nisy raha managna aigna efatra, samby rakotra maso dahôlo ny avy tagnoloanany sy tandakambòny. 7 Ilay raha magnana aigna voalôhany dia sahala amin’ny liona iregny; ilay faharoa dia sahala amin’ny zanaka aomby; sahala amin’ny tarehin’ôlona ny tarehin’ilay fahatelo, ary sahala amin’ny voromahery magnembagna ilay fahefatra. 8 Ireo raha managna aigna efatra ireo dia samby managna embagna enina avy, ary feno maso dahôlo ny vatagny, ny ambelagny ka hatraigny agnatiny. Magnalin’andro mahakekandro’andro, dia tsy manangana mamerimberigna an’izao foagna zareo:
Masina, masina, masina
ny Tômpo Andriamagnitra mahefa ny raha dahôlo,
Ilay talôha sy ankahitrio ary ho avy.
9 Isaky ny magname haja sy voninahitra an’Ilay miantohotra akeo ambonin’ny seza fiandrianana, dia ilay velona mandrakizay tsisy laloaniny, ireo raha managna aigna efatra, ary isaky ny magname fisaorana Ananjy zareo, 10 dia miankohotra magnoloana an’Ilay miantotra amin’ny seza fiandrianana ireo lohôlona efatra amby roapolo ka mivavaka amin’Ilay velona mandrakizay tsisy laloaniny. Ary atsipinjareo akeo agnoloanan’ny seza fiandrianana ny satroboninahitranjareo sady hozy zareo:
11 Ô Tômponay sy Andriamagnitray!
Ianao no mendrika handray ny haja sy ny voninahitra ary ny hery
satria Ianao no namorona ny raha dahôlo,
ary avy amin’ny sitraponao no nampisy sy namoronanao anjareo.