Ny horognana boky misy fitomboka fito
5
Ary hitako fa nisy horognana boky tan-tagnana ankavagnan’Ilay niantotra tambonin’ny seza fiandrianana. Voasoratra avy tagnatiny sy tambelagny io boky io sady voahidy mafy tamin’ny fitomboka fito. 2 Dia hitako koa fa nisy anjely mahery nagnantso mafy hoe: Iza ma no mendrika hanokatra sy hangala ny fitomboka amin’ny horognana boky? 3 Kanefa tsisy nahasokatra ary tsisy nahavita nijery an’ilay boky, na ny taigny an-dagnitra, na ny tambonin’ny tany, na ny taigny ambanin’ny tany. 4 Dia nigololoka nitomagny izaho satria tsisy ôlona mendrika hanokatra na hijery an’ilay boky. 5 Kanefa nitarea taminahy ny iraika tamin’ny lohôlona nagnano hoe: Aza mitomagny! Zahavo fa efa nandresy ilay Liona avy aigny amin’ny firenen’i Joda, Ilay taranak’i Davida. Izy no hagnokatra ny boky sy hangala ny fitomboka fito.6 Dia nahita Zanaka Ondry sahala amin’ny efa novonoina izaho. Io Zanaka Ondry io dia nitsangana tagnivon’ny seza fiandrianana sy ny raha managna aigna efatra ary ny lohôlona. Nanagna tandroka fito Izy ary nanagna maso fito, dia ny Fagnahy fiton’Andriamagnitra izay nasaina nankaigny amin’ny tany dahôlo. 7 Dia nagnatogna Izy ka nandramby an’ilay boky tan-tagnana ankavanan’Ilay niantotra tambonin’ny seza fiandrianana.
8 Rehefa norambesiny ilay boky, dia niankohotra tagnoloanany ny raha managna aigna efatra sy ny lohôlona efatra amby roapolo. Ary samby nitàna lokangaa sy vilia volamena feno ditina kakazo magnitra zareo. Ary ireo vilia ireo dia magnambara ny vavaka ataon’ny ôlona masina. 9 Ary nagnano ôsika tamin’ny tononkira vaovao zareo hoe:
Ianao no mendrika handramby ny boky
sy hangala ny fitomboka aminanjy;
satria efa novonoina Ianao
ary ny ranao no nagnavotanao ho an’Andriamagnitra,
ôlona avy tamin’ny foko dahôlo, ôlona samby hafa fitaravana dahôlo, karazagn’ôlona dahôlo ary firenena dahôlo.
10 Nataonao fanjakana sy mpisorogna ho an’Andriamagnitsika zareo,
ary hanjaka ambonin’ny tany.
11 Ary nijery izaho ka naharegny feon’anjely betsaka magnodidigna ny seza fiandrianana sy ny raha managna aigna ary ny lohôlona. Betsaka be tsy tambo isaina ireo anjely ireo. 12 Nitarea mafy be zareo nagnano hoe:
Ilay Zanaka Ondry izay novonoina,
dia mendrika handray ny hery, ny harena, ny fahendrena, ny tanjaka, ny haja, ny voninahitra ary ny dera.
13 Ary ny zavaboahary dahôlo, na izay aigny an-dagnitra, na izay atỳ ambonin’ny tany, na izay aigny ambanin’ny tany, na izay ambonin’ny ranomasina sy izay raha dahôlo agnatiny dia regniko samby nitarea hoe:
Enga anie ho an’ilay miantotra ambonin’ny seza fiandrianana sy ho an’ny Zanaka Ondry
ny dera, ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay tsisy laloaniny!
14 Ary ny raha managna aigna efatra dia nitarea hoe: Amena! Ary ny lohôlona dia niankohotra ka nivavaka.