Fangalana ny fitomboka enina voalôhany
6
Dia nijery indray izaho. Ary hitako ilay Zanaka Ondry nangala ny iraika tamin’ny fitomboka fito. Dia regniko ny iraika tamin’ny raha magnana aigna efatra nitarea sahala amin’ny fikotroky ny kotroka, nagnano hoe: Avia ma! 2 Dia nahita soavaly malandy izaho; nitàna filesidôro ilay nitikina ananjy; ary namena satroboninahitra izy. Dia nandeha sahala amin’ny mpandresy izy mbô handresy.
3 Rehefa nalàn’ny Zanaka Ondry ilay fitomboka faharoa dia regniko ilay raha managna aigna faharoa nagnano hoe: Avia ma! 4 Dia nisy soavaly hafa niboagna avy taigny, mena ny lokony. Ary ilay nitikina ananjy dia namena fahefana handrava ny fihavanana atỳ ambonin’ny tany, mbôry izay hifamono ny ôlona; ary namena sabatra geda izy.
5 Rehefa nalàn’ny Zanaka Ondry ilay fitomboka fahatelo dia regniko ilay raha managna aigna fahatelo nagnano hoe: Avia ma! Dia nisy soavaly mainty niboagna avy taigny. Ary ilay nitikina ananjy dia nitondra mizana tan-tagnany. 6 Ary naharegny raha sahala amin’ny feo avy tagnivon’ny raha managna aigna efatra izaho nitarea hoe: Karama iray andro no takalon’ny varimbazaha iray kilao ary karama iray andro koa ny takalon’ny karazagna varimbazaha hafaa telo kilao; kanefa aza kitihina ny menaka sy ny divay.
7 Rehefa nalàn’ny Zanaka Ondry ny fitomboka fahefatra dia regniko ny raha managna aigna fahefatra nitarea hoe: Avia ma! 8 Dia nisy soavaly hatsatra niboagna avy taigny. Fahafatesana ny agnaran’ilay nitikina ananjy ary nagnaraka ananjy ny fitoeran’ny maty. Namena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany zareo mbô hamono ny ôlona amin’ny sabatra, ny silaona, ny valagnaretina, ary ny bibidia atỳ ambonin’ny tany.
9 Rehefa nalàn’ny Zanaka Ondry ny fitomboka fahadimy, dia hitako tambanin’ny alitara takeo ny fagnahin’ireo ôlona novonoina avy amin’ny tenin’Andriamagnitra sy ny fagnambarana fa marina izany tenin’Andriamagnitra izany. 10 Dia nagnantso mafy zareo hoe: Ô Tômpo masina sy marina! Handigny oviana koa ma Ianao vao hitsara ny ôlona aigny ambonin’ny tany sy hamaly ny ranay izay nalatsanjareo? 11 Dia samby namena akanjo fotsy lava dahôlo zareo, ary nasaina niala reraka kely mandra-pamonoana ny gaogna namany sy ny rahalahiny mpino dahôlo.
12 Rehefa nalàn’ny Zanaka Ondry ny fitomboka fahenina dia nisy horohorontany mafy. Nanjary mainty sahala amin’ny lamba volona osy fisaognana ny masoandro, ary nanjary mena sahala amin’ny ra ny volana. 13 Ary niraraka tambonin’ny tany sahala amin’ny voan’aviavy manta nahitsan’ny rivotra mahery ny kintana taigny amin’ny lagnitra. 14 Dia nihorogna sahala amin’ny boky ahorogna ny lagnitra, ary nafindra niala tamin’ny toerany dahôlo ny tampontanety sy ny nosy.
15 Ary ny mpanjakan’ny tany, ny ôlona geda, ny mpitaritafika, ny mpanankarena, ny lehilahy matanjaka, ny ôlona afaka sy ny andevo dahôlo dia nisitrika tagnaty lava-bato sy taigny amin’ny vatolampy aigny antampontanety. 16 Ary hozy zareo tamin’ny tampontanety sy ny vatolampy: Mirodàgna aminay ka asitriho izahay mbô tsy ho hitan’Ilay miantotra ambony seza fiandrianana sy ny fahasosen’ny Zanaka Ondry. 17 Tonga mbôka ny andro voatokana hiboagnan’ny fahasosenjareo ka tsisy mahavita magnatrika an’izany.