Ny ôlona vita fitomboka
7
Tafaran’izany indray, dia nahita anjely efatra izaho, nitsangana takeo amin’ny vazantany efatra zareo, nitàna ny rivotra efatra amin’ny tany, mbôry izay tsy hitsoka amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny kakazo ny rivotra.
2 Dia nahita anjely hafa koa izaho, niakatra avy taigny amin’ny fiposahan’ny masoandro; nitàna ny fitombok’Ilay Andriamagnitra velona izy. Ary nantsoviny mafy ny anjely efatra izay nasaina handratra ny tany sy ny ranomasina hoe: 3 Aza haratina na ny tany, na ny ranomasina, na ny kakazo, mandrapagnanaovanay fitomboka amin’ny tampokandrin’ny gaognan’Andriamagnintsika.
4 Ary regniko ny isan’izay efa vita fitomboka, dia efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy; avy tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely dahôlo zareo:
5 Tamin’ny fokon’i Joda, roa arivo sy iray alina no vita fitomboka;
tamin’ny fokon’i Robena, roa arivo sy iray alina;
tamin’ny fokon’i Gada, roa arivo sy iray alina;
6 tamin’ny fokon’i Asera, roa arivo sy iray alina;
tamin’ny fokon’i Naftaly, roa arivo sy iray alina;
tamin’ny fokon’i Manase, roa arivo sy iray alina;
7 tamin’ny fokon’i Simeona, roa arivo sy iray alina;
tamin’ny fokon’i Levy, roa arivo sy iray alina;
tamin’ny fokon’i Isakara, roa arivo sy iray alina;
8 tamin’ny fokon’i Zebolona, roa arivo sy iray alina;
tamin’ny fokon’i Josefa, roa arivo sy iray alina;
ary tamin’ny fokon’i Benjamina dia roa arivo sy iray alina no vita fitomboka.
Ny vahoaka betsaka be tsy tambo isaina magnoloana ny seza fiandrianana
9 Tafaran’izany indray dia nahita ôlona betsaka be tsy tambo isaina izaho; avy amin’ny firenena dahôlo sy ny foko dahôlo zareo ireo ary samby hafa fitaravana dahôlo. Nitsangana tagnoloanan’ny seza fiandrianana sy tagnoloanan’ny Zanaka Ondry zareo; nagnano akanjo fotsy lava sady nitàna sampagna rafia, 10 ary nagnantso mafy hoe:
Ny famonjena dia an’Andriamagnitsika,
Ilay miantotra ambony seza fiandrianana,
sy an’ny Zanaka Ondry.
11 Ary ny anjely dahôlo dia nitsangana magnodidigna ny seza fiandrianana sy ny lohôlona ary ny raha managna aigna efatra. Niankohotra tagnoloanan’ny seza fiandrianana zareo ka nivavaka tamin’Andriamagnitra 12 nagnano hoe:
Amena!
An’Andriamagnitsika mandrakizay tsisy laloaniny ny dera, ny voninahitra ny fahendrena, ny fisaorana, ny haja ny hery ary ny tanjaka.
Amena!
13 Dia nitarea taminahy ny iraika tamin’ny lohôlona hoe: Iza ma ireo magnano akanjo fotsy lava ireo? Ary avy akaiza ny fiavianjareo? 14 Dia hozy izaho taminjareo: Ô Tômpoko! Ianao no mahafantatra an’izany! Dia hozy indray taminahy:
Avy tamin’ny fijaliana tegna mafy zareo ireo,
ary nosasany sady nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanaka Ondry ny akanjonjareo.
15 Araka izany, dia akeo agnoloanan’ny seza fiandrianan’Andriamagnitra zareo,
magnano asa fanompoana ho Ananjy akao amin’ny tempoliny, magnalin’andro mahakekandro’andro.
Ary Ilay miantotra ambony seza fiandrianana dia hamelatra ny lasiny handrakotra anjareo.
16 Tsy ho vantsilaona na
hangetaheta intsony zareo;
ary tsy hampagnino anjareo ny masoandro sy ny hafanana be.
17 Fa ny Zanaka Ondry akeo agnivon’ny seza fiandrianana no ho Mpiambina anjareo;
ka hitarika anjareo ho aigny amin’ny loharanon’ny rano velona;
ary hofafan’Andriamagnitra ny ranomaso dahôlo amin’ny masonjareo (Isa 25. 8).