Ny fitomboka fahafito sy ny vilia volamena fandorôna ditina kakazo magnitra
8
Rehefa nalàn’ny Zanaka Ondry ny fitomboka faha fito dia nangina nandritra ny antsasak’adiny takeo ny taigny an-dagnitra.2 Ary nahita anjely fito mitsangana magnoloagna an’Andriamagnitra izaho; namena trompetra fito zareo.
3 Nisy anjely iraika koa tonga, nitsangana tambonin’ny alitara, nitondra vilia volamena fandoroana ditina kakazo magnitra. Namena ditina kakazo magnitra betsaka izy mbô hatolony akeo ambonin’ilay alitara volamena izay magnoloana ny seza fiandrianana; hatolony miaraka amin’izany koa ny vavaka hataon’ny ôlona masina dahôlo. 4 Ary ny setroky ny ditina kakazo magnitra sy ny vavaka ataon’ny ôlona masina dia niakatra avy tan-tagnan’ny anjely ho akeo agnoloanan’Andriamagnitra. 5 Ary noraisin’ny anjely ilay vilia fandoroana ditina kakazo magnitra dia nofenoiny afo avy amin’ny alitara, izay vao natsipiny tambonin’ny tany; avy takeo dia nisy kotroka, feo, tselaka ary horohorontany.
Ny trompetra enina voalôhany
6 Ary niomagna hitsoka ny trompetra ireo anjely fito izay nitàna ny trompetra fito.
7 Nitsoka ny trompetrany ny anjely voalôhany, dia nisy havandra nifangaro afo sy ra nararaka tambonin’ny tany; dia may ny ampahatelon’ny tany, may ny ampahatelon’ny kakazo ary may koa ny ahitra maitso dahôlo.
8 Avy takeo dia nitsoka ny trompetrany ny anjely faharoa; tonga dia nisy raha gedabe sahala amin’ny tampontanety mirehitra natsipy tagnaty ranomasina. Dia nivadika ra ny ampahatelon’ny ranomasina 9 ka maty ny ampahatelon’ny raha managna aigna tagnaty ranomasina ary potika ny ampahatelon’ny sambo.
10 Nitsoka ny trompetrany koa ny anjely fahatelo; tonga dia nisy kintana geda be mirehitra sahala amin’ny fanilo nilatsaka avy tan-dagnitra. Nilatsaka tamin’ny ampahatelon’ny renirano sy tamin’ny lôharano izany. 11 “Raha mangidy” ny agnaran’ilay kintana; nanjary nangidy ny ampahatelon’ny rano ka betsaka ny ôlona maty vokatry ny fisotroana an’ilay rano satria mangidy.
12 Dia nitsoka ny trompetrany indray ny anjely fahefatra; tonga dia voataroka ny ampahatelon’ny masoandro sy ny ampahatelon’ny volana ary ny ampahatelon’ny kintana, mbôry izay ho maizigna ny ampahatelon’ireo raha telo ireo ka tsy hazava ny ampahatelon’ny andro ary ho sahala amin’izany koa ny alina.
13 Avy takeo izaho dia nahita sady naharegny voromahery iraika nagnembagna tagnivon’ny lagnitra, izay nitarea mafy hoe: Antambon-draha, antambon-draha, antambon-draha ny hahazo an’izay mipetraka aigny ambonin’ny tany vokatry ny fagnenon’ny trompetra izay mbôla hotsofin’ny anjely telo.