9
Avy takeo dia nitsoka ny trompetrany ny anjely fahadimy; dia nahita kintana iraika avy taigny an-dagnitra nilatsaka tambonin’ny tany izaho. Namena an’ilay anjely ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka. 2 Dia nosokafany ilay lavaka mangitsokitsoka ka nisy setroka nivoaka avy tagnatiny, sahala amin’ny setroka avoakan’ny lafaoro gedabe iregny, ka nanjary maizigna ny masoandro sy ny rivotra vokatr’ilay setroka. 3 Ary nisy valalagna nivoaka avy tagnatin’ilay setroka ka nandrakotra ny tany; ary namena hery hagnaikitra ireo valalagna ireo, sahala amin’ny kaikitry ny maingoka atỳ ambonin’ny tany. 4 Dia nilazana zareo mbô tsy hamotika ny ahitra sy ny raha maniry ary ny kakazo, afa tsy ny ôlona izay tsisy ny fitombok’Andriamagnitra an-tampokandrigny foagnany. 5 Kanefa tsy navela hamono ny ôlona ireo valalagna ireo fa nasaina hampanaintaigna anjareo mandritra ny dimy volana. Io fanaintaignana io dia sahala amin’ny fanaintaignan’ny ôlona voakaikitry ny maingoka iregny. 6 Amin’izany andro izany dia hikaraka fahafatesana ny ôlona kanefa tsy hahita. Te ho foaty zareo kanefa hilefa anjareo ny fahafatesana.
7 Ireo valalagna ireo dia sahala amin’ny soavaly hindesina hiady iregny. Nisy raha sahala amin’ny satroboninahitra volamena tan-dôhany ary ny tarehiny dia sahala amin’ny tarehin’ôlona iregny. 8 Ny volony dia sahala amin’ny volom-behivavy ary ny nifiny dia sahala amin’ny nifina liona. 9 Nagnano fiarovan-tratra sahala amin’ny fiarovan-tratra vy zareo, ary ny fikopakopaky ny embagny dia sahala amin’ny fagnenon’ny kalesy taritina soavaly betsaka mihazakazaka handeha hiady. 10 Nanagna rambo misy filo sahala amin’ny maingoka zareo. Amin’io rambony io no misy ny hery ampijaliany ny ôlona mandritra ny dimy volana. 11 Ny anjelin’ny lavaka mangitsokitsoka no mpanjakanjareo. Abadona no agnarany amin’ny fitaravana hebreo, fa Apoliona amin’ny fitaravana grika, izany hoe Mpandringana!
12 Lasana ny antambo voalôhany. Zahavo fa ho avy indray koa ny antambo roay magnaraka.
13 Nitsoka ny trompetrany ny anjely fahenina. Dia naharegny feo nivoaka avy tamin’ny tandroky ny alitara volamena akeo agnoloanan’Andriamagnitra izaho; 14 hozy ilay feo tamin’ilay anjely hoe: Vahao ny anjely efatra voafatotra aigny Eofrata, ilay renirano geda be. 15 Dia novahana ireo anjely efatra ireo. Zareo ireo dia efa voaomagna ho amin’ny lera, ny andro, ny volana ary ny taona mbô hamono ny ampahatelon’ny ôlona ambonin’ny tany. 16 Ary regniko fa roanjato tapitrisa ny isan’ny miaramila mitikina soavaly.
17 Ary ôhatra an’izao ny nahitako ny soavaly sy ny mpitikina ananjy tamin’ny fahitana: Ny mpitikina dia magnano fiarovan-tratra mena sahala amin’ny afo, manga antitra sahala amin’ny safira ary mavo sahala amin’ny solifara; ny lôhan’ny soavaly dia sahala amin’ny lôhana liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka avy tambavan’ny soavaly. 18 Ireo antambo telo ireo no namono ny ampahatelon’ny ôlona. 19 Ny tanjaky ny soavaly dia amin’ny vavany sy ny rambony satria ny rambony dia sahala amin’ny menaragna misy lôhany betsaka izay indesiny mampijaly.
20 Kanefa ny ôlona sisa tavela izay tsy matin’ireo antambo ireo, dia mbôla tsy nibebaka ny amin’ny raha namboarin’ny tagnanjareo; mbôla notohizanjareo foagna ny fivavahana amin’ny demonia, amin’ny sampy namboarina tamin’ny volamena, volafotsy, varahina, vato ary kakazo, izay tsy mahita sy tsy maharegny ary tsy afaka mandeha. 21 Ary zareo dia tsy nibebaka ny amin’ny famonoana ôlona sy ny filalaovana aody ratsy ary ny halangana mbaraky ny fangalarana nataonjareo.