Ilay anjely sy ny boky kely nivelatra
10
Avy takeo, dia nahita anjely matanjaka iraika nidigna avy tan-dagnitra izaho. Nifogno rôndro izy, nisy fangalabaragna ny lôhany, nazavabe sahala amin’ny masoandro ny tarehiny ary sahala amin’ny andriafo ny tongony. 2 Nitàna boky kely nivelatra izy. Misabàka ny tongony ka napetragny tambonin’ny ranomasina ny ankavagnana ary ny ankavia tambonin’ny tany. 3 Ary nitrerogna mafy be sahala amin’ny fitreron’ny liona iregny izy. Rehefa nitrerogna izy dia nidoboka ny feon’ny kotroka fito. 4 Ary rehefa nidoboka ny kotroka fito dia handeha hanoratra izaho, kanefa naharegny feo avy taigny an-dagnitra izaho hoe: Tano tsiambaratelo izay raha voalazan’ny kotroka fito fa aza soratana avy.5 Ary hitako ilay anjely nisabàka takeo amin’ny ranomasina sy ny tany, nanangana ny tagnany ankavagnana nankaigny amin’ny lagnitra 6 sady nifanta tamin’Ilay velona mandrakizay tsisy laloaniny, dia Ilay namorona ny lagnitra sy ny raha dahôlo aminanjy akao, ny tany sy ny raha dahôlo aminanjy akao, ary ny ranomasina sy ny raha dahôlo aminanjy akao, nagnano hoe: Tsisy hatakandro intsony! 7 Fa amin’ny fotoana hitsofan’ilay anjely fahafito ny trompetrany mbôka, dia ho tanteraka ny raha misitrika izay an’Andriamagnitra, araka ny raha nambarany tamin’ny gaognany, dia ny mpagnazary.
8 Ary nitarea taminahy indray ilay feo regniko avy taigny an-dagnitra hoe: Mandehana! Alaivo ilay boky mivelatra an-tagnan’ilay anjely mitsangana akeo ambonin’ny ranomasina sy akeo ambonin’ny tany. 9 Dia nagnatogna an’ilay anjely izaho ka nitarea taminanjy hoe: Ameo anahy igny boky kely igny. Dia hozy taminahy: Alaivo dia hohano dahôlo. Hampangidy ny agnaty kibonao izy kanefa mamy sahala amin’ny fandrama akeo am-bavanao.
10 Dia nalaiko ilay boky kely tan-tagnan’ilay anjely ka nohaniko dahôlo; raha mbôla tambavako igny izy dia mamy sahala amin’ny fandrama, kanefa rehefa voateliko dia nanjary nangidy izy tagnaty kiboko. 11 Dia nisy nitarea taminahy hoe: Tsy maintsy maminagny indray ianao mikasika ny ôlona betsaka, ny firenena betsaka, ny fitaravana betsaka ary ny mpanjaka betsaka.