Ny vavolombelona roay
11
Ary namena bararata sahala amin’ny anjera fandrefesana izaho, dia nisy nitarea taminahy hoe: Mitsangàna ka mandehana refeso ny tempolin’Andriamagnitra sy ny alitara, ary isao izay ôlona mivavaka akao. 2 Kanefa aza refesina ny tokotany ambelan’ny Tempoly satria namena anjareo hafa firenena izy io; hagnitsakitsaka ny tanàna masina mandritra ny roa amby efapolo volana mbôka zareo ireo. 3 Ary hameko fahefana haminany mandritra ny enimpolo sy roanjato sy arivo andro ny vavolombeloko roay sady hagnano akanjo fisaognana. 4 Zareo ireo no kakazo oliva roay sy fitoeranjiro roay, izay mitsangana magnoloana ny Tômpon’ny tany. 5 Raha misy mitady nagnano raha ratsy anjareo ireo, tonga dia misy afo mivoaka avy am-bavanjareo ka mandevona ny fahavalony. Tegna ohatra an’izany mihitsy no tsy maintsy hamonoana an’izay te hagnano raha ratsy anjareo. 6 Zareo ireo dia managna fahefana hagnidy ny lagnitra mbô tsy hilatsaka ny ranon’orana mandritra ny fotoana aminaniany; managna fahefana amin’ny rano koa zareo hamadika ananjy ho lasa ra ary managna fahefana hamely ny tany amin’ny loza amin’izay fotoana tiany, na oviana na oviana.7 Rehefa vita tanteraka ny fagnambaranjareo dia hiakatra avy agnatin’ilay lavaka mangitsokitsoka ilay bibidia ka hiady aminjareo ary handresy sy hamono anjareo. 8 Ary hiampatrampatra eraky ny araben’ny tanàna geda ny fatinjareo. Io tanàna io, amin’ny heviny ara-pagnahy, no atao hoe Sodoma sy Ejipta izay namantsihana ny Tômponjareo tamin’ny kakazo fijaliana. 9 Ny ôlona dahôlo avy amin’ny foko dahôlo, ny samby hafa fitaravana dahôlo, ny firenena dahôlo dia hizaha ny fatinjareo mandritra ny telo andro sy tapany; ary tsy avelany halevigna am-pasagna ny fatiny. 10 Ary hifaly ny amin’ny fahafatesanjareo ny mponina ambonin’ny tany ka hiravoravo sy hifanolotra fagnamezana satria tegna nampijaly ny ôlona ireo mpagnazary roay ireo.
11 Rehefa afaka telo andro sy tapany, dia nisy fagnahy magname aigna avy amin’Andriamagnitra nitsofoka taminjareo, dia nitsangana zareo ka tegna natahotra dahôlo izay ôlona nahita anjareo. 12 Avy takeo dia naharegny feo mafy avy tan-dagnitra zareo roa lahy hoe: Miakara atỳ ianareo! Dia niakatra taigny an-dagnitra tagnaty rôndro zareo ka nahita anjareo ny fahavalony. 13 Tamin’io fotoana io dia nisy horohorontany mafy ka nirodagna ny ampahafolon’ny tanàna ary nahafaty ôlona fito arivo ilay horohorontany. Tegna natahotra ny ôlona sisa tsy maty ka nagname vogninahitra an’Andriamagnitry ny lagnitra.
14 Lasana ny antambo faharoa. Zahavo fa ho avy malaky ny antambo fahatelo.
Ny trompetra fahafito
15 Ary nitsoka ny trompetrany ny anjely fahafito. Tonga dia nisy feo mafy avy taigny an-dagnitra nitarea hoe:
Efa an’ny Tômpotsika sy ny Kristiny izao
ny fanjakan’izao tontolo izao;
Hanjaka mandrakizay tsisy laloaniny Izy.
16 Ary ny lohôlona efatra amby roapolo izay miantotra akeo ambony seza fiandrianany magnoloana an’Andriamagnitra, dia niankohotra tamin’ny tany ka nivavaka tamin’Andriamagnitra hoe:
17 Ô Tômpo, Andriamagnitra mahefa ny raha dahôlo,
Ilay ankahitrio sy talôha,
misaotra Anao izahay satria naboagnanao ny hagedan’ny herinao
mbô hametrahanao ny fanjakanao.
18 Sosy ny firenena maro,
kanefa avy ny fahasosenao,
ny fotoana hitsarana ny maty,
ny fotoana hagnamezana fankasitrahana ny mpagnazary gaognanao
sy ny ôlona masina ary izay matahotra ny Agnaranao, na ny geda na ny kely
ary ny fotoana hamelezanao izay mamely ny tany.
19 Dia nosokafana ny tempolin’Andriamagnitra taigny an-dagnitra ka niseho avy takao ilay vata misy ny fagnekeny; dia nisy tselaka, feo, kotroka, horohorontany ary havandra mary geda be.