Ilay vehivavy sy ilay dragona
12
Ary nisy famantarana geda be niboagna taigny an-dagnitra: Vehivavy iraika manarogna masoandro, akeo ambany tongony ny volana ary misy satroboninahitra kintana roa amby folo akeo amin’ny lôhany. 2 Bevohoka izy; mitaraigna izy satria mihetsi-jaza ka marary fa efa ho teraka. 3 Nisy famantarana hafa koa niboagna taigny an-dagnitra: Dragona geda be, mena ny lokony, fito ny lôhany, ary folo ny tandrony. Nisy diadema tsiraikaraika avy tamin’ny lôhany. 4 Nagnala ny ampahatelon’ny kintana tan-dagnitra ny rambony ka nandraraka an’izany tambonin’ny tany. Ary nanangana tagnoloanan’ilay vehivavy efa hiteraka ilay dragona, mbô hihinana ny zanagny raha vao latsaka. 5 Dia nitera-dahy izy; ary hitondra ny firenena dahôlo amin’ny anjera vy io zaza io. Dia novonjena malaky ilay zaza ka nampiakarina ho aigny amin’Andriamagnitra, aigny amin’ny seza fiandrianany. 6 Ilay vehivavy kosa nilefa nankaigny ankodahoda, aigny amin’ny tany efa nomagnin’Andriamagnitra ho ananjy mbô hovelomina mandritra ny enimpolo sy roanjato sy arivo andro.
7 Ary nisy ady taigny an-dagnitra: Niady tamin’ilay dragona i Mikaela sy ireo anjeliny. Ary niady taminjareo koa ilay dragona sy ireo anjeliny, 8 kanefa tsy nahadinaka ilay dragona sy ny anjeliny ary tsisy toerana ho anjareo intsony taigny an-dagnitra. 9 Ary nalatsaka ilay dragona, dia ilay menaragna efa nisy letry ny ela, antsovina amin’ny agnarana hoe devoly sy Satana, ilay mamitaka an’izao tontolo izao. Nalatsaka tambonin’ny tany izy ary nalatsaka niaraka taminanjy koa ireo anjeliny. 10 Dia naharegny feo mafy taigny an-dagnitra izaho hoe:
Amin’izao dia tonga ny famonjena, ny hery, ny fanjakan’Andriamagnitsika ary ny fahefan’ny Kristiny,
satria nalatsaka ilay mpiampanga ny mpino rahalahintsika,
dia ilay miampanga ananjy magnalin’andro mahakekandro akeo agnatrehan’Andriamagnitsika.
11 Zareo rahalahintsika ireo kosa indray dia nandresy ilay mpiampanga
avy amin’ny ran’ny Zanaka Ondry sy ny raha notaravinjareo mikasika Ananjy;
ary tsy nahoany ny aignany na dia ho foaty aza.
12 Ô lagnitra sy ianareo mipetraka aigny!
Araka izany, mifalia!
Fa ianareo tany sy ranomasina kosany, antambon-draha ny hahazo anareo.
Nidigna nankaigny aminareo mbôka ny devoly,
tegna sosy izy satria hainy fa kely sisa ny androny.
13 Ary rehefa hitan’ilay dragona fa nalatsaka tambonin’ny tany izy dia nokenjehiny ilay vehivavy nitera-dahy. 14 Kanefa namena embagna roay an’ny voromahery geda ilay vehivavy mbô hindesiny magnembagna ho aigny ankodahoda, aigny amin’ny toerana izay hamelomana ananjy agnatin’ny telo taona sy tapanya mbô hanitrifana ananjy tsy ho hitan’ilay menaragna. 15 Dia namoaka rano, ôhatra ny renirano, tamin’ny vavany ilay menaragna mbô hagnaraka an’ilay vehivavy sy hifaoka ananjy. 16 Namonjy an’ilay vehivavy anefa ny tany ka nitresaka ary naneligna an’ilay renirano avy tam-bavan’ilay dragona. 17 Dia sosy tamin’ilay vehivavy ny dragona ka nandeha niady tamin’ny zanagny tavela, izay mankatô ny didin’Andriamagnitra sy mitàna ny fagnambarana an’i Jesoa.
18 Ary ilay dragona dia nitsangana takeo ambonin’ny fasiky ny ranomasina.