Ny bibidia roay
13
Dia nahita bibidia nivoaka avy tagnaty ranomasina izaho. Nanagna tandroka folo sy lôha fito izy; ireo tandroka ireo dia samby nisy diadema tsiraikaraika ary ireo lôha ireo dia samby nisy agnarana magnasaha an’Andriamagnitra. 2 Sahala amin’ny leoparda ilay bibidia hitako, ny tongony dia sahala amin’ny tongotra bera, ary vavany sahala amin’ny vavana liona. Namen’ilay dragona ananjy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary ny fahefany dahôlo. 3 Ny iraika tamin’ireo lôhany dia naratra be mitady hahafaty ananjy kanefa sitragna ihany ilay ratra be.
Dia gaga ny ôlona dahôlo amin’ny tany ka nagnaraka an’ilay bibidia. 4 Araka izany dia niankohotra tagnoloanan’ilay dragona ny ôlona satria izy no nagname fahefana an’ilay bibidia. Niankohotra tagnoloanan’ny ilay bibidia koa ny ôlona ka nagnano hoe: Tsisy mitovy amin’ny bibidia. Ary tsisy maharesy ananjy.
5 Ary namena vava ilay bibidia mbô hagnano teny feno avognavogna sy hagnasaha an’Andriamagnitra, ary hampiasa ny fahefany mandritra ny roa amby efapolo volana. 6 Dia nosokafany ny vavany mbô hagnasaha an’Andriamagnitra ary hagnasaha ny Agnarany sy ny tabernakeliny ary ireo izay mipetraka aigny an-dagnitra. 7 Dia navela hiady tamin’ny ôlona masina izy ary navela handresy anjareo. Ary namena fahefana tamin’ny foko dahôlo, tamin’ny ôlona dahôlo, tamin’ny samby hafa fitaravana dahôlo ary tamin’ny firenena dahôlo izy. 8 Ary hiankohotra agnoloanan’ilay bibidia ny ôlona dahôlo ambonin’ny tany, izay tsy voasoratra agnarana akao amin’ny bokin’ny fiaignan’ny Zanaka Ondry, Ilay efa voavono letry tamin’ny namoronana an’izao tontolo izao.
9 Izay managna sofigna dia mitandrignesa an’izao!
10 Raha misy ôlona tokony hobaboina, dia tegna ho voababo tokoatrany izy;
ary raha misy ôlona tokony hovonoina amin’ny sabatra,
dia tegna ho voavono amin’ny sabatra tokoatrany izy.
Amin’izany no tokony hagnaboagnan’ny ôlona masina ny faharetana sy ny finoana.
11 Ary nahita bibidia iraika nivoaka avy tagnaty tany koa izaho. Nanagna tandroka roay sahala amin’ny zanaka ondry iregny izy ary nitarea sahala amin’ny dragona. 12 Nampiasainy takeo agnatrehany ny fahefana dahôlo nanagnan’ilay bibidia voalôhany. Ary nasainy niankohotra takeo agnoloanan’ilay bibidia voalôhany, ilay efa sitragna tamin’ny ratra saika nahafaty ananjy, ny ôlona dahôlo ambonin’ny tany. 13 Nagnano famantarana tegna mahavariana izy: Tamason’ny ôlona no nandatsahany afo avy taigny an-dagnitra ho amin’ny tany. 14 Namitaka ny ôlona ambonin’ny tany tamin’ny famantarana izay namena ananjy hatao akeo amason’ny bibidia izy. Notaraviny ny ôlona mbô hagnano ny sarin’ilay bibidia izay voan’ny sabatra nefa mbôla velona foagnany.
15 Ary ilay bibidia faharoa dia navela hagname aigna ny sarin’ilay bibidia voalohany mbô hahay hitarea ny sarin’ilay bibidia ka hampamono ny ôlona dahôlo izay tsy mety miankohotra magnoloanany. 16 Ary notereny hasiana marika tamin’ny tagnana ankavanana na tamin’ny tampokandrin’ny ôlona dahôlo, na ny geda na ny kely, na ny manankarena na ny mahantra, na ny andevo na ny ôlona afaka, 17 mbô tsy ho afaka mividy na mivarotra raha tsy managna ny mariky ny bibidia, na ny isa milaza ny agnarany.
18 Izao no ilaivana ny fahendrena. Izay manan-tsaigna dia tokony hagnisa ny isa mariky ny bibidia satria isa mariky ny ôlona izany: Enina amby enimpolo sy eninjato izany isa izany.