Ny Zanaka Ondry sy ny ôlona voaavotra
14
Avy takeo dia nahita ny Zanaka Ondry nitsangana tan-tampontanetin’ny Ziona izaho. Nisy ôlona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka Taminanjy; samby magnana ny agnaran’ny Zanaka Ondry sy ny agnaran’ny Rainy voasoratra amin’ny tampokandriny zareo. 2 Dia naharegny feo avy taigny an-dagnitra izaho, feo sahala amin’ny figorodagnan’ny rano riagna sy sahala amin’ny fidoboky ny kotroka mafy. Ary ny feo regniko dia sahala amin’ny feona lokanga betsaka be tendren’ny ôlona. 3 Ary ireo ôlona ireo dia mihira tononkira vaovao akeo agnoloanan’ny seza fiandrianana sy akeo agnoloanan’ny raha managna aigna efatra ary akeo agnoloanan’ny lohôlona. Tsisy afaka nianatra izany tononkira izany, afa tsy zareo efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy izay navotana tamin’ny tany. 4 Mbôla tsy ary nandry tamin’ny vehivavy mihitsy zareo ireo. Magnaraka ny Zanaka Ondry zareo ireo na aiza na aiza ny tany hombany. Navotana avy tamin’ny ôlona zareo ireo mbô hanjary voalôham-bokatra ho an’Andriamagnitra sy ny Zanaka Ondry. 5 Tsy ary nandainga mihitsy zareo ireo sady tsy ary nanan-tsigny.
Ny anjely telo magnambara ny fitsaran’Andriamagnitra
6 Ary nahita anjely iraika hafa nagnembagna tagnivon’ny lagnitra koa izaho. Nanagna ny Tarea Maharavo mandrakizay izay hotorina amin’izay mipetraka ambonin’ny tany, ny firenena dahôlo, ny foko dahôlo, ny samby hafa fitaravana dahôlo, ary ny ôlona dahôlo, izy 7 sady nitarea mafy hoe:
Matahôra an’Andriamagnitra
ka ameo voninahitra Izy,
satria tonga ny fotoana hitsarany;
miankohofa agnoloanan’Ilay nagnano ny lagnitra
sy ny tany ary ny ranomasina sy loharano!
8 Avy takeo dia nahita anjely faharoa koa izaho, nagnaraka an’ilay anjely takeo, nagnano hoe:
Rava e! Rava Babilona geda be!
Izy mbôka ilay nampisotro ny firenena dahôlo
ny divain’ny fahasosena
avy amin’ny filangalangany.
9 Tafaran’izany dia nahita anjely fahatelo nagnaraka ny anjely roay talôha izaho. Nitarea mafy izy hoe:
Na iza na iza miankohotra agnoloanan’ny bibidia sy ny sariny
ka magneky asiana ny marika amin’ny tampokandriny na amin’ny tagnany,
10 dia hisotro ny divain’ny fahasosen’Andriamagnitra koa izy;
io ilay divay tsy mitampoka naidigna tagnatin’ny tasin’ny fahasoseny;
hampijaliana amin’ny afo sy solifara akeo agnoloanan’ny anjely masina sy akeo agnoloanan’ny Zanaka Ondry koa izy.
11 Ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay tsisy laloaniny.
Izay miankohotra agnoloanan’ny bibidia sy sariny, na izay magneky asiana ny mariky ny agnarany
dia tsy afaka miala reraka magnalin’andro makekandro.
12 Izany no tegna ilaivana ny faharetan’ny ôlona masina, izay mankatô ny didin’Andriamagnitra sy ny finoana an’i Jesoa.
13 Avy takeo dia naharegny feo avy taigny an-dagnitra izaho nitarea hoe: Sorato!
Manomboka izao dia sambatra izay maty,
dia izay maty amin’ny Tômpo!
Hozy ny Fagnahy: Ieny! Hiala reraka amin’ny asany zareo,
satria hagnaraka anjareo ny asany.
Fandidiana ny vokatry ny tany
14 Avy takeo dia nahita rôndro fotsy izaho. Nisy ôlona sahala amin’ny Zanak’Ôlona niantotra tambonin’ilay rôndro. Nagnano satroboninahitra volamena sady nitàna antsimeloka maragnitra Izy. 15 Dia nisy anjely iraika koa nivoaka avy takao amin’ny Tempoly; nitarea mafy tamin’Ilay niantotra tambonin’ny rôndro izy hoe:
Ampiasao ny antsimeloka an-tagnanao igny dia didio!
Tonga mbôka ny fotoana fandidiana satria efa mena ny vokatry ny tany.
16 Dia nampiasain’Ilay niantotra tambonin’ny rôndro ny antsimelokany ka nodidiany ny vokatry ny tany.
17 Ary nisy anjely iraika hafa koa nivoaka avy takao amin’ny Tempoly taigny an-dagnitra. Nitàna antsimeloka maragnitra koa izy. 18 Dia nisy anjely iraika koa nivoaka avy takeo amin’ny alitara. Nanagna fahefana tamin’ny afo izy. Nantsoviny ilay anjely nitàna antsimeloka maragnitra, ka hozy:
Ampiasao igny antsimeloka maragnitra an-tagnanao igny.
Angony ny tangozam-boaloboka amin’ny tany dahôlo
satria masaka tsara ny voaloboka.
19 Dia nampiasain’ilay anjely ny antsimeloka ka nangoniny ny voaloboka tamin’ny tany dahôlo ary nararany takao amin’ny famiazam-boaloboka geda be, dia ny fahasosen’Andriamagnitra izany. 20 Ary nokitsakitsahina taigny ambelan’ny tanàna ny famiazam-boaloboka. Ary ra no nivoaka avy takao, izay nipariaka tamina velaran-tany tokotokony ho telonjato kilometatraa ary nahatakatra ny ambosan’ny lamboridin-tsoavaly ny ambosany.