Ny anjely fito sy ny loza fito
15
Tafaran’izay dia nahita famantarana iraika geda sady mahagaga taigny an-dagnitra koa izaho: anjely fito mitàna ny loza fito farany satria ireo loza ireo no hagnatanterahana ny fahasosen’Andriamagnitra.2 Dia hitako koa, raha sahala amin’ny ranomasina fitaratra mifangaro amin’ny afo. Ary izay nandresy an’ilay bibidia sy ny sariny ary ny mariky ny agnarany, dia nitsangana akeo amoron’ny ranomasina fitaratra sady nitàna ny lokanga namen’Andriamagnitra anjareo. 3 Ary nihira ny tononkiran’i Mosesy, gaognan’Andriamagnitra, sy ny tononkiran’ny Zanaka Ondry zareo hoe:
Ô Tômpo Andriamagnitra Mahefa ny raha dahôlo!
Geda be sy mampidagnaka ny asanao.
Ô Mpanjakan’ny firenena!
Mahitsy sy marina ny lalanao.
4 Ô Tômpo! Tsisy tsy matahotra Anao,
ary tsisy tsy magname vogninahitra ny Agnaranao.
Fa Ianao foagna no masina,
ary ny firenena dahôlo dia ho avy hiankohotra akeo agnoloananao
satria nabaribary ny fitsarana marina nataonao.
5 Avy takeo dia hitako fa nosokafana ny tempoly, dia ilay tabernakelin’ny Vavolombelona aigny an-dagnitra. 6 Ary ny anjely fito izay nitàna ny loza fito dia nivoaka avy takao amin’ny tempoly, nisarogna akanjo rongony fotsy madio sady manjelatra ary nagnano samboady volamena. 7 Ary ny iraika tamin’ny raha managna aigna efatra dia nagname an’ireo anjely fito vilia volamena fito, feno ny fahasosen’Andriamagnitra, Izay velona mandrakizay tsisy laloaniny. 8 Ary feno setroka avy amin’ny voninahitran’Andriamagnitra sy ny heriny ny tempoly. Araka izany, tsisy nanjary nitsofoka takao amin’ny tempoly mandrapahatanteraky ny loza fito nindesin’ny anjely fito.