Ilay vilia fito
16
Avy takeo dia naharegny feo mafy avy taigny amin’ny tempoly nitarea tamin’ireo anjely fito izaho hoe: Mandehana! Aidigno ambonin’ny tany ny raha agnatin’ny vilia fito feno ny fahasosen’Andriamagnitra.
2 Dia lasana ny anjely voalôhany magnidigna ny raha tagnaty viliany tambonin’ny tany. Dia voan’ny vay ratsy sady mampanaintaigna an’izay ôlona dahôlo nandray ny mariky ny bibidia sy izay niankohotra takeo agnoloanan’ny sariny.
3 Ary magnidigna ny raha tagnaty viliany taigny amin’ny ranomasina ny anjely faharoa. Dia nivadika ra sahala amin’ny ràn’ôlona efa maty iregny ny ranomasina ka maty dahôlo ny raha managna aigna takao.
4 Dia naidign’ilay anjely fahatelo tamin’ny renirano sy loharano ny raha tagnaty viliany ka nivadika ra ny rano dahôlo. 5 Ary regniko ny anjelin’ny rano nitarea hoe:
Ianao Ilay Masina! Ianao ilay ankahitrio, sy talôha!
Marina Ianao satria marina ny fitsaranao.
6 Ny ràn’ny ôlona masina sy ny mpagnazary mbôka no nalatsagny,
araka izany dia namenao ra hosotroiny zareo.
Fanaoka anjareo tsara izany.
7 Ary regniko ny alitara nitarea hoe:
Ô Tômpo Andriamagnitra Mahefa ny raha dahôlo!
Marina sady mahitsy tokoatra ny fitsaranao.
8 Dia naidign’ilay anjely fahefatra tamin’ny masoandro ny raha tagnaty viliany. Ary nasaina nandoro ny ôlona tamin’ny afo ny masoandro 9 ka main’ny hafanana be ny ôlona. Dia nagnasaha ny agnaran’Andriamagnitra Ilay managna fahefana amin’iregny loza iregny ireo ôlona ireo, kanefa tsy nagneky nibebaka ary tsy nagneky hagname voninahitra an’Andriamagnitra zareo.
10 Ary naidign’ilay anjely fahadimy tamin’ny seza fiandrianan’ilay bibidia ny raha tagnaty viliany. Dia nanjary maizigna ny fanjakan’ilay bibidia ary nitsakotsako ny lelany ny ôlona vokatry ny fanaintaignana. 11 Nagnasaha an’Andriamagnitry ny lagnitra ny ôlona vokatry ny fanaintaignany sy ny vainy kanefa tsy nagneky nibebaka tamin’ny raha nataony.
12 Dia naidign’ilay anjely fahenina tamin’i Eofrata renirano geda be ny raha tagnaty viliany. Dia ritra ny ranony mbô hagnomagnana ny lalana homban’ireo mpanjaka avy aigny atsinanana. 13 Avy takeo izaho nahita fagnahy maloto telo sahala amin’ny sahogna, nivoaka avy tam-bavan’ilay dragona sy avy tam-bavan’ilay bibidia ary avy tam-bavan’ilay mpagnazary sandoka. 14 Ireo fagnahy telo ireo dia fagnahin’ny demonia izay magnano famantarana. Mandeha aigny amin’ireo mpanjaka eraky ny tany dahôlo zareo mbô hagnangona anjareo hiady, amin’ilay andro lehibe an’Andriamagnitra Mahefa ny raha dahôlo. 15 Zahavo! Ho avy sahala amin’ny mpangalatra Izaho. Sambatra izay miari-tory sy miambina ny akanjony, mbô tsy hiboridagna izy rehefa mandeha ka ho megnatr’ôlona. 16 Ary navorin’ireo fagnahy maloto telo tamina toerana antsovina amin’ny teny hebreo hoe Haramagedona ny mpanjaka.
17 Dia naidign’ilay anjely fahafito tamin’ny rivotra ny raha tagnaty viliany. Dia nisy feo mafy nivoaka avy takeo amin’ny seza fiandrianana takao amin’ny tempoly hoe: Vita! 18 Dia nisy feo sy tselaka ary kotroka; nisy horohorontany mafy be koa, ary mbôla tsy ary nisy raha sahala amin’izany letry izay nisian’ny ôlona tambonin’ny tany. 19 Nizara telo ny tanàna geda ary rava ny tanànan’ny firenena maro; dia notsarovan’Andriamagnitra i Babilona geda ka nameny ny tasy feno ny divain’ny fahasoseny mafy. 20 Nilefa dahôlo ny nosy ary nanjavona ny tampontanety. 21 Nisy havandra mary geda be, tokotokony ho dimy amby telopolo kilaoa ny bolongany iraika, nilatsaka avy tan-dagnitra tamin’ôlona. Dia nagnasaha an’Andriamagnitra ny ôlona, vokatry ny loza nataon’ny havandra, satria tegna mafy be izany loza izany.