Ilay vehivavy makorelina malaza sy ny bibidia menamena
17
Dia nagnatogna anahy ny iraika tamin’ireo anjely fito izay nitàna ny vilia fito ka nitarea taminahy hoe: Mandehana atỳ! Haboagnako anao ny fitsarana an’ilay vehivavy makorelina malaza, izay miantotra akeo ambonin’ny rano be. 2 Nilangalanga niaraka taminanjy ny mpanjaka ambonin’ny tany, ary mamon’ny divain’ny filangalangany ny ôlona dahôlo ambonin’ny tany. 3 Dia nindesin’ilay anjely tamin’ny herin’ny Fagnahy ho aigny ankodahoda izaho, ary nahita vehivavy nitikina bibidia menamena. Feno agnarana magnasaha an’Andriamagnitra ary managna lôha fito sy tandroka folo ilay bibidia.
4 Ary io vehivavy io dia nagnano akanjo volomparasy sy menamena sady nagnano firavaka vita tamina volamena sy vatosoa ary perla. Nitàna tasy volamena feno raha mamparikoriko sy raha maloto vokatry ny halangany koa izy. 5 Izao ny agnarana managna hevitra misitrika voasoratra tan-tampokandriny: Babilona geda, renin’ny makorelina mbaraky ny raha mamparikoriko ambonin’ny tany. 6 Ary hitako ilay vehivavy fa mamon’ny ran’ny ôlona masina sy ny ran’ny vavolombelon’i Jesoa. Tegna gaga izaho rehefa nahita ananjy.
7 Hozy ilay anjely taminahy: Ino ma ny raha nampahagaga anao? Hotaraviko aminao ny raha misitrika momba an’io vehivavy io sy ilay bibidia nitikinany izay managna lôha fito sy tandroka folo.
8 Ilay bibidia hitanao igny dia takeo foagna talôha, fa tsy akeo intsony izy amin’izao. Hiakatra avy agnatin’ilay lavaka mangitsokitsoka izy ka handeha ho aigny amin’izay tany hamotehana ananjy. Ary ho tofok’aty ny ôlona dahôlo mipetraka ambonin’ny tany, dia izay tsy voasoratra agnarana akao agnatin’ny bokin’ny fiaignana letry namoronana an’izao tontolo izao, rehefa mijery an’ilay bibidia izay takeo foagna talôha ary tsy akeo intsony amin’izao, kanefa mbôla hiboagna indray. 9 Izao no ilaivana ny fahendrena:
Ny lôha fito dia ny tampontanety fito izay hitoeran’ilay vehivavy. 10 Mpanjaka fito koa zareo ireo: Efa niongana ny dimy, ny iraika mbôla akeo, ary ny iraika mbôla tsy tonga; rehefa tonga io iraika farany io dia fotoana foika foagnany no hanjakany. 11 Ary ilay bibidia takeo igny foagna talôha kanefa tsy akeo izy amin’izao no mpanjaka fahavalo. Naman’ireo mpanjaka fito ireo koa izy ary handeha ho aigny amin’izay tany hamotehana ananjy.
12 Ny tandroka folo izay hitanao indray dia ny mpanjaka folo izay mbôla tsy nahazo fanjakana kanefa handray fahefana mbô hanjaka mandritra ny adiny iray miaraka amin’ilay bibidia. 13 Miray lôha ireo mpanjaka ireo mbô hagname ny herinjareo sy ny fahefanjareo hiasana ho an’ilay bibidia. 14 Hiady amin’ny Zanaka Ondry zareo; ary handresy anjareo ny Zanaka Ondry satria Tômpon’ny tômpo Izy sady Mpanjakan’ny mpanjaka. Handresy anjareo koa izay iray dia amin’ny Zanaka Ondry, dia izay ôlona voaantso sy voasafidy ary azo atokisana.
15 Dia hozy ilay anjely taminahy: Ny rano hitanao izay itoeran’ilay makorelina, dia ny fokonôlona, ny vahoaka, ny firenena ary ny samby hafa fitaravana. 16 Ny tandroka folo sy ny bibidia hitanao, dia tsy ho tia vintagna an’ilay makorelina ka hagnano ananjy tsisy dikany sy hampiboridagna ananjy. Hohaninjareo ny nofony ary holevoninjareo amin’ny afo izy. 17 Namen’Andriamagnitra lôha mbôka zareo ireo mbô hagnatanteraka ny raha kendreny; mbôry izay dia hiray lôha zareo ka hagname ny fanjakanjareo ho an’ilay bibidia, mandrapahatanteraka ny tenin’Andriamagnitra. 18 Ary ilay vehivavy hitanao dia ilay tanàna geda izay manjaka amin’ny mpanjaka ambonin’ny tany.