Ny nandravana an’i Babilona
18
Tafaran’izay dia nahita anjely iraika nidigna avy taigny an-dagnitra izaho. Nanagna fahefana geda izy ary nagnazava ny tany dahôlo ny voninahiny. 2 Dia nitarea mafy izy hoe: Rava e! Rava ilay Babilona geda be! Nanjary fipetrahan’ny devoly sy fisitrifan’ny fagnahy maloto dahôlo ary akanan’ny vorogna dahôlo izay maloto sy tsy tian’ôlona izy, 3 satria nisotro ny divain’ny fahasosena vokatry ny halangany ny firenena dahôlo; nilangalanga niaraka taminanjy ny mpanjaka ambonin’ny tany; ary nanjary mpanankarena avy amin’ny fagnaranam-po tamin’ny harem-ben’ilay vehivavy ny mpivaro-mandeha ambonin’ny tany.4 Dia naharegny feo iraika hafa avy taigny an-dagnitra koa izaho hoe:
Ô raôlona! Mialà akao ianareo,
mbô tsy handraisanareo anjara amin’ny fahotana izay hataony
ary mbô tsy hahazo anareo ny loza mahazo ananjy.
5 Nitsavovogna nipaka hatraigny amin’ny lagnitra mbôka ny fahotanjareo.
ary tsarôvan’Andriamagnitra ny fahotany.
6 Valio araka izay ataony amin’ny ôlona hafa izy
ary valio in-droay amin’izay raha nataony.
Fenoy in-droay amin’izay raha nataony koa ny tasy izay nofenoiny.
7 Ataovo mijaly amin’ny fanaintaignana sy ny alahelo izy,
sahala amin’ny niderany tegna sy niendaendany tamin’ny fanagnambe;
hozy mbôka ny menimeniny:
Mentòtra aketo izaho satria mpanjaka vavy fa tsy maty vady;
tsy mbô hahita alahelo izany mihitsy izaho.
8 Araka izany dia ho avy aminanjy agnatin’ny in-dray andro foagna ireo loza hahazo ananjy:
fahafatesana sy fisaognana ary silaona.
Ho levon’ny afo izy
satria mahery ny Tômpo Andriamagnitra Ilay nitsara ananjy.
9 Ary ireo mpanjaka ambonin’ny tany, izay niaraka nilangalanga taminanjy sy nagnaram-po tamin’ny harem-be niaraka taminanjy dia handona tratra sy higololoka rehefa ho hitanjareo ny setroky ny afo handorôna an’ilay tanàna. 10 Hitazagna avy alavitra zareo satria matahotra ny fanaintaignana farak’izay mafy mahazo ananjy ka hagnano hoe:
Oa lehiretsy! Ilay tanàna geda be!
Ô Babilona, ilay tanàna henjagna!
Tagnatin’ny adiny iray foagna dia nahavitana ny fitsarana anao!
11 Handona tratra sy higololoka koa ny mpivaro-mandeha satria tsisy mpividy intsony ny entanjareo. 12 Zareo mbôka nivarotra volamena, volafotsy, vatosoa, perla; lamba rongony fotsy madinika, lamba volomparasy, lamba landy, lamba menamena; karazagna kakazo magnitra, karazagna fanaka vita amin’ny vangina elefanta, amin’ny kakazo tegna sarobidy, amin’ny varahigna, amin’ny vy ary amin’ny marbra; 13 kanelina sy karazagna raha magnitra fatao amin’ny ahanina; ranomagnitra, miora sy raha magnitra; divay, menaka, lafarinina, varimbazaha; aomby, ondry, soavaly, kalesy ary ôlona.
14 Ny raha tsara nirinao
dia efa niala alavitra anao;
ny raha sarobidy sady malaza dahôlo
dia efa levona ka tsy ho hita intsony mandrakizay.
15 Ny mpivaro-mandeha izay nanjary mpanankarena tamin’izany raha dahôlo izany dia hitazagna avy alavitra satria matahotra ny fanaintaignana farak’izay mafy mahazo an’ilay tanàna ka higololoka sy hisaogna 16 ary hitarea hoe:
Oa lehiretsy! Ilay tanàna geda be!
Ilay nitafy lamba rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy ary lamba menamena;
ilay nagnano firavaka volamena sy vatosoa ary perla!
17 Tagnatin’ny adiny iray foagna dia fongana izany harem-be izany!
Ary nanangana talavitra ny mpitondra sambo sy ny ôlona mpandeha dahôlo ary ny tantsambo sy izay ôlona dahôlo mpagnano asa an-dranomasina. 18 Rehefa nahatazagna ny setroky ny fandorôna an’ilay tanàna zareo dia nilelalela nagnano hoe: Tsisy tanàna henjagna sahala amin’igny intsony! 19 Dia natsipinjareo agnambo ny vovoka mbô hiraraka amin’ny lôhanjareo, ary nigololoka sy nisaogna zareo ka nitarea hoe:
Oa lehiretsy! Ilay tanàna geda be
izay nampanankarena ny ôlona dahôlo managna sambo aigny an-dranomasina
avy amin’ny raha sarobidy takao aminanjy!
Tagnatin’ny adiny iray foagna no nahafongana ananjy!
20 Ô lagnitra! Ô anareo ôlona masina, anareo apostoly, ary ianareo mpagnazary! Mifalia vokatry ny raha mahazo ananjy.
Andriamagnitra mbôka efa nitsara ananjy ka nampandresy anareo.
21 Avy takeo dia nahita anjely matanjaka iraika nibata vato sahala amin’ny vatobe fikosehana vary izaho. Natsipiny tagnaty ranomasina ilay vato ka hozy:
Hatsipy mafy ôhatra an’izany koa i Babilona mbô handravana ananjy,
ary tsisy hahita ananjy intsony.
22 Tsy ho regny akao aminao intsony
ny mozika ataon’ny mpitendry lokanga, ny mpitendry raha magneno ary ny mpitsoka sodina sy trompetra.
Tsy ho hita akao aminao intsony ny mpagnano asa tagnana dahôlo na ino na ino karazan-draha ataony.
Tsy ho regny akao aminao intsony ny feon’ny vato fikosehana vary.
23 Tsy hagname hazavana aminao intsony ny jiro.
Tsy ho regny akao aminao intsony ny feon’ny mpanambady,
satria ny mpivaro-mandeha takao aminao no tegna henjagna amin’ny tany,
ary ny aody ratsinao no nampiasainao hamitahana ny ôlona dahôlo.
24 Ary hita takao an-tanàna ny ran’ny mpagnazary sy ny ôlona masina ary ny ôlona dahôlo izay novonoina tambonin’ny tany.