Ny fifaliana aigny an-dagnitra!
19
Tafaran’izay raha dahôlo izay, dia naharegny feo sahala amin’ny feona vahoaka betsaka be taigny an-dagnitra izaho hoe:
Haleloia!
Ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery dia an’Andriamagnitsika
2 satria marina sady ara-drariny ny fitsarana ataony.
Nitsara an’ilay makorelina malaza
izay nandratra ny tany tamin’ny halangany Andriamagnitra.
Namaly faty tamin’ilay makorelina vokatry ny ràn’ny gaognany izay nalatsagny koa Izy.
3 Dia nitarea indray koa zareo hoe:
Haleloia!
Miakatra mandrakizay tsisy laloaniny ny setroky ny tanàna!
4 Ary ny lohôlona efatra amby roapolo sy ny raha managna aigna efatra dia niankohotra nivavaka tagnoloanan’Andriamagnitra, Ilay miantotra akeo amin’ny seza fiandrianana ka nitarea hoe:
Amena! Haleloia!
5 Ary nisy feo nivoaka avy tamin’ny seza fiandrianana nagnano hoe:
Ô ianareo dahôlo gaognan’Andriamagnitsika,
ianareo dahôlo izay matahotra Ananjy,
na ny kely na ny geda,
miderà Ananjy!
6 Ary regniko nisy feo sahala amin’ny feona vahoaka betsaka sy feo sahala amin’ny figorodagnan’ny rano, ary feo sahala amin’ny kotroka mafy, nitarea hoe:
Haleloia!
Manjaka amin’ny raha dahôlo ny Tômpo Andriamagnitsika,
Ilay mahefa ny raha dahôlo.
7 Andao atsika hifalifaly sy hiravoravo ary hagname voninahitra Ananjy
satria tonga ny fotoana fampakarambadin’ny Zanaka Ondry
ary efa niomagna ny fanambadiany.
8 Dia namena
akanjo vita tamin’ny rongony fotsy madinika, madio sady tsisy pentina, izy mbô hagnanaovany.
Ny lamba rongony fotsy madinika mbôka dia magnambara ny asa marina nataon’ny ôlona masina.
9 Dia hozy koa ilay anjely taminahy: Izao ny raha soratanao: Sambatra izay nasaina hamonjy ny fampakarambadin’ny Zanaka Ondry! Mbôla hozy koa taminahy: Tegna tenin’Andriamagnitra ireo. 10 Dia niankohotra takeo amin’ny tongony izaho mbô hivavaka taminanjy. Kanefa hozy taminahy: Tandremo! Aza magnano an’io! Gaogna namanao anie izaho sady naman’ireo rahalahinao izay mifikitra amin’ny fagnambarana an’i Jesoa. Andriamagnitra irerika no ivavaho! Ny fagnambarana an’i Jesoa mbôka no fagnahin’ny faminaniana.
Ilay mpitikina soavaly fotsy
11 Dia hitako nisokatra ny lagnitra, ary nahita soavaly fotsy niboagna avy takao izaho. Ny agnaran’Ilay nitikina ananjy dia Mahatoky sy Marina. Izy dia miady sy mitsara amin’ny fahamarinana. 12 Ôhatra ny lelan’afo ny masony; nisy diadema betsaka tamin’ny lôhany; ary managna agnarana voasoratra izay tsisy mahay ny dikany afa-tsy ny tegnany irerika foagnany Izy. 13 Magnano akanjo nofafazana ra koa Izy, ary ny agnarany dia Ny Tenin’Andriamagnitra.
14 Nagnaraka Ananjy nitikina soavaly fotsy ny tafiky ny lagnitra, ary nagnano akanjo rongony madinika, fotsy sady madio. 15 Misy sabatra maragnitra mivoaka avy amin’ny vavany mbô hamelezany ny ôlona dahôlo; ary hitondra ny firenena amin’ny anjera vy Izy sady hagnitsakitsaka ny famiazana ny divain’ny fahasosen’Andriamagnitra Mahefa ny raha dahôlo. 16 Ary izao ny agnarana voasoratra amin’ny akanjony sy ny feny: Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tômpon’ny tômpo.
17 Tafaran’izay dia nahita anjely iraika nitsangana takeo amin’ny masoandro izaho. Nitarea mafy tamin’ny vorogna magnembagna dahôlo tagnivon’ny habakabaka izy hoe: Avia! Mivoria mba hamonjy ny fanasana geda be ataon’Andriamagnitra, 18 mbôry izay ianareo hihinana ny nofon’ny mpanjaka, ny nofon’ny sefon’ny miaramila sy ny mpiady matanjaka, ny nofon’ny soavaly sy ny mpitikina ananjy ary ny nofon’ny ôlona dahôlo, na ny ôlona afaka na ny andevo, na ny kely na ny geda.
19 Ary nahita ilay bibidia sy ny mpanjaka ambonin’ny tany ary ny miaramilany izaho, nivory mbô hiady amin’Ilay mitikina ny soavaly sy ny miaramilany. 20 Ary nosamborina ilay bibidia sy ny mpagnazary sandoka, dia ilay nagnano famantarana tagnoloanany. Ny famantarana nataony no nampiasainy hamitahana ny ôlona izay nisy ilay mariky ny bibidia sy izay niankohotra tagnoloanan’ny sariny. Ary natsipy velona aigny amin’ny farihy afo mirehitra solifara ilay bibidia sy ilay mpagnazary sandoka. 21 Izay miaramila sisa tavela kosa dia novonoin’Ilay nitikina soavaly tamin’ny sabatra nivoaka avy tam-bavany. Ary voky ny nofonjareo ny vorogna dahôlo.