Ny fanjakana mandritra ny arivo taona
20
Tafaran’izany raha dahôlo izany dia nahita anjely nidigna avy taigny an-dagnitra izaho. Nitàna rojo vy be sy ny lakilen’ny lavaka mangitsokitsoka izy. 2 Nosamboriny ary nogadrainy nandritra ny arivo taona ilay dragona. Io ilay menaragna talôha, dia ny devoly sy Satana. 3 Natsipin’ilay anjely tagnatin’ny lavaka mangitsokitsoka izy; avy takeo dia nohidian’ny anjely ny lavaka ary nasiany fitomboka mbô tsy hahavitan’ilay dragona hamitaka ny ôlona ambonin’ny tany intsony mandrapaha-tapitry ny arivo taona. Rehefa tapitra izany arivo taona izany, dia tsy maintsy havoaka kely alôha izy.4 Avy takeo dia nahita seza fiandrianana betsaka izaho. Ireo ôlona mipetraka amin’ireo seza ireo dia namena fahefana hitsara. Ary nahita ny fagnahin’ireo ôlona izay notapahin-dôha koa izaho. Novonoina zareo ireo satria nagnambara an’i Jesoa sy ny tenin’Andriamagnitra, tsy niankohotra tagnoloanan’ny bibidia na ny sariny ary tsy nandray ny marika tan-tampokandriny na takeo amin’ny tagnany. Velona indray zareo ireo ka miara-nanjaka amin’i Kristy mandritra ny arivo taona. 5 Fa ny ôlona maty hafa kosa dia mbôla tsy mitsangana amin’ny maty malôha mandrapaha-tapitry ny arivo taona. Izany no fitsanganana amin’ny maty voalôhany. 6 Sambatra sy masina izay managna anjara amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalôhany. Tsy managna fahefana aminjareo ireo mbôka ny fahafatesana faharoa. Hanjary mpisorogn’Andriamagnitra sy Kristy zareo ka hiara-manjaka Aminanjy mandritra ny arivo taona.
7 Rehefa tapitra ny arivo taona, dia havoaka avy am-pigadrana i Satana. 8 Hivoaka hamitaka ny firenena aigny amin’ny vazantany efatra izy, dia Goga sy Magoga, mbô hamory anjareo handeha hiady. Betsaka be sahala amin’ny isan’ny fasiky ny ranomasina zareo ireo. 9 Nandeha namakivaky ny tany dahôlo zareo ary nagnodidigna ny tobin’ny ôlona masina, dia ilay tanàna tian’Andriamagnitra. Kanefa nisy afo nilatsaka avy tan-dagnitra ka nandevona anjareo. 10 Ary natsipy takaigny amin’ny farihy afo sy solifara ny devoly izay namitaka an’ireo firenena ireo; aigny koa no misy ilay bibidia sy ilay mpagnazary sandoka. Ary hampijaliana magnalin’andro makek’andro mandrakizay tsisy laloaniny zareo ireo.
11 Avy takeo izaho dia nahita seza fiandrianana geda fotsifotsy; hitako koa Ilay mipetraka tamboniny. Nilefa niala tagnoloanany ny tany sy ny lagnitra ka tsisy toerana hipetrahanjareo intsony na aiza na aiza. 12 Dia hitako ny maty, na ny geda na ny kely, nitsangana tagnoloanan’ny seza fiandrianana. Nisy horognana boky betsaka novelarina, dia nisy horognana boky iraika hafa koa novelariny: io ilay bokin’ny fiaignana. Ary ny ôlona maty dia notsaraina araka ny asanjareo sy araka ny raha voasoratra tagnatin’ny boky. 13 Ary navoakan’ny ranomasina ny ôlona maty takao agnatiny; ny fahafatesana sy ny toerana misy ny maty koa dia namoaka ny ôlona maty takao aminjareo. Ary samby notsaraina araka ny asanjareo avy zareo. 14 Avy takeo dia natsipy takaigny amin’ny farihy afo ny fahafatesana sy ny toerana misy ny maty. Io farihy afo io no fahafatesana faharoa. 15 Ary izay tsy voasoratra tagnatin’ny bokin’ny fiaignana, dia natsipy takaigny amin’ny farihy afo.