Ny lagnitra vaovao sy ny tany vaovao
21
Ary nahita lagnitra vaovao sy tany vaovao izaho satria efa tsisy intsony ny lagnitra voalôhany sy ny tany voalôhany, ary tsisy intsony koa ny ranomasina. 2 Dia nahita ny tanàna masina izaho, Jerosalema vaovao mbôka izany. Nidigna avy taigny an-dagnitra, avy aigny amin’Andriamagnitra izy io, efa vognona sahala amin’ny vehivavy hatao mpanambady ka mihaingo hihaona amin’ny vadiny. 3 Dia naharegny feo mafy avy takeo amin’ny seza fiandrianana izaho hoe:Miaraka amin’ny ôlona tokoatrany ny tabernakelin’Andriamagnitra! Hiaraka hipetraka aminjareo Izy, ho ôlony zareo, ary Izy Andriamagnitra mihitsy no hiaraka hipetraka aminjareo ka ho Andriamagnitranjareo. 4 Hofafany ny ranomaso amin’ny masonjareo; tsisy intsony ny fahafatesana, ny fisaognana, ny fitaraignana ary ny fanaintaignana; efa tsisy intsony mbôka ny raha talôha.
5 Ary izao ny raha notaravin’Ilay mipetraka akeo ambonin’ny seza fiandrianana: Zahavo fa hataoko vaovao ny raha dahôlo. Dia mbôla hozy koa: Soraty satria marina sady azo atokisana ireo teny ireo. 6 Ary izao koa ny raha notaraviny taminahy: Vita! Izaho no Alfa sy Omega, ny Fiandohana sy ny Fiafarana. Izay mangetaheta dia hameko rano maimaimpoana avy amin’ny lôharano magname aigna. 7 Izay mandresy no handova an’izany raha dahôlo izany. Izaho ho Andriamagniny, ary izy ho zanako. 8 Fa hahazo ny anjarany aigny amin’ny farihy mirehitra afo sy solifara kosa ny matikegnamaso, ny tsy mino, ny vetaveta fiaignana, ny mpamono ôlona, ny mpilangalanga, ny mpagnano aody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga dahôlo. Izany no fahafatesana faharoa.
Jerosalema vaovao
9 Avy takeo dia tonga taminahy ny iraika tamin’ireo anjely fito izay nitàna ny vilia fito nisy ny loza fito farany, ka hozy: Avia atỳ fa hampisehoviko anao ny mpanambady, dia ilay vadin’ny Zanaka Ondry. 10 Dia nindesin’ilay anjely tamin’ny herin’ny Fagnahy ho aigny antampontanety iraika geda sady ambo izaho ka nampisehoviny ny tanàna masina, dia Jerosalema izany, midigna avy aigny an-dagnitra, avy tamin’Andriamagnitra. 11 Feno ny voninahitr’Andriamagnitra ilay tanàna; mangilangilatra sahala amin’ny vatosoa tegna lafo be izy, sahala amin’ny vato jaspy izay mangarangarana sahala amin’ny vato kristaly. 12 Mibako gedabe sady ambo izy, misy vavahady roa ambin’ny folo izay ambesan’ny anjely roa ambin’ny folo. Voasoratra akeo amin’ny vavahady ny agnaran’ny foko roa ambin’ny folon’ny Zanak’Israely: 13 Misy vavahady telo avy atsinanana, telo avy avaratra, telo avy atsimo ary telo avy andrefana. 14 Ny bakon’ny tanàna dia misy fototra roa ambin’ny folo izay misy ny agnaran’ny Apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanaka Ondry.
15 Ary ilay anjely nitarea taminahy dia nitàna bararata fandrefesana vita tamin’ny volamena mbô handrefesany ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny bakony. 16 Ary ny tanàna dia efamira, mitovy ny lavany sy ny sakany. Norefesiny tamin’ilay bararata ny tanàna ka samby roapolo sy roanjato sy roa arivo kilometatraa avy na ny lavany na ny sakany na ny ambosany. 17 Norefesiny koa ny bakony ka enina amby enimpolo metatrab, araka ny fomba fandrefesan’ny ôlona, izay fandrefesana nampiasain’ny anjely. 18 Vato jaspy no nagnamboarana ny bakon’ilay tanàna; ary volamena tsisy fangarony, mangarangarana sahala amin’ny fitaratra madio no nagnamboarana ny tanàna. 19 Nampihaingoina tamin’ny vatosoa mary tsara isan-karazany ny fototry ny tanàna. Ny voalôhany tamina jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedoana, ny fahefatra emeraoda, 20 ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krizolita, ny fahavalo berila, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krizopraso, ny fahiraika ambin’ny folo hiakinta ary ny faharoa ambin’ny folo dia ametista. 21 Perla roa ambin’ny folo no nagnamboarana ny vavahady roa ambin’ny folo; perla iraika ny vavahady iraika; ary ny làlam-be takao an-tanàna dia volamena tsisy fangarony, mangarangarana sahala amin’ny fitaratra.
22 Tsy nahita tempoly takao an-tanàna izaho satria ny Tômpo Andriamagnitra, dia Ilay mahefa ny raha dahôlo, sy ny Zanaka Ondry no tempoly takao. 23 Tsy mbô mila ny masoandro na ny volana hanazava ananjy ny tanàna fa ny voninahitr’Andriamagnitra no manazava ananjy, ary ny fanalany dia ny Zanaka Ondry. 24 Amin’ny fahazavana ameny no ahafahan’ny ôlona mandehandeha; ary samby hitondra ny voninahiny hankao an-tanàna ny mpanjakan’ny tany dahôlo. 25 Avela hisokatra ny vavahadiny ary tsy hakatona amin’ny atoandro satria tsy hisy alina intsony akao. 26 Ary hitondra ny voninahiny sy ny hajany hankao ny firenena dahôlo. 27 Tsy ho tafiditra akao mihitsy izay maloto, na izay ôlona vetaveta fiaignana, na izay mandainga. Ny ôlona izay voasoratra agnarana akao agnatin’ny bokin’ny fiaignana, ilay an’ny Zanaka Ondry, foagnany no ho tafiditra akao.