Ny Paradisa
22
Farany dia nampisehovin’ilay anjely anahy ny renirano misy rano magname aigna, mangarangarana sahala amin’ny vato kristaly, nivoaka avy takeo amin’ny seza fiandrianan’Andriamagnitra sy ny Zanaka Ondry. 2 Tagnivon’ny làlambeny sy tandaniny roay amin’ny renirano, dia nisy kakazo magname aigna izay mamoa voaniny roa ambin’ny folo samby hafa sady mamoa isam-bolana. Ny ravin’ilay kakazo dia manasitrana ny firenena maro. 3 Tsy hisy intsony ny ozogna. Hipetraka akao amin’ilay tanàna ny seza fiandrianan’Andriamagnitra sy ny Zanaka Ondry. Ary hiankohotra akeo agnatrehany ny gaognany. 4 Ireo gaognany ireo dia hahita ny tarehiny, ary ho voasoratra akeo amin’ny tampokandrinjareo ny agnarany. 5 Tsy hisy intsony ny alina. Tsy hisy hilanjareo ny fahazavan’ny jiro na ny fahazavan’ny masoandro; fa ny Tômpo Andriamagnitra no hanazava anjareo. Ary hanjaka mandrakizay tsisy laloaniny zareo.Ho avy malady Izaho
6 Ary hozy ilay anjely taminahy: Azo atokisana sady marina ireo teny ireo. Ny Tômpo, Andriamagnitry ny fagnahin’ny mpagnazary, no nagniraka ny anjeliny hagnaboana amin’ny gaognany izay raha tsy maintsy ho avy malady. 7 Zahavo fa ho avy malady Izaho. Sambatra ny ôlona izay magnaraka ny tenin’ny faminaniana izay voasoratra agnatin’ity boky ity.
8 Izaho Jaona no naharegny sy nahita an’ireo raha dahôlo ireo. Rehefa naharegny sy nahita an’ireo izaho, dia niankohotra mbô hivavaka tan-tongotr’ilay anjely nagnaboana taminahy an’ireo raha ireo. 9 Nefa hozy izy taminahy: E! Aza magnano an’izao! Gaogna namanao ihany anie izaho sady naman’ny mpagnazary rahalahinao ary naman’izay magnaraka ny teny agnatin’ity boky ity. Andriamagnitra irerika no ivavaho!
10 Hozy koa taminahy: Aza hasitrika ny ôlona ny tenin’ny faminaniana agnatin’ity boky ity satria efa ampotomoty ny fotoana. 11 Izay magnano ny tsy marina, avilay foagnany izy mbôla hagnano ny tsy marina; izay maloto, avilay foagnany izy mbôla haloto; fa izay marina kosa, avilay izy mbôla hagnano ny marina; ary izay masina, avilay foagnany izy mbôla hihamasina.
12 Zahavo fa ho avy malady Izaho. Hindesiko miaraka aminahy ny valisoa avy Aminahy mbô hamena ny ôlona tsiraikaraika araka ny asany avy. 13 Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalôhany sy ny Farany, ny Fiandohana sy ny Fiafarana.
14 Sambatra izay manasa ny akanjony mbô hanagnany fahefana amin’ny kakazo magname aigna sy hidirany amin’ny vavahady mandeha akao an-tanàna. 15 Fa aigny ambelagny mbôka ny amboa, ny mpanagno aody ratsy, ny mpilangalanga, ny mpamono ôlona, ny mpanompo sampy ary ny ôlona dahôlo tia lainga sady mpandainga.
16 Izaho Jesoa no nagniraka ny anjeliko hagnambara aminareo an’ireo raha ireo hotaravina amin’ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’i Davida, ilay Kintana manjelanjelatra fitarikandro.
17 Hozy ny Fagnahy sy ny mpanambady: Avia! Izay maharegny dia mitarava hoe: Avia! Tongava izay mangetaheta; ary izay magneky dia misotroa maimaimpoana amin’ny rano magname aigna.
18 Izao no raha taraviko amin’ny ôlona dahôlo izay maharegny ny tenin’ny faminaniana agnatin’ity boky ity: Raha misy manampy na ino na ino amin’ireo, dia hampian’Andriamagnitra aminanjy ireo loza voasoratra agnatin’ity boky ity. 19 Raha misy manala amin’izay raha taravin’ity bokin’ny faminaniana ity, dia halan’Andriamagnitra koa ny anjarany amin’ny kakazo magname aigna sy amin’ny tanàna masina, araka izay voasoratra agnatin’ity boky ity.
20 Hozy Ilay magnambara an’ireo raha dahôlo ireo: “Ieny! Ho avy malady Izaho!”
Amena! Avia, Jesoa Tômpo!
21 Enga anie ho amin’ny ôlona masina dahôlo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tômpo! Amena.