Mino ny fijoroana vavolombelona nataon’Andriamagnitra
5
Izay ôlona dahôlo mino fa Jesoa no Kristy dia naterak’Andriamagnitra, ary izay tia ny Ray, dia tia ny zanagny naterany koa. 2 Izao no afantarantsika fa tia ny zanak’Andriamagnitra atsika: Tia an’Andriamagnitra atsika sady mankatò ny didiny. 3 Ny fitiavana an’Andriamagnitra mbôka dia ny fankatoavana ny didiny, ary tsy sarotra avy ny didiny 4 satria izay ôlona dahôlo naterak’Andriamagnitra dia maharesy an’izao tontolo izao, ary amin’ny alalan’ny finoantsika no handresentsika an’izao tontolo izao. 5 Tsisy ôlona maharesy an’izao tontolo izao afa tsy izay mino fa Jesoa dia Zanak’Andriamagnitra.6 Jesoa Kristy dia ilay avy tamin’ny rano sy ny ra; tsy avy tamin’ny rano foagna, fa avy tamin’ny rano sy ny ra. Ary vavolombelona amin’izany ny Fagnahy satria ny Fagnahy dia fahamarinana. 7 Telo mbôka ny vavolombelona amin’izany: 8 Ny Fagnahy sy ny rano ary ny ra, ka mifagnaraka tsara zareo telo ireo. 9 Ekentsika ny fijoroana vavolombelona ataon’ôlona, kanefa mandombolombo an’izany ny fijoroana vavolombelona ataon’Andriamagnitra. Momba an’ny Zanagny mbôka ny fijoroana vavolombelona nataony. 10 Izay mino ny Zanak’Andriamagnitra no managna ny fijoroana vavolombelona akao agnatiny; izay tsy mino an’Andriamagnitra indray dia magnano an’Andriamagnitra ho mpandainga satria tsy mino ny fijoroana vavolombelona ataon’Andriamagnitra momba an’ny Zanagny. 11 Ary izao ilay fijoroana vavolombelona: Namen’Andriamagnitra fiaignana mandrakizay atsika, ary akao amin’ny Zanagny izany fiaignana izany. 12 Izay managna ny Zanaka no managna ny fiaignana; izay tsy managna ny Zanak’Andriamagnitra kosa no tsy managna ny fiaignana.
Ny fahazoana antoka avy amin’ny finoana
13 Nanoratra an’izany raha izany aminareo izaho, mbô ho fantatrareo fa managna fiaignana mandrakizay ianareo, ianareo izay mino ny agnaran’ny Zanak’Andriamagnitra. 14 Ary izao no antoka anagnantsika akeo agnoloagnany: Rehefa mangataka raha mifagnaraka amin’ny sitrapony atsika, dia mitaino antsika Izy. 15 Ary raha fantatsika fa mitaino antsika Izy, na ino na ino raha angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay raha angatahintsika Aminanjy.
16 Raha misy mahita ny rahalahiny magnano fahotana izay tsy mitarika amin’ny fahafatesana, dia mila mifona ho ananjy izy, ary Andriamagnitra hagname fiaignana ho an’ny rahalahiny; ho an’izay nanota tsy ho amin’ny fahafatesana izany. Fa misy indray fahotana mitarika amin’ny fahafatesana, ary tsy amin’izany fahotana izany no itaravako hoe mila mivavaka. 17 Ny raha dahôlo atao tsy mifagnaraka amin’ny sitrapon’Andriamagnitra dia fahotana kanefa misy ny fahotana tsy mitarika amin’ny fahafatesana.
18 Haintsika fa izay ôlona dahôlo naterak’Andriamagnitra dia tsy manota satria miaro ananjy Ilay Zanak’Andriamagnitra ka tsy mahavoakitika ananjy ilay Ratsy. 19 Haintsika fa avy amin’Andriamagnitra atsika, ary izao tontolo izao indray dia ambany fahefan’ilay Ratsy. 20 Ary haintsika koa fa efa tonga ny Zanak’Andriamagnitra ka efa nagname antsika ny faragnitan-tsaigna mbô hamantarantsika an’Ilay Andriamagnitra tegna izy; ary tafakambagna amin’Ilay Andriamagnitra tegna izy atsika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanagny. Izy no Andriamagnitra tegna izy ary Izy koa ny fiaignana mandrakizay.
21 Ô zanako, mitandrema amin’ny sampy ianareo.