Ny famantarana an’izay avy amin’Andriamagnitra
4
Ô raôlona! Aza mino an’izay ôlona dahôlo milaza hoe managna ny Fagnahy, hamarino tsara ny fagnahy na avy amin’Andriamagnitra iregny na tsy avy amin’Andriamagnitra satria betsaka ny mpagnazary sandoka miparitaka aigny amin’izao tontolo izao. 2 Izao no raha amantaranareo ny Fagnahin’Andriamagnitra: Izay fagnahy dahôlo magneky fa nanjary ôlombelona i Jesoa Kristy no avy amin’Andriamagnitra. 3 Fa ny fagnahy dahôlo izay tsy magneky an’i Jesoa dia tsy avy amin’Andriamagnitra. Izany no fagnahin’ny antikristy, izay efa regninareo fa ho avy, ary ankahitrio dia efa tonga amin’izao tontolo izao izy.4 Ô ry anaka, ianareo indray dia avy amin’Andriamagnitra ary efa naharesy an’iregny mpagnazary sandoka iregny ianareo satria mahery Ilay akao agnatinareo raha mitaha amin’ilay akao amin’izao tontolo izao. 5 Iregny ôlona iregny dia naman’izao tontolo izao, ka mitarea sahala an’izao tontolo izao ary mitaino ananjy izao tontolo izao. 6 Izahay indray dia avy amin’Andriamagnitra, izay mahafantatra Ananjy no mitaino anay fa izay tsy avy amin’Andriamagnitra tsy mbô mitaino anay. Izany mbôka no hamantarantsika na fagnahin’ny fahamarinana izy na fagnahy mamitaka.
Andriamagnitra dia fitiavana
7 Ô raôlona! Tokony mifankatia atsika fa avy amin’Andriamagnitra ny fitiavana; izay ôlona dahôlo tia no naterak’Andriamagnitra sady mahafantatra an’Andriamagnitra. 8 Fa izay tsy tia indray dia tsy mahafantatra an’Andriamagnitra satria Andriamagnitra dia fitiavana. 9 Ôhatr’izao no nampisehovan’Andriamagnitra ny fitiavany antsika: Nasain’Andriamagnitra hankaty amin’izao tontolo izao ny Zanagny Lahitokana mbô hanagnantsika fiaignana amin’ny alalany. 10 Izao no fitiavana: Tsy atsika no nitia an’Andriamagnitra fa Izy no nitia antsika, ka nasainy ny zanagny mbô ho sorogna hagnavotana antsika amin’ny fahotana.
11 Ô ry havako tiako! Raha ôhatr’izany ny fitiavan’Andriamagnitra antsika, dia tokony hifankatia koa atsika. 12 Mbôla tsy ary nisy ôlona nahita an’Andriamagnitra izany avy. Fa raha mifankatia atsika dia mipetraka agnatitsika Andriamagnitra sady tanteraka amintsika ny fitiavany. 13 Izao no amantarantsika fa tafakambagna Aminanjy atsika sady tafakambagna amintsika Izy: Nameny antsika ny Fagnahiny. 14 Ary izahay koa dia efa nahita sady vavolombelona fa ny Ray dia efa nagnasa ny Zanaka mbô ho Mpamonjy an’izao tontolo izao.
15 Na iza na iza magneky fa Zanak’Andriamagnitra Jesoa, dia mipetraka agnatiny Andriamagnitra, ary izy akao amin’Andriamagnitra. 16 Atsika dia mahafantatra sy mino ny fitiavan’Andriamagnitra antsika. Andriamagnitra dia fitiavana ary izay mipetraka amin’ny fitiavana no tafakambagna amin’Andriamagnitra ary mipetraka agnatiny koa Andriamagnitra.
17 Ôhatra an’izao no nahatanteraka ny fitiavana amintsika, mbô hanagnantsika antoka amin’ny andro fitsarana satria ny fiaignantsika amin’izao tontolo izao dia sahala amin’ny an’i Jesoa Kristy. 18 Tsisy raha mampatahotra amin’ny fitiavana, fa ny tegna fitiavana dia magnala ny fahatahorana. Misy ifandraisany mbôka ny tahotra sy ny sazy. Araka izany, izay matahotra dia mbôla tsy tanteraka amin’ny fitiavana. 19 Atsika tia satria Izy no tia antsika voalohany. 20 Raha misy ôlona mitarea hoe: Tiako Andriamagnitra kanefa mankahala ny rahalahiny dia mpandainga izy. Fa hataony manakôry ma no hitia an’Andriamagnitra izay mbôla tsy hitany kanefa ny rahalahiny hitany aza tsy tiany? 21 Ary izao no didy nameny antsika: Izay tia an’Andriamagnitra dia tsy maintsy tia ny rahalahiny koa.