3
Zahavo tsara ma ny tegna fitiavan’ny Ray antsika, dia ny nagnantsovana antsika hoe zanak’Andriamagnitra, sady izany tokoatra atsika! Izany no antony tsy ahafantaran’izao tontolo izao antsika satria tsy nahafantatra an’Andriamagnitra izy. 2 Ô ry havako tiako! Amin’izao atsika dia efa Zanak’Andriamagnitra, mbôla tsy hay anefa hoe hanakôry atsika rehefa aigny afara aigny. Fantatsika mbôka fa rehefa hiboagna Kristy dia ho sahala Aminanjy koa atsika satria hahita Ananjy amin’ilay tegna Izy. 3 Ary izay ôlona dahôlo magnantegna Ananjy dia magnadio ny aignany mbô hadio ôhatra Ananjy.4 Izay ôlona dahôlo manota dia mandika lalàna satria fandikan-dalàna ny fahotana. 5 Kanefa hainareo fa naboagna i Jesoa Kristy mbô hagnala ny fahotana; ary tsisy fahotana Aminanjy. 6 Araka izany, izay ôlona tafakambagna amin’i Kristy dia tsy manota. Izay ôlona manota mbôka dia tsy nahita sady tsy nahafantatra Ananjy mihitsy.
7 Ô zanako, aza avela hisy ôlona hamitaka anareo! Izay ôlona dahôlo magnano ny fahamarinana no marina, marina sahala Aminanjy. 8 Izay manota dia avy amin’ny devoly satria ny devoly dia manota letry tam-boalôhany. Ary izany no antony niboagnan’ny Zanak’Andriamagnitra mbô handrava ny asan’ny devoly. 9 Izay ôlona naterak’Andriamagnitra dia tsy manota satria ambeoka nafafin’Andriamagnitra no mipetraka agnatiny. Tsy afaka manota izy satria Andriamagnitra no niteraka ananjy. 10 Izany no mampibaribary fa miavaka ny zanak’Andriamagnitra sy ny zanaky ny devoly. Tsy avy amin’Andriamagnitra ny ôlona tsy magnano ny fahamarinana sy tsy tia ny rahalahiny.
Ny fifankatiavan’ny mpirahalahy
11 Izao mbôka ny hafatra efa regninareo letry tam-boalôhany: Tsy maintsy mifankatia atsika, 12 fa tsy magnano sahala amin’ny raha nataon’i Kaina, izay avy amin’ilay ratsy ka namono ny rahalahiny. Ino ma ny antony namonoany ananjy? Ratsy mbôka ny asany nefa ny an’ny rahalahiny marina.
13 Ô raôlona, aza gaga avy ianareo raha halan’izao tontolo izao. 14 Atsika indray dia mahafantatra fa niala avy taigny amin’ny fahafatesana ho aigny amin’ny fiaignana satria tia ny rahalahintsika. Izay tsy tia dia mbôla mijanona aigny amin’ny fahafatesana. 15 Izay ôlona mankahala ny rahalahiny dia mpamono ôlona. Fantatrareo mbôka fa tsisy fiaignana mandrakizay agnatin’ny mpamono ôlona. 16 Izao no ahafantarantsika ny atao hoe fitiavana: Jesoa Kristy nahafoy ny aignany ho antsika. Atsika koa izany dia tsy maintsy mahafoy ny aignantsika ho an’ny rahalahy. 17 Raha misy ôlona manan-karena amin’izao fiaignana izao kanefa mahidy amin’ny rahalahiny maforaigna, dia tsisy fitiavana an’Andriamagnitra agnatin’izany ôlona izany. 18 Ô zanako, ny fitiavantsika dia tsy tokony amin’ny teny na am-bava foagna fa atao amin’ny asa sy ny fahamarinana.
Ny fahatokisan’ny fontsika akeo amason’Andriamagnitra
19 Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina antsika ary izany koa no mampahatonga ny fontsika hatoky akeo amason’Andriamagnitra. 20 Na dia magnameloka atsika aza ny fontsika dia geda mandombolombon’ny fontsika Andriamagnitra ary fantany ny raha dahôlo.
21 Ô ry havako tiako! Raha tsy magnameloka antsika ny fontsika, dia matoky tegna akeo amason’Andriamagnitra. 22 Ary azontsika avy Aminanjy ny raha dahôlo angatahintsika satria atsika magnaja an’ireo didiny sy magnano ny raha ankasitrahany. 23 Izao ny didiny: Ny hinoantsika ny agnaran’i Jesoa Kristy Zanagny sy ny hifankatiavantsika araka ny didy izay namen’i Kristy antsika. 24 Ny ôlona magnaja ny didin’Andriamagnitra no tafakambagna Aminanjy ary mikambagna aminanjy koa Andriamagnitra. Izany no ahafantarantsika fa tafakambagna Aminanjy atsika amin’ny alalan’ny Fagnahy izay namena antsika.