2
Ô zanako! Soratako aminareo izany raha izany mbô tsy hanotanareo. Kanefa raha misy manota dia managna mpisolovava agnilan’ny Ray atsika, dia Jesoa Kristy ilay Marina. 2 Izy no sorogna agnonerana ny fahotantsika, ary tsy noho ny fahotantsika irerika foagnany fa ny an’izao tontolo izao koa.
Didy talôha sy didy vaovao
3 Izao no ahaizantsika fa mahafantatra Ananjy atsika, dia ny fagnarahantsika ny didiny. 4 Izay ôlona mitarea fa mahafantatra Ananjy nefa tsy magnaraka ny didiny dia mpandainga ary tsy akao agnatiny ny marina. 5 Kanefa ny fitiavan’Andriamagnitra dia tegna tanteraka amin’izay ôlona magnaraka ny raha taraviny; izany no hahafantarantsika fa tafakambagna amin’Andriamagnitra atsika. 6 Izay ôlona mitarea fa mikambagna amin’i Kristy dia tsy maintsy miaigna sahala amin’izay niaignan’i Kristy koa.
7 Ô ry havako tiako, tsy didy vaovao avy anie no soratako aminareo fa didy talôha izay efa nanagnanareo letry tam-boalôhany. Io didy talôha io dia ilay hafatra efa regninareo. 8 Kanefa didy vaovao koa no soratako aminareo ary mitombina izany amin’i Kristy sy aminareo satria misava ny aizigna ary efa manjelanjelatra ny tegna fahazavana.
9 Izay ôlona mitarea fa miaigna amin’ny mazava kanefa mirafy amin’ny rahalahiny kristianina dia mbôla agnaty aizigna ihany izy. 10 Izay tia ny rahalahiny kristianina no miaigna agnaty fahazavana ka tsisy raha tokony hamingana ananjy aminanjy akao. 11 Fa ny ôlona izay mirafy amin’ny rahalahiny kristianina dia agnaty aizigna. Mandeha agnaty aizigna izy ka tsy mahafantatra izay lalan-kombany satria voajamban’ny aizigna ny masony.
Izao tontolo izao sy ireo antikristy
12 Manoratra aminareo zanako izaho
satria voavela ny fahotanareo noho ny agnaran’i Kristy.
13 Manoratra aminareo raim-pianakaviana izaho
satria mahafantatra Ilay efa nisy letry tam-boalôhany ianareo.
Manoratra aminareo gaogna izaho
satria efa naharesy an’ilay ratsy ianareo.
14 Nanoratra taminareo zaza madinika izaho
satria efa mahafantatra ny Ray ianareo.
Nanoratra taminareo raim-pianakaviana izaho
satria mahafantatra an’Ilay efa nisy letry tam-boalôhany ianareo.
Nanoratra taminareo gaogna izaho
satria matanjaka ianareo,
ary mipetraka agnatinareo akao ny tarean’Andriamagnitra,
sady efa naharesy an’ilay ratsy ianareo.
15 Aza tia an’izao tontolo izao sy izay raha an’izao tontolo izao. Raha misy ôlona tia an’izao tontolo izao dia tsy manam-pitiavana ny Ray izy. 16 Fa ny raha dahôlo amin’izao tontolo izao dia ny filàn-dratsin’ny vatagna sy ny fitsiriritan’ny maso ary ny fiendaendana amin’ny harena. Ireo raha dahôlo ireo dia samby tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao. 17 Mandalo izao tontolo izao sy ny filàn-dratsiny, fa izay magnano ny sitrapon’Andriamagnitra no maharitra mandrakizay.
18 Ô Zanako! Izao no fotoana farany! Efa regninareo fa ho avy ny antikristy sady betsaka ny antikristy efa tonga amin’izao fotoana izao. Izany no afantarantsika fa fotoana farany izao. 19 Niala avy tamintsika zareo ireo nefa tsy namantsika. Raha tegna namantsika zareo dia niaraka tamintsika foagna. Ny fialanjareo mbôka mampibaribary fa tsy ny ôlona dahôlo no namantsika.
20 Fa ianareo indray dia efa nandray ny hosotra avy tamin’Ilay Masina ka mahafantatra ny raha dahôlo. 21 Tsy avy amin’ny tsy fahafantaranareo ny marina no nanoratako taminareo fa avy amin’ny fahaizanareo an’izany sy ny fahafantaranareo fa tsisy lainga avy amin’ny marina.
22 Iza ma izany no mpandainga? Izay tsy magneky fa i Jesoa no Kristy. Izy no antikristy, dia ilay tsy magneky ny Ray sy ny Zanaka. 23 Izay tsy magneky ny Zanaka dia tsy managna ny Ray ary izay magneky indray fa i Jesoa dia Zanak’Andriamagnitra dia managna ny Ray koa.
24 Ary ianareo indray, ataovy tsara an-dohanareo izay raha efa regninareo letry tam-boalôhany. Raha mipetraka agnatinareo izay raha efa regninareo letry tam-boalôhany, dia hiraika amin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo. 25 Nampagnantenainy antsika mbôka ny fiaignana mandrakizay.
26 Soratako aminareo izay raha mahakasika ny ôlona mitady hamitaka anareo. 27 Fa ianareo indray, ny hosotra noraisinareo Taminanjy no mipetraka agnatinareo ka tsy mila hampianarin’ôlona ianareo. Ny hosotra avy Aminanjy kosa indray no mampianatra anareo ny raha dahôlo, ary marina ny raha ampianariny fa tsy lainga. Miraisa aminanjy ianareo araka izay raha nampianariny anareo.
Ny zanak’Andriamagnitra
28 Ô ilay anaka, miraisa amin’i Kristy ianareo mbô hanagnantsika fahatokisana rehefa hiseho Izy fa tsy hitafiantsika hegnatra magnoloana Ananjy amin’ny andro iaviany.
29 Fantatrareo fa marina Kristy ary tokony ho fantatrareo koa fa izay magnano ny fahamarinana no zanak’Andriamagnitra.