5
Mitarea aminareo loholon’ny Fiangonana indray izaho. Izaho koa mbôka mbô loholona ôhatra anareo sady vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary managna anjara amin’ny voninahitra izay efa haboagna: 2 Ambeso tsara ny ondrin’Andriamagnitra izay nankigniny taminareo, aza atao an-tery fa an-tsitrapo araka ny sitrapon’Andriamagnitra, tsy amin’ny fangorognan-karena fa amin’ny zotom-po, 3 tsy ho ratsy fiaignana amin’ny ondry ambesana fa mbô ho fitaratra. 4 Ary rehefa tonga ny lôhan’ny mpagnandroka ondry, dia hahazo satroboninahitra tsy mety maratra ianareo.5 Ôhatr’izany koa. Ianareo gaogna, magneke ny loholona. Eny, sambia magnetry tegna ary mifagnampia fa Andriamagnitra dia tsy tia ny mpiavognavogna fa mitahy ny magnetry tegna (Oha 3. 34).
6 Araka izany, magnetre tegna ambanin’ny tagnana masin’Andriamagnitra, mbô hanodoany anareo amin’ny fotoan’androny. 7 Taravo Aminanjy dahôlo ny raha mampiasa lôha anareo fa adidiny ianareo (Sal 55. 22).
8 Aza variana fa mbô mailo: fa ny devoly fahavalonareo dia mivengegna sahala amin’ny liona masiaka mikaraka raha hohanina, 9 iadivo aigny izy, ka mifikira tsara amin’ny finoana satria hainareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo amin’ny finoana eran-tany.
10 Ary Andriamagnitry ny fahasoavana dahôlo izay nagnantso anareo ho aigny amin’ny voninahiny mandrakizay akao amin’i Kristy, Izy no hahatanteraka sy hahatonga anareo hifikitra tsara rehefa niaritra fijaliana vetiketika ianareo. 11 Enga anie ho Ananjy ny Fanjakana mandrakizay mandrakizay! Amena.
Rasavôlagna
12 Manoratra an’ity taratasy fohika ity ho anareo izaho, hampairana an’i Silasy rahalahiko mahatoky, mbô hampaherezako sy hitaravako anareo hoe mifikira tsara amin’ny fahasoavan’Andriamagnitra.
13 Mampamangy izany ianareo hozy ny avy aigny Babylona, fiangonana voafidy sahala aminareo, dia hozy koa Marka zanako. 14 Magnanaova mamikely rehefa magnano veloma sy atao veloma.
Enga anie ho aminareo dahôlo izay akao amin’i Kristy ny fiadanana.