Ampy izay ny lasa
4
Araka izany satria niaritra tamin’ny vatagny i Kristy dia ataovo ho fiadianareo koa izany toe-tsaigna izany, fa izay niaritra tamin’ny vatagna dia efa niala tamin’ny ota, 2 mbô hiaignanareo ny andronareo sisa mifagnaraka amin’ny sitrapon’Andriamagnitra fa tsy amin’ny filan’ny ôlona. 3 Ampy eky izay ny andro lasana nagnanaovanareo ny raha fataon’ny jentilisa dia ny filibanaa, ny filàn-dratsy, ny fimamoana, ny filalaovandratsy, ny fisotroan-toaka ary ny fanompoan-tsampy izay tegna fady. 4 Dia tofoka zareo satria tsy miramarama miaraka aminjareo ianareo amin’ny filibana ka asahainjareo. 5 Kanefa tsy maintsy hamosa agnatrehan’Ilay efa vognona hitsara ny velona sy ny maty zareo. 6 Izany no antony nitoriana ny Tarea Maharavo tamin’ny fahaveloman’ny ôlona efa maty amin’ny izao, raha amin’ny nofo dia hotsaraina mitovy amin’ôlona zareo dahôlo, fa raha amin’ny fagnahy indray dia ho velona araka ny fomban’Andriamagnitra.
Mpitantana ny fahasoavana
7 Efa akaiky ny faran’ny raha dahôlo, ka hendre ary mahaiza mifehy tegna mbô hahavita mivavaka. 8 Mandombolombon’izany raha dahôlo izany, mifankatiava tsara satria ny fitiavana manototra fahotana betsaka. 9 Mila mifampiditra an-dragno ianareo dia aza mimenomenona. 10 Ampiasao ho an’ny ôlon-kafa ny fagnamezam-pahasoavana noraisinareo sahala amin’ny mpitantana tsara ny fahasoavana isankarazagny avy amin’Andriamagnitra. 11 Raha misy ôlona mitarea, dia alay izy hitarea ny tenin’Andriamagnitra; raha misy ôlona miasa, dia alay izy hagnano an’izany araka ny tanjaka izay amen’Andriamagnitra ananjy mbô hankalazana an’Andriamagnitra amin’ny raha dahôlo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Fa Ananjy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
Fifaliana ny miaritra noho ny amin’i Kristy
12 Ô raôlona! Aza gaga avy amin’ny hamafin’ny fitsapan-toetra mahazo anareo, tsy raha mahagaga avy anie izany. 13 Fa mifalia aza satria managna anjara amin’ny fijalian’i Kristy ianareo mbô hifalianareo koa amin’ny fiboagnan’ny voninahiny. 14 Sambatra ianareo raha misy magnaratsy noho ny agnaran’i Kristy satria mipetraka aminareo akao ny fagnahin’ny voninahitra dia ny Fagnahin’Andriamagnitra. 15 Tsisy tokony hijaly aminareo satria mpamono ôlona, mpangalatra, mpagnano ratsy, mpitsabaka amin’ny fiaignan’ôlona. 16 Fa raha misy ôlona mijaly satria kristiana dia tsy tokony ho megnatra izy fa tokony hankalaza an’Andriamagnitra noho izany agnarana izany. 17 Tondroka ny andro iantombohan’ny fitsarana izay miantegna akao amin’ny fianakavian’Andriamagnitra. Raha miantegna amintsika izany, dia mbô hanakôry aiky no fiafaran’izay tsy magneky ny Tarea Maharavon’Andriamagnitra? 18 “Raha saika tsy voavonjy ny marina, dia hanakôry aiky ny hahazo ny mpanota?” (Oha 11. 31) 19 Lagniny hijaly araka ny sitrapon’Andriamagnitra, dia alay izy hagnano raha tsara foagna sady hanolotra ny aignany ho an’Ilay Mahatoky dia ny Mpahary ananjy.