Ny mpivady kristiana
3
Ôhatr’izany koa. Ianareo vehivavy, ekeo ny vadinareo mbôry izay na dia misy tsy mino ny tenin’Andriamagnitra aza dia ny fitondrantegnan’ny vehivavy no hitarika ananjy fa tsy ny vavany, 2 rehefa hitany ny fitondrantegnanareo madio sy feno fagnajana. 3 Tsy tokony ho raha avelambelagny ôhatry ny randrana na firavaka volamena na akanjo madera ny haingonareo, 4 fa tokony ho toetra agnaty amin’ny haingo tsy mety lo dia ny fahatsorana sy ny fiadanana, izay sarobidy loatra agnatrehan’Andriamagnitra. 5 Sahala amin’izany mbôka ny fomba fihaingon’ny vehivavy masina talôha izay nitama an’Andriamagnitra sady nagneky ny vadiny 6 Ôhatra izao, i Saraha, nagnaiky an’i Abrahama izy ka nagnantso ananjy hoe “tômpoko”. Manjary zanagny ianareo amin’ny fagnanaovana raha tsara ka tsy hatahotra izay raha mety hataon’ny fanambadenareo.
7 Ôhatr’izany koa ianareo lehilahy, kanikanao tsara sady hajao ny vadinareo fa fanaka malemy izy raha mitaha aminareo sady mpiara-mandova ny fahasoavan’ny fiaignana aminareo, mbôry izay tsisy hanakana ny vavaka hataonareo.
Ny fitiavana Kristiana
8 Farany, miraisa lôha ianareo dahôlo, miaraha ory, mifankatiava sahala ny mpirahalahy, mamindrà fo, magnetre tegna, 9 aza mamaly ratsy ny ratsy, aza magnasaha an’izay magnasaha fa tsofy rano ilay ôlona satria izany no nagnantsovana anareo mbô handovanareo fitahiana.
10 “Fa na iza na iza magniry fiaignana mahafinaritra
sy te hahita andro feno fifaliana,
dia tokony hakombogny ny vavany tsy hitarea raha ratsy sy tsy hilaza lainga.
11 Tokony hiala amin’ny ratsy izy ka hagnano ny tsara;
tokony hikiry hikaraka fihavanana izy.
12 Fa ny mason’ny Tômpo mitsinjo ny marina,
ny sofigny mitaino ny fitaraignany,
ary endrigny sosy amin’ny mpagnano ratsy” (Sal 34. 12-16).
Kristiana vognona hagnambara ny fagnantegnany
13 Tsisy hagnano ratsy anareo raha mazoto magnano ny tsara ianareo. 14 Sambatra ianareo raha mijaly noho ny fahamarinana! Aza matahotra ôlona ary aza mangôrohôro. 15 Ekeo am-ponareo fa masina ny Tômpo dia i Kristy (Isa 8. 12-13); mivognòna foagna ianareo hamaly an’izay magnadina anareo ny anton’ny fagnantegnanareo 16 kanefa amin’ny fahatsorana sy fagnajana ary eritreritra madio mbôry izay ho megnatra izay magnendrikendrika anareo ka magnaratsy ny fitondran-tegnanareo tsara amin’i Kristy akao. 17 Tsaratsara ny mijaly amin’ny fagnanaovana raha tsara raha izany no sitrapon’Andriamagnitra toy izay mijaly amin’ny fagnanaovana tsy fanjariana.
Avy amin’ny fahafatesan’i Kristy ho amin’ny fandreseny
18 Jereonareo ma fa indraika tsy nagnindroay Kristy nijaly noho ny ota,
Ilay Marina maty ho an’ny tsy marina,
mbô hitondrasany antsika ho amin’Andriamagnitra
ka novonoina ny vatagny,
kanefa novelomin’ny Fagnahy,
19 izay nandihanany nitory Tarea Maharavo tamin’ireo fagnahy voageja.
20 Tsy nagnaiky zareo ireo talôha, raha nandigny tamin’ny faharetana Andriamagnitra, tamin’ny fotoana nagnamboaran’i Noa ny sambofiara. Ôlom-bitsy no niditra takao ka navotana tamin’ny rano: zareo valo mianaka. 21 Izany dia sarin’ny batisa izay mamonjy anareo amin’izao, tsy fagnalana ny loton’ny vatagna avy izany fa fikarahana eritreritra madio agnatrehan’Andriamagnitra satria nitsangana tamin’ny maty Jesoa Kristy. 22 Niakatra aigny an-dagnitra Izy, akeo ankavagnan’Andriamagnitra akeo, ka nampagnikesina Ananjy ny anjely sy ny fahefana ary ny hasina.