2
Araka izany, areo ny haratsiampagnahy dahôlo, ny katramo dahôlo, ny fihatsarambelatsihy, ny fialognana ary ny fagnaratsiana dahôlo. 2 Magnanaova sahala amin’ny zaza menavava mikaraka ronono tsy mitapoka, dia ny tenin’Andriamagnitra, mbô hitomboanareo ho amin’ny famonjena 3 raha efa nagnandrana ianareo fa tsara ny Tômpo.
Ny fanompoam-pivavahana vaovao akao amin’ny tempoly vaovao
4 Mamonje ny Tômpo, Ilay vato velona tsy nahoan’ôlona nefa voafidy sady sarobidy agnatrehan’Andriamagnitra. 5 Hatsangana sahala amin’ny vato velona ianareo ho tragno ara-pagnahy, ho mpisorogna masina iray dia mbô hanolotra fagnati-pagnahy sitrak’Andriamagnitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. 6 Fa izao mbôka no voasoratra akao amin’ny Soratra Masina:
“Mametraka vato fototra agnatin’i Ziona Izaho,
dia vato nosafidiana sady sarobidy,
ka izay mino Ananjy,
dia tsy ho megnatra” (Isa 28. 16).
7 Ho anareo izay mino ny voninahitra fa ho an’izay tsy mino indray,
“ny vato izay tsy nahoan’ny mpandrafitra
no nanjary vato fototra” (Sal 118. 22).
8 Ary,
“vato mahavoantsitohina
sady vatolampy mandavo” (Isa 8. 14).
Voantsitohina ny ôlona satria tsy ninoanjareo ny tenin’Andriamagnitra sady izany koa no voatendry ho anjareo.
9 Fa ianareo indray dia taranaka voasafidy, “fanjaka-mpisorogna, firenena masina” (Eks 19. 6), ôlona nalain’Andriamagnitra ho an’ny tegnany, mbô hitaravanareo ny hatsaran’ilay nagnantso anareo hiala tamin’ny maizigna hamonjy ny fahazavany mahagaga. 10 Talôha, tsy firenena avy ianareo fa amin’izao nanjary ôlon’Andriamagnitra; talôha, tsy namindrana fo avy ianareo fa amin’izao namindrana fo (Hosea 2. 25).
Fitondran-tegna tsara akeo amin’ny fiaraha-monina
11 Ô raôlona! Magnanatra anareo izaho: Vahiny sy mpandalo dahôlo ianareo ka fadio ny filàn’ny nofo fa mifanohitra amin’ny fagnahy. 12 Mahaiza mitondra tegna tsara agnatrehan’ny jentilisa, mbôry izay raha magnaratsy anareo zareo dia ho hitany ny asa tsara ataonareo ka hankalazany an’Andriamagnitra amin’ny andro hahatongavany.
Ny fagnajana tokony hamena ny manam-pahefana
13 Noho ny amin’ny Tômpo dia ekeo dahôlo ny managna fahefana; ekeo ny mpanjaka satria mpitondra farantampony izy; 14 ekeo ny governera satria nasain’ny mpanjaka hagnasazy izay magnano tsy fanjariana izy ary hankasitraka izay magnano raha tsara. 15 Fa izao ny sitrapon’Andriamagnitra: Ny fagnanaovanareo raha tsara no hampangigna ny vavan’ny ôlona adala noho ny tsy fahafantarany. 16 Ôlona afaka ianareo, nefa aza ndesina hanakofana raha ratsy ny fahafahanareo, fa iaigno ny maha mpanompon’Andriamagnitra anareo. 17 Hajao ny ôlona dahôlo, tiavo ny havana amin’ny finoana, matahora an’Andriamagnitra, hajao ny mpanjaka.
Ny gaogna Kristiana
18 Ianareo gaognan’ôlona, ekeo amin’ny fagnajana ny patirônareo, tsy izay tsara fagnahy sy tsotra foagnany, fa na dia ny ratsy fiaignana koa aza. 19 Fahasoavana ho an’ny ôlona ny miaritra ny fijaliana tsy rariny noho ny fieritreretana an’Andriamagnitra.
20 Fa ino ma ny laza tsara ho azonareo raha ôhatra ka miaritra taroka ianareo noho ny hafokana nataonareo? Fa tian’Andriamagnitra raha ôhatra ka miaritra fahoriana ianareo amin’ny fagnanaovana raha tsara.
21 Izany no nagnantsovana anareo;
nijaly hamonjy anareo Kristy
ka namela fianarana ho anareo
mbô hagnarahanareo ny diany.
22 “Tsy ary nanota mihitsy Izy,
sady tsy ary nikatramo” (Isa 53. 9);
23 Raha nafokaina Izy, dia tsy mbô nagnafoka;
raha nampijaliana dia tsy mbô nandrahogna,
fa nindesiny taigny amin’ny Mpitsara Marina ny raha nahazo Ananjy;
24 ary “Izy no nitondra ny fahotantsika” (Isa 53. 12) tamin’ny tegnany tambonin’ny kakazo takeo,
ka raha momba ny ota dia ho foaty atsika
fa raha momba ny fahamarinana dia ho velona;
ary “ny dian-taroka Taminanjy no nagnasitragnana anareo” (Isa 53. 5).
25 Fa efa nibirioka ôhatry ny ondry ianareo (Isa 53. 6),
nefa amin’izao dia efa niverigna
hamonjy ny Mpagnandroka sy ny Mpikarakara ny fagnahinareo.