13
Tohizo foagna ny fifankatiavanareo sahala amin’ny kiboraika. 2 Tsarôvy foagna ny mampandroso an-dragno vahiny satria nagnano an’izany ny sanagny nefa tsy nahafantatra avy hoe nampandroso anjely zareo. 3 Tsarôvy ireo ôlona migadra, hevero ôhatra ny hoe miaraka migadra aminjareo ianareo, ary tsarôvy sahala amin’izany koa ireo ôlona ampijaliana satria mety mbôla hijaly koa ny aignanareo.
4 Sambia magnaja ny tokantragnony dahôlo, ary tokony tsy lotovina ny fandrianan’ny mpivady, fa ny ôlona malanga sy ny mpangala-badin’ôlona dia hotsarain’Andriamagnitra. 5 Aza avela baikon’ny fitiavam-bola ny fomba fiaignanareo fa mahaiza mifaly amin’izay raha hanagnanareo satria Andriamagnitra mbôka efa nitarea hoe: “Izaho tsy hamela anao irerika na hahafoy anao izany mihitsy” (Jos 1. 5). 6 Ka mahasaky mitarea atsika hoe:
“Mpamonjy anahy ny Tômpo, tsisy raha hatahorako,
ary tsisy ôlona afaka hagnano ratsy anahy” (Sal 118. 6).
7 Tsarôvy ny mpitarika anareo, izay efa nitory ny Tarean’Andriamagnitra taminareo; diniho ny fiafaran’ny fiaignany ka magnaraha ny finoany. 8 Jesoa Kristy tsy mba miova na nomoaly na nigniany ary mandrakizay.
9 Aza magneky voafitaky ny fampianarana hafahafa isan-karazagny anareo. Tsara mbôka raha mifototra amin’ny fahasoavana ny fo fa tsy amin’ny ahanina izay tsy mahasoa an’izay mahavatra avy. 10 Managna alitara antsika ary tsy mahazo mihinana an’izay raha ambonin’ny alitarantsika izay ôlona misorogna akao amin’ny tabernakely 11 satria nindesin’ny Mpisorognabe niditra takao amin’ny toerana farany masina ny ran’ny biby izay natao sorogna noho ny fahotana ary nodoroana tavelagn’ny toby kosa ny fatin’ilay biby.
12 Izany koa no nahafatesan’i Jesoa tavelagn’ny tanàna mbô hagnamasina ny ôlona amin’ny ràny. 13 Andao atsika hivoaka avelagn’ny toby akaigny mbô Aminanjy ka hitondra ireo fahafam-baraka natao Taminanjy. 14 Fa tsy managna tanàna ipetrahana atỳ atsika fa mikaraka ny ho avy.
15 Amin’ny alalan’i Jesoa dia tokony hanolotra ny fanati-piderana tsy an-kijanona ho an’Andriamagnitra, dia ny vokatry ny molotra izay magneky ny agnarany. 16 Fa aza magnadino hagnano soa sy hifanampy fa fagnatitra ôhatra an’izany no sitrak’Andriamagnitra.
17 Mankatoava ny mpitondra anareo ka magnekesa ananjy satria mikarakara anareo izy ary mahafantatra fa aigny afara aigny dia hampamoahan’Andriamagnitra zareo. Ataovy izay hagnanaovany ny asany amin’ny fifaliana fa tsy amin’ny fitaraignana; tsy hahasoa anareo mbôka ny fitaraignanjareo.
18 Mivavaha ho anay satria resy lahatra izahay fa milamina ny eritreritray ary te hanagna fiaignana tsara amin’ny raha dahôlo. 19 Ento am-bavaka manokana izaho mbô hahafahako miverigna maladilady atỳ aminareo.
Rasa vôlagna
20-21 Enga anie hahatanteraka anareo amin’ny raha tsara dahôlo mbô hagnanaovanareo ny sitrapony ka hiasa akao agnatinareo izay hankasitrahana akeo amasony amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, Ilay Andriamagnitry ny fiadanana, izay nitondra an’i Jesoa Kristy Tômpontsika hiala amin’ny maty; Jesoa Kristy Ilay Mpagnandroka ondry Geda, mitondra ny ran’ny fagnekena mandrakizay. Enga anie ho Ananjy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amena!
22 Ô raôlona, miangavy anareo izaho mbô hahatanty ny famporisihana akao agnatin’ity taratasy fohipohika izay soratako ho anareo ity. 23 Tiako ho hainareo fa efa afaka tamin’ny gadrany i Timoty rahalahintsika; ka raha tonga maladilady izy dia hiaraka aminanjy hitsidika anareo izaho.
24 Mampamangy aigny amin’izay mpitondra anareo sy ny kristiana dahôlo. Veloma koa anareo hozy ny kristiana aigny Italia.
25 Enga anie ho aminareo dahôlo ny fahasoavana! Amena!